Mpianatra sasany @ Ambaratonga Ambony Madagascar mahamenatra

1. zandikely ( 24/07/2008 00:48)
Somary mahagaga sy mahamenatra iany maheno matetika saika isakin'ny faritany maheno fa niady sy mikorontana indray ny mpaianatra avy amin'ny faritra X sy ny faritra Y e. Mpianatra amin'ny Ambaratonga ambony no manana toetsaina tahaka izany dia tena mahamenatra, efa tsy zaza intsony nefa, efa any amin'ny 20 taona ny moyen d'age na maherin'izany aza. Olona tokony hanome ohatra amin'ny firenena.
Miaramila sy mpitandro filaminana lava no mameno ny Campus, mahamenatra, nefa ho olona andrandrain'ny firenena, handanian'ny fanjakana vola.
Rehefa tsy manao greve dia miady....

2. tsimati ( 24/07/2008 01:14)
Misy ny hoe ratsy taiza saingy ny Raiamandreny indray no voadona amin'izany. Ny zava-misy kosa anefa dia ny anatra sy tantara avy amin'ireo lehibe no mitory ny fahaizan'ny tanora amin'ny faritra isakarazany mifanaja ary ahay hiara-hiasa ho an'ny firenena. Izay koa ilay hoe mahay ny tanora mpianatra @ ambaratonga ambony Gasy sady mahay nohon'ny avy any Texas.
3. ari.malala ( 24/07/2008 06:37)
tsy azoko hoe in no idiran'ny Texas amizany?

Misy ny tsy tohinina d misy koa ny mpandrangitra ko! zavatra tsy misy dikany d mampiady...
4. haritianah ( 24/07/2008 06:58)
lé fikorontanana ao amin'ny mpianatra ambaratonga ambony kosa angamba mizara roa mazava tsara ny mahatonga lé fikorontanana.
1)Fitakiana vatsimpianarana(matetika io dia isan-taona ), maninona kosa alou endrasana hikorontana ny mpianatra vao avoaka ny vatsim-pianarana é? efa mianatra 4 na 5 volana vé ny mpianatra mbola tsis tokotanininy ihany ny fanomezana ny vatsim-pianarana.Tokony kosa efa zvtr voahoman'ny ministèra mialoa ny momba io vatsim-pianarana io refa naka io fanampahakevitra io rizareo fa hanomé vatsy ny mpianatra. Vankasy ny mpianatra dia efa tokony maita vaha olana ny @ andoavany azy io @ rentré ny ministère.Ts izany no mitranga any amintsika fa refa mipoka ny grève fitakiana vatsim-pianarana vao hita ny solution andoavana azy.Dia lasa mi gaffe ny mpianatra.Domina kely foana vao mivoaka io vatsim-pianarana io.Amin'izay fotoana izay kosa tsy ny mpianatra no diso fa ny ministère.Endrasana efa grave be ny grève vao avoaka ny vatsim-pianarana dia voaaza fa maditra sy ratsy taiza ny mpianatra.
2)Kilalaon"ny mpanao politika ny mpianatra; matetika koa any @ ntsika refa misy zvtr tian'ny mpanao politika ahetsika dia Any @ mpianatra no ikitihany azy, itadiavana zao arguments retra zao ahafahany mpianatra mitokona sy manao grève.Eo indray dia azoko eritreretina oé miseo eo ny mpianatra mahamenatra satria ataon'ny olona fitaovana fa ts mieritreritra ny fianarany, eo ny mipoitra oé ratsy fitondratena angamba fa tsy oé ratsy taiza zany(ny ankamaroan'ny RAD angamba dia samy miezaka ary mitady zé mba fanabeazana ho tsara sy tongalafatra ny zanany fa ts dia hisy loatra ny RAD ka itaiza ny zanany mba ho ratsy).
Ny fositra alou na izany na tsy izany dia ny ao @ ministère ihany é, refa voapetrapetrakao @ tokony ho izy doly ny rafitra mat paika itondranao ny mpianatra dia na mpanao politika iza na iza té anakorontana dia ts ahita hirika ny anetseha mpianatra.
Raha maita isika dia miodikodina eo @ resaka vatsim-pianarana,logement eo foana ny grève isantaona.Vahao mazava tsara ireo ary zé tena tokony ahazo zany dia omeo ary ataovy ara-potoanad dia mino fa afaka ny grève isataona mikasika io.
5. fahamarinana ( 24/07/2008 10:37)
:arrow: angamba tsy vao izao fa na taloha tamin'ny andronay toa efa greve lava foana...dia mbola resaka bourse sns...mampalahelo tokoa fa mbola mitohy hatreto :( (l)
6. barakobama ( 24/07/2008 17:04)
nikarajia zô si lôm de oz zô oe "akori lôm atao zanakanabavi mifapitorajof reto" d oz lôm oe "io la mbol mitoi d andefasako mialamila amelikan avi ani amitika d it eo oe iza no mafi voda" :!:
7. ari.malala ( 25/07/2008 14:18)
eny e, le resaka grève anie iny zavatra hafa e, fa ity voaresaka eto ity tena zavatra hafa mintsy! ohatra hoe misy bal d misy ankizy avy any am faritra iray manao fiteny hafahafa mandrangitra ny avy ary am faritra hafa d raikitra ny fifamaliana ary mazàna miafara am faty olona ka ilàna ala faditra sns mints ary mbola mitohy aza ny lolom-po sy lonilony.. matetika mifoaka gazety mintsy zany zavatra izany
8. fahamarinana ( 25/07/2008 15:35)
:arrow: zany tokoa ? ,lasa HS aho zany akia ari fa azafady...soa aho tsy lehibe tao tana ka tsy nahita izay indray...na tany am province hafa sy lavitra aza dia tsy mba nisy nanilika na nanana fiteny hafa aza... :) (l)
9. jentilisa ( 06/08/2008 15:22)
Azo eritreretina tokoa ve fa fandrangitana no tena anton'ny korontana eo amin'ny samy mpianatra? Izaho mieritreritra fa misy eo amin'ny kolontsaina no mifandaka na mampifanohitra ny roa tonta fantatra matetika ho mifanolana. Misy faritra be fihetsiketsehana ka matetika heverin'ny hafa ho mirehareha... misy ny tsy manaiky ambaniana fotsiny izao.

Misy toe-tsaina hafa mihitsy koa matoa misy ny mpianatra mahavita mivalandrano amin'ny mpianatra hafa... io kosa aloha dia tsy ho lefitra mihitsy na dia eo amin'ny mahaolona fotsiny aza e
10. Herimiafina ( 06/08/2008 18:26)
zandikely:

Somary mahagaga sy mahamenatra iany maheno matetika saika isakin'ny faritany maheno fa niady sy mikorontana indray ny mpaianatra avy amin'ny faritra X sy ny faritra Y e. Mpianatra amin'ny Ambaratonga ambony no manana toetsaina tahaka izany dia tena mahamenatra, efa tsy zaza intsony nefa, efa any amin'ny 20 taona ny moyen d'age na maherin'izany aza. Olona tokony hanome ohatra amin'ny firenena.
Miaramila sy mpitandro filaminana lava no mameno ny Campus, mahamenatra, nefa ho olona andrandrain'ny firenena, handanian'ny fanjakana vola.
Rehefa tsy manao greve dia miady....



Asaivo mandoa ekaolazy izy rehetra dia tsy manao an'izany intsony.

:^)
11. ikaretsaka ( 12/08/2008 02:12)
za koa pour an'izay asaina mandoa ekolazy izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3808