Ny rafozana sy ny vinanto

1. ni81 ( 26/07/2008 06:28)
Heno matetika ny fifandraisana ratsy eo @ rafozam-bavy sy ny vinanto vavy ary tsy vitsy no mitaraina. Toa mahagaga anefa fa ny rafozam-bavy sy ny vinanto lahy mba mahay mifandray tsara ihany. Inona no tena antony?
2. tsimati ( 26/07/2008 08:35)
Ho an'ny Malagasy sy ny vazaha angamba tsy dia mitovy ny fitrangany. Ny vazaha tsy hidirako satria tsy hianako na hitako maromaro aza.
Ny Malagasy koa dia ny fifandraisan'ny vinanto sy rafozana eo amin'ny fianakaviana mahantra sy manakarena koa tsy mitovy ny fitrangany.
Misy ny Malagasy manankarena saingy tsy betsaka izany raha oharina amin'ny daholobe. Eo no tena fototry ny olana. Ny Vehivavy no tena misasatra vao mahalehibe ny zanany saingy rehefa lehibe ilay zazalahy dia variana amin'ny vadiny izy ary saika hadinony ny hasasaran'ny reniny nahabe azy. Toy izay koa ny vady tsy mihevitra fa sahirana ny renin'ny zazalahy vadiny vao nahabe ilay zazalahy fa faly mahazo vady ary mamikotra fotsiny.
Eo amin'ny rafozambavy sy vinanto lahy kosa dia faly ny rafozambavy mahita ny vinanto lahy mikarara sy mitia ny zanany vavy.
Eo amin'ny sahirana hoy aho no tena mipetraka io satria mitady valimbambena ny reny. Ho an'ny manakatao kosa tsy dia lozabe ny fifandraisana satria tsy manantena valimbabena ny ray amandreny fa mahavita ny tenany ary ny raiamandreny aza no manampy ny zanaka matetika.
3. LazaDaddy ( 27/07/2008 00:48)
ni81> Ataovy tsy mifankahazo resaka fa tsy hisy disadisa mihitsy mandrakizay :). Ny iray ohatra tsy mahay teny Gasy sy Frantsay moa ny iray tsy mahay teny Anglisy/Sinoa/Malay, sns... =))
4. tsimati ( 27/07/2008 06:20)
Resaka ivelany kely ho an'i LazaDaddy. Hafa ny Malay sy ny Malaysian ka aza ampidirina ny Malay satria tsy hanambady Gasy mihintsy ny Malay ary tsy afaka hanindry rafozana ny vinanto ho azy. Ny ankoatr'izay tsy dia maro angamba ny manambady karazan'olona amin'ny fiaviana samihafa ny gasy na mahita maro araka ny fijery aza ianao. Ary ireo manambady vazaha aza tsy rafozana no manahirana fa ny zanak'ilay rangahy satria efa olona manao fihainana faharoa ary nahabe anaka no tena maka vady Gasy. misy ny samy tanora fa raha folo ny manambady vazaha dia 9 manambady antitra ary vadin'ilay vazaha faharoa na fahatelo. Hahahahai.

Noho izany ny olana vinanto sy rafozana Gasy samy Gasy tena mipetraka satria ny rafozana tia hibaiko ny zanany lahy ary ny vinanto tsy hanaiky izany satria izy no vady miaramatory hahahahahihihi.
5. ni81 ( 27/07/2008 07:13)
ni81> Ataovy tsy mifankahazo resaka fa tsy hisy disadisa mihitsy mandrakizay . Ny iray ohatra tsy mahay teny Gasy sy Frantsay moa ny iray tsy mahay teny Anglisy/Sinoa/Malay, sns...
:lol: :lol: Napetrako fotsiny io dinika io mba hijereko ny hevitry ny hafa fa ny ahy ny vadiko ihany no mi-guidé ny reniny (raha sendra misy tsy milamina) fa hatramin'izao aloha tsy misy atahorana.
6. LazaDaddy ( 27/07/2008 07:21)
tsimati> Teny Malay (bahasa Melayu) no resahiko fa tsy foko ka. Teny Malay izay ampiasain'ny rehetra eto Malaysie na Malay na Sinoa na Karana sns...no voaresaka :)
7. xxx ( 24/11/2008 13:47)
io tena problème be mintsy eo @ fiainana fa tsy hay mintsy e!satria a ilay rafozam-bavy tena manao zay vitany mintsy anafinganana ilay vinanto vaviny ;dia ny tena mampihomehy izy dia tena mpamosavy malemy; betsaka aloha ny vinanto vavy maivan-doha fa na dia izany fa ny rafozam-bavy no tena pire e!indrindra moa rehefa hoe ny vinanto mba mahitahita noho izy ? eo no tena raharaha.
8. sakaizakely ( 24/11/2008 13:55)
olona manao fihainana faharoa ary nahabe anaka no tena maka vady Gasy. misy ny samy tanora fa raha folo ny manambady vazaha dia 9 manambady antitra ary vadin'ilay vazaha faharoa na fahatelo. Hahahahai.
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))

9. fitiatantely ( 04/12/2008 13:22)
ny vahaolana de ts mifanakaiky fonenana @ rafozana, ts mifanerasera matetika (1/semaine ra be indrindra no mifamangy) ts mifampitatara fiainana @ olonkafa fa ny sotrokely koa anie mahay mampiady e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1348