teny frantsay=fandrosoana....

1. ratakktikk ( 14/07/2008 21:15)
Izay mbola mifikitra amin'ny fisainan'ny mpanjanatany ihany no mahita fa ratsy sy tsy mety ny ampiasana ny teny malagasy enti-mampianatra sy enti-miasa.

Izay mbola voazanaky ny frantsay ara-tsaina sy ara-panahy no sahy miteny fa tsy mampandroso sy tsy ahitam-bokatsoa ny fampiasana ny teny malagasy.

Ary ireo izay mbola mihevitra fa rehefa miteny frantsay dia ambony sy manam-pahaizana no sahy manamavo ny tenin-drazany ka milaza fa tsy mifankahazo resaka ny samy malagasy.

Tsara ny teny malagasy, iray ny teny malagasy ka tokony ampiasaina sy arovana ary hajaina.

teny frantsay = fandrosona sy fahamboniana amin'ireo izay mirefarefa @ tany ny fisainany. nahita fianarana ihany fa dondrona...
novalian'i tsimati ny 18/07/2008 01:31
2. Noue ( 14/07/2008 21:23)
ratakktikk:

Izay mbola mifikitra amin'ny fisainan'ny mpanjanatany ihany no mahita fa ratsy sy tsy mety ny ampiasana ny teny malagasy enti-mampianatra sy enti-miasa.

Izay mbola voazanaky ny frantsay ara-tsaina sy ara-panahy no sahy miteny fa tsy mampandroso sy tsy ahitam-bokatsoa ny fampiasana ny teny malagasy.

teny frantsay = fandrosona sy fahamboniana amin'ireo izay mirefarefa @ tany ny fisainany. nahita fianarana ihany fa dondrona...
tokony miheritreritra tsara aloha ianao miteny io !

sa ianao mahay mampiasa ny internet io nahita fianarana fa dondrona ? sa vita gasy ve ny internet ?

sa ve mba nianaranao t@ teny avy aiza ny internet ohatra ? ekena fa azo hadika teny gasy fa heritrereto fotsiny hoe raha tsy nisy ny teny hafa ankoatrin'teny gasy nety nahavoaka izao dinika zao ve ianao ?


3. ratakktikk ( 14/07/2008 21:51)
Ary raha tsy nisy teny malagasy nibeazanao, afaka nanoratra teto ianao? nisy serasera teny malagasy teto?

Vita frantsay ny interinety ka!!!!!!! noforonin'ny mpanjanatany frantsay fa tsy ny ARPANET na ny Amerikanina.

Adala ny Indonezianina manindraindra ny Bahasa, adala ny Rainiboto manaparitaka ny fiteniny, adala ny sinoa raha mampianatra amin'ny fiteniny.

Hendry be mihitsy ny Renionianina satria teny frantsay daholo ny azy ny zavatra rehetra na mandeha na mitoetra, na matory na mitsangana dia teny frantsay sy ny manga fotsy mena daholo.

Izay no izy aminao misaina io...

Apetraho fotsiny hoe misy didim-panjakana mivoaka milaza hoe tsy azo ampiasaina intsony ny teny malagasy. Dia inona ny mba hevitrao?
4. tsimati ( 14/07/2008 23:20)
Ny fandraisana antendrony dia manimba zavatra. Fa raha mampiasa teny Malagasy ve dia midika hoe AJANONA DAHOLO NY TENY VAHINY. Mba misaina ihany. Fa maninona no misy fandrosoana Singapore ohatra iray nefa eran'ny lalana misy teny telo ary Bahasa Malay, Sinoa sy ny Anglisy. Sahala izay ireo ao Malaysia na tsy mpanakarena aza dia misy fandrosoana efa tsapa nefa eran'ny lalana teny Bahasa Malay ary faharoa ny teny Anglisy. Betsaka ny tsy ahitana teny Anglisy ka anjaranao ny miezaka ny mahafantatra. Tsy hitanisa intsony aho fa mbola ao ny Sinoa izay ikoizana erantany fa nahita izany fandrosoana izany nefa iza no milaza aminao fa miteny Anglisy daholo ny Sinoa ? Korea koa sahala izay.
Rehefa tiana ny hijanona ho teny Frantsay dia resaka hafa izay.
Ny Internet tsy ny firenena voalazo sy nalaiko ohatra ireo no namorona azy fa misy Google Malaysia, Yahoo Indonesia sns izay teniny daholo no miasa ao dia maninona ?
Firifiry no sahirana ny Malagasy any ambanivohitra amin'ny resaka tany sy ny didimpitsarana amin'ny teny Frantsay izay tsy azo ny dikany nefa zara raha nianatra ny olona. Mety io fa aza hitarina
5. karavasy ( 15/07/2008 02:18)
teny frantsay=tsy nahitana fandrosoana taona maro
6. dadabe ( 15/07/2008 02:24)
:D :D :D ajanony ny teny frantsay e....teny snou ndray enarana :D :D
7. karavasy ( 15/07/2008 02:27)
Ahoana zany ry dadabe fa tsy nareo zokinibe ve no mitomany an'i Reny Malala. Sao Angaliso fa tsy Sinoa :-D :-D :-D
8. kidoropamba ( 15/07/2008 08:50)
ratakktikk:

Izay mbola mifikitra amin'ny fisainan'ny mpanjanatany ihany no mahita fa ratsy sy tsy mety ny ampiasana ny teny malagasy enti-mampianatra sy enti-miasa.

Izay mbola voazanaky ny frantsay ara-tsaina sy ara-panahy no sahy miteny fa tsy mampandroso sy tsy ahitam-bokatsoa ny fampiasana ny teny malagasy.

Ary ireo izay mbola mihevitra fa rehefa miteny frantsay dia ambony sy manam-pahaizana no sahy manamavo ny tenin-drazany ka milaza fa tsy mifankahazo resaka ny samy malagasy.

Tsara ny teny malagasy, iray ny teny malagasy ka tokony ampiasaina sy arovana ary hajaina.

teny frantsay = fandrosona sy fahamboniana amin'ireo izay mirefarefa @ tany ny fisainany. nahita fianarana ihany fa dondrona...


Toa tsy maharaka lesona indray ingahy zany le aza.
Ny maha tsara dia tsara ny fianarana ny tenindrAzana, ka ny teny malagasy izany, mihitsy no mahatonga ny olona hentitra amin'ny tsikera SATRIA tsy azo atao kitoatoa izy io.

Ny filoha hajaina ange raha nanao ny maligasizasion any dia (efa nolazaiko teto) tsy hoe ahabotrabotra anao fa ny hanadonto ny vahoaka mba ahamoramora kokoa ny fanaovana bizna.
Io ange no hanohanako azy satria lalintsaina be ity filoha hajaina ity.
Heveriko fa rariny ny an'i filoha hajaina satria: raha mikasa hanabotrabotra gisa lahy ange ianao tsy noho ny fitiavanao ny fahasalaman'ilay gisa lahy fa ny fitsinjovanao ny hatsirony ao anaty vilAny e. Vita matavy ilay gisa lahy!

Izay ange ity maligasizasion-tsika ity e: Tsy ny fanabeazam-pirenena no tanjona fa ny ahadonto adiverisera ka ahamora kokoa ny bizna.

Enao ngah nihevitra fa raha maligasizasion no nahazo an'ireny bandy nalefa tany Abilene ireny, nisy tafavoaka velona teo? Samy nikilandy tany zamerika ry zalahy raha lasa tany satria tsy ilain'i zamerika izany teny gasinao izany.
Fehiny: Teny angilisy no ilaina raha handeha any Abilene (nefa olona vitsy kely no nalefa); teny frantsay no ilaina raha andeha handrato fianarana any frantsa (kanefa limitE-na ny isan'ny olona), teny gasy kosa no ilaina raha hanadonto ny adiversiera (ary maro be ry zareo).

Raha ohatra kosa tena te-hanao politikan'ny tenindrAzana dia aoka mba atao tsara sy iarahana mandinika tsara ilay izy satria "fanabeazampirenena" (fa tsy fanadontoana) no tanjona.

Tena tsy maharaka politikan'ny filoha hajaina nareo ka tokony manao "cours acceleré" ao iavoloha fa tena tsy alehany.

Tohizo ny lalantsika ra prezy hajaina
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
9. kalointsika ( 15/07/2008 09:26)
za kos aloha tsy hilaza oe ratsy ny teny frantsay e ary ts oe miaro an'ilay filoha hajaiko aho fa miheritreritra aho hoe: rahoviana aza vao ampiasa teny malagasy madio rano isika????" saingy tsy azo atao ambanin-jvt ny fianarana ny teny vahiny satria io no mampifandray antsika amin'izao tontolo izao ary araka ilay tenin'ilay razoky manaja filoha io hoe sao ho voambaka isika. noho zan d arakarak ny pôlitika itondrana azy ihany ny mahatsara na maharatsy ny fanagasiana.
"Am-bava homana, am-po mieritreritra"
10. nirasia ( 15/07/2008 11:44)
Adala izay tsy tia ny tenin-drazany e, ny 80% ntsika Malagasy tantsaha avokoa, firy isan-jaton'izy ireny no mahay miteny frantsay ary? sady iny lalàna nivoaka iny koa nge tsy nilaza mihitsy hoe hajanona ny fianarana teny vahiny fa mba homena lanja aloha ny an'ny tena (andrianina) e, fa ho ahy manokana aloha dia tsy misy hilako ny teny frantsay izany fa ny teny Anglisy izao no matanjaka sy ny mandarine, io frantsay tsy nitondra soa ho an'i Malagasy io foana no mbola indraindraina isan'andro, mba jereo anie ny firenena colonie Anglisy mihoatra @ colonie frantsay e! samy hafa be ny fisainana, eto aho dia manararaotra fa izaho dia faly mihitsy t@ nahazo ilay ambassadeur frantsay nikabary t@ fetim-pirenen-dry zareo teny Ivandry teo ilay nitaraina t@ nataon'i prezida Ravalomanana azy, sahaza ny mpisolelaka @ frantsay sy ny mbola manina an'i reny malala taloha ireny, dia hoe "zavatra tsy mbola fahita eran-tany hono ny nataon'ny filoha Malagasy ireny" hoy ny valin-teny napetraka t@ ilay mpanao gazety iray raha nanontanina ny heviny lery hitako t@ vao² viva tv angamba izy iny (nefa mpanao gazety tokony aharaka ny resaka politika eo @ Gasikara sy frantsa), izay ilay mokon-doha francophone ry zareo a. Izay no mbola mahatonga antsika Malagasy toa izao 48taona aty aorian'ny fahaleovan-tena, am-bava homana tompoko!
11. kidoropamba ( 15/07/2008 12:09)
80% antsika malagasy dia "tantsaha" daholo. Marina io. Fa alohany hipetrahan'ny fanontaniana hoe: "firy no mahay miteny firantsay", apetraho aloha ilay fanontaniana hoe: "Firy no mahay io teny lazainao fa gasy io"? Mandehana any bekily enao, tantarao ny teny "gasinao" dia ho hitanao eo izay avalin'ireo tantsaha fa "mosare bibiky" (inona no dikan'io amin'ny teny gasinao io) no matetika averiny aminao.
Milaza enao fa ny teny angilisy izao no tena ilainao. hin!hin!hin! siora namA. Ary tsy ilainao mihitsy ny teny firantsay. hin!hin!hin! mampihomehy ahy mihitsy enao ity satria resaka efa matetika averimberindry zalahy gasy mikilandy any firantsa io lazainao io.
Roahy daholo ny firantsay fa manelingelina antsika no sady mitady hanandevo, aza raisina intsony ny vola avy aminy, avereno ny trosa rehetra, na koa ravao ny fanan'ireo firantsay any madagasikara sisa tavela. Vonoy ny vAzA sisa e. hin!hin!hin!

Io ange ilay lazaiko hoe Misy manolo-bato mafAna ny filoha hajaina Ravalomanana amin'ireto milaza fa manohana azy ireto.

Hiala tsy ho andevon'ny firantsay fa kosa "volontera" hisolelaka an'ireoangilisy. Milay kosa ilay tetika ka.

Atao ilay "maligasizasion" tsy hoe ho hanabeazampirenena, fa hi-ompaina ny firantsay sy hisolelahana @ angilisy.
Marina ny an'i filoha: Mila dontoina ny gasy vao mandroso fa raha hazavainao aminy ny tombotsoany dia tsy takatry ny betro be-any izany ka manahirana.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
12. ratakktikk ( 15/07/2008 13:26)
Malahelo angaha i Kidoropamba fa tsy voaasa nidinidina an'ilay izy?(fampiasana indray ny teny malagasy io)

Aleo hazava fa TSY avy tamin'ny filoham-pirenena mihitsy no nipoiran'ny tsirin-kevitra (initiative) hanomezana hasina indray ny teny malagasy fa:

1- vokatry ny dinika sy volavolankevitra avy tamin'ny akademiam-pirenena malagasy sy ireo izay mbola mandala ny maha-malagasy azy, izay voasolo-tena isam-paritany.
sy
2- niainga avy tamin'ny ny valim-pikarohana eran-tany nataon'ny UNESCO momba ny fandinihana ny fiarahamonina (sociologie)
http://gazetyavylavitra.wordpress.com/ (vakio hatr@ farany);
sns....
fa tsy kitoatoa.

Dia aza jamban'ny fankahalana olona iray; ka na dia zavatra hahasoa ary no ataony dia mbola ny hahafaty ihany no handraisan'ny saina azy.
13. kidoropamba ( 15/07/2008 13:32)
ratakktikk:

Malahelo angaha i Kidoropamba fa tsy voaasa nidinidina an'ilay izy?(fampiasana indray ny teny malagasy io)

Aleo hazava fa TSY avy tamin'ny filoham-pirenena mihitsy no nipoiran'ny tsirin-kevitra (initiative) hanomezana hasina indray ny teny malagasy fa:

1- vokatry ny dinika sy volavolankevitra avy tamin'ny akademiam-pirenena malagasy sy ireo izay mbola mandala ny maha-malagasy azy, izay voasolo-tena isam-paritany.
sy
2- niainga avy tamin'ny ny valim-pikarohana eran-tany nataon'ny UNESCO momba ny fandinihana ny fiarahamonina (sociologie)
http://gazetyavylavitra.wordpress.com/ (vakio hatr@ farany);
sns....
fa tsy kitoatoa.

Dia aza jamban'ny fankahalana olona iray; ka na dia zavatra hahasoa ary no ataony dia mbola ny hahafaty ihany no handraisan'ny saina azy.

Hoay legOna! Inona indray ityv lazain'i rataktikk ity: Tsy ny filoha indray no nanana an'io "initiativa" io? tsssss! aza manalabaraka olona rangahy ty a. Hita be fa mpanohitra kamo be tenda.

Iza indray ary izao "jamba" mankahala olona iray izay kanefa ny sasany dia bAla afo no alefany ary vatomafAna no atolony? hin!hin!hin!

Tena voakirakira tsara izany ilay fanaovana an'ity maligasizasion ity? Okay Ary e! alefaso fa ny anay efa mazava hoy ny filoha hajaina Ravalomanana: "Ny fanadontoana vahoaka ihany no ahafahana manao bizna ".

TsarA tompoko O!

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^

14. ratakktikk ( 15/07/2008 14:21)
Fotoana mahamety hiaraha-mientana hamerenana ny hasin'ny fiteny malagasy izao vanim-potoana lalovantsika izao. Satria ho faty sy hanjavona tsikelikely ireo fiteny sy kolontsaina tsy voaharo sy tsy omena lanja nohon'ny rivotry ny fanontoloana sy ny teknolojia vaovao.

Raha mbola holavina sy hokorontanina indray io fanomezana hasina ny soatoavina sy ny teny io dia aza manantena intsony any aoriana any fa hisy sahy hamerina hanao an'io.

Fa dia mivonoona amin'ny teny anglisy sy sinoa atao tenin-drazana.

Harosoy ny soso-kevitra hampamokatra azy fa aza ambanimbaniana sy esoesoina ny tenin-drazanao.
15. kidoropamba ( 15/07/2008 14:40)
Ka sosokevitra avy aiza indray ity ry unesco sy ry wiliama efa nametrapetraka ny rafidr'asa rehetra.
Izaho aloha miandry ny fomba fijerin'ireo izay midehaka be dipilaoma sy mpitantana orin'asa ka miseho manome lesona ankehitrio kanefa nandositra ny maligasizasion.

Raha tsy manome porofo ireo olona ireo fa mampianatra ny zanany Marina @ SFF ao antampoketsa ao mianatra ny maligasizasion dia mbola tsy resy lahatra aho. Masindahy TaomA aho ka raha tsy mahita dia tsy mino (akoatr'izay lazain'ny filoha hajaina mazava ho azy).
Ny zanaky ra-wiliama sy ireo izay miasa ao @ unesco ao moa izany dia efa nanao insikiripision ao @ SFF fa hivohy @ izay ilay tenindrAzana?

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
16. tsimati ( 15/07/2008 15:01)
Ianao kidoro mihintsy no tena miseho ho Be diplaoma. :-D :-D :-D
17. ratakktikk ( 15/07/2008 15:08)
Na tapitra hanome porofo anao daholo ary ny malagasy rehetra hanaiky ianao!!!!

Ny Nahary mpamorona aza miteny amin'olombelona noforonina mbola tsy mino ireo, koa maika fa olombelona samy olombelona mitovy izao ihany.

Ny vahiny(tsy malagasy) ihany aminao no to teny.

Satria izay petrakevitra (teoria) nosoratan'ireny ihany no marina sy mety ary tokony arahina aminareo avara-pianarana.

Fa izay mifanaraka amin'ny fomba amam-panao malagasy sy ny kolontsainy tsy mampandroso.

Izay no mety aminareo.
18. tsimati ( 15/07/2008 15:15)
Edrey re ry tonaka. Raha mihaino tenin'ny vahiny na maka mpanolontsaina vahiny dia hoy reo hoe : FA TSISY GASY ANGAHA NO MAKA VAZAH FOANA ? Raha mandroaka vazaha indray dia FA AHOANA NO ROAHANA FA MAHAY ANGAHA NAREO. Tsy mila harahina ny mampiditra mamoaka sahala izany.
19. ratakktikk ( 15/07/2008 15:25)
Fampiasana ho an'i tsimati: "Vakio indroa na in-telo ny laza adina fa aza maikamaika ny hanoratra fa lasa mivoana"
20. kidoropamba ( 15/07/2008 15:50)
ratakktikk:

Na tapitra hanome porofo anao daholo ary ny malagasy rehetra hanaiky ianao!!!!

Ny Nahary mpamorona aza miteny amin'olombelona noforonina mbola tsy mino ireo, koa maika fa olombelona samy olombelona mitovy izao ihany.

Ny vahiny(tsy malagasy) ihany aminao no to teny.

Satria izay petrakevitra (teoria) nosoratan'ireny ihany no marina sy mety ary tokony arahina aminareo avara-pianarana.

Fa izay mifanaraka amin'ny fomba amam-panao malagasy sy ny kolontsainy tsy mampandroso.

Izay no mety aminareo.


"hello!" "salut" hoy ny filoha hajaina raha miarahaba anay vahoaka malagasy. Tsy misy blema io satria teny malagasy dolidoly io.

Hajanoko aloha ny serasera androany fa mibotsiny be ny fanodroko no sady azon'ny kirampa fa mazana loatra ny atAkin'ireo mpanohitra androany.
Handeha hividy menaka (menaka TIKO satria tsy azom-bola ny paomAdy any @ farimasia) hanaovana masazy kely ireto fanondro ireto mba hiatrehana ny bagAra rahapitso.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
Gode blesse Ravalomanana^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0535