teny frantsay=fandrosoana....

21. karavasy ( 15/07/2008 16:11)
Atakin'ny mpanohana sa atakin'ny tsy mpanao politika sahalanao. Vakio tsara koa ny resak'olona vao mitsara ratkktikky :-D :-D :-D
22. badboy ( 15/07/2008 17:08)
Mora be ilay miteny hoe "teny frantsay no tsy mampandroso"! Ny gasy reg=hetra no tsy mampandroso an'i Mkara f'aza mirediredy! Taiza no mbola nisy TENY TSY NAMPANDROSO ZANY??? Ny teny angaha no mandray ny angady sy manatsatoka salohimbary mampididrano eny antanimbary ......:-o :-o :-o

Mba haindrataktik io moa fa mihoatra ny 50% malagasy ao madagasikara tsy mifakahazo resaka???? 8-) 8-) 8-)

Diniho ihany ilay ambara fa aza entimpo fotsiny! ;-) ;-) ;-)
23. ratakktikk ( 15/07/2008 18:55)
i badoboay no tafiditra anatin'ity sokajy ity:
Ary ireo izay mbola mihevitra fa rehefa miteny frantsay dia ambony sy manam-pahaizana no sahy manamavo ny tenin-drazany ka milaza fa tsy mifankahazo resaka ny samy malagasy.


efa nanao fanadihadiana nanerana an'i Madagasikara momba an'io angah i badboy no sahy mandroso antontanisa hoe
mihoatra ny mihoatra ny 50% malagasy ao madagasikara tsy mifakahazo resaka
.
Fa angaha azo tombatombanana tsy ampiheverana otran'ny tanimangahazon'i dadaben'i badboy angaha ny antontanisa.
Mila miverina manao stazy fanindroany ny mety amin'ny badboy fa mbola tsy ao mihitsy.

Mba tanisao eto hoe taiza daholo ny faritra efa mba hitan'i badboy teto madagasikara?
ataoko angamba fa 3 raha be indrindra.

Izay ilay voalaza etsy ambony
nahita fianarana ihany fa dondrona...
. Fatiantoka...!!!
24. penguin ( 16/07/2008 00:15)
Ny stazin'i badboy stazy ho eny amin'ny volana :-D :-D :-D . Teny Malagasy no ampiasain'ny Malagasy eran'ny rehetra eny fa tsy teny vahiny akory. Tsy ny teny no angady ra-badboy kanefa fitaovana fifandraisana azy dia sahalan'ny angady ihany izany. manoratra, mamaky, miresaka fa tsy mandray angady sy salohimbary dia miasa tsisy resaka. Mivarotra misy resaka, mividy misy teny. Fa inona no stazinao ra-badboy Elita hoy ny namana sasany. :-P :-P :-P
25. badboy ( 16/07/2008 05:59)
Tafahaona @ ireo karazany 18 ireo ny tenako aty @ misy ahy, ary rehefa nojerena dia 50% no tsy mifakahazo resaka satria tsy mahay ny tenin'ny hafa!! Marihina fa gasy mianatra sy manampahaizana daholo ireo!!!
Ka zao ary, rehefa rataktik no tena mahafehy ilay teny gasy 18, izay tsy dia inoako loatra satria tsy misy na gasy 1 aza mahafehy izany aloha hatr@ izao raha ny fahalalako azy, dia arosoy ilay teny gasy iraisana!! Tsy izany ve moa no tena zavatra tsara indrindra!!

Fa ny teny frantsay teny tahaka ny teny rehetra, saingy manakarena voambolana izy ka voafehiny tsara ny fomba famaritnazna ny tiana ho lazaina rehetra, isika aloha hatr@ mbola mindrana indraindray @ ilay fanagasiana!! Ary tsy ny teny no mampahantra fa ny olona!! Io filazana ny hoe ny teny frantsay tsy mitondra fandrosoana dia fialana andraikitra tsitr'izao!! Taiza no mbola nisy teny tenenina dia tonga de namapahantra na nahadondrona???? ;-) ;-)
26. tsimati ( 16/07/2008 07:56)
I badboy sy ny razambeny izany no nampahantra hahahahaha :-D :-D :-D
27. ratakktikk ( 16/07/2008 14:37)
efa mananika ny 20 tapitrisa ny isan'ny malagasy izao ry badboy ka tsy ampy hanaovana tsoa-kevitra na hanolorana antontanisa ho an'ny olona 20 tap. ny olona 18-nao na mihoatra.

Sa izany no rafi-pampianarana frantsay omena ano any?

Tandremo ihany izany fa mampamerin-taona amin'ny fiofanana a (stazy).
28. kidoropamba ( 16/07/2008 14:43)
Raha avy nandroba ilay 17 izany ratakitika dia mitady hanao bizna amin'ilay raika sisa tavela. Tena zanak'i rapirezy enao ity marina.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika 1 sisa tavela
God save Ravalomanana ^:^
29. karavasy ( 16/07/2008 15:18)
F'angaha moa tsy ny miantsoantso ela velona no tena zanaka ?
30. kidoropamba ( 16/07/2008 15:26)
Mpanohana izahay ary manohana mafy. Fa tsy zanA(hi)ny.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save the boss Ravalomanana ^:^
31. ratakktikk ( 16/07/2008 18:51)
Endre zany mba fisainan'i ranamana :
Mpanohana izahay ary manohana mafy. Fa tsy zanA(hi)ny.


io ilay teneniny sy averimberiny foana hoe : manohana avy ao aloha

Ny dikany dia hoe: vonona hamingana hatrany sy hisakana izay asa fampandrosoana rehetra atao eto madagasikara ny tenany.

Na inona na inona tetikasa aroso eo dia tsy mety daholo aminy fa ny heviny irery ihany no mety sy tokony arahina. raha tsy izy kidoropamba no tompomarika sy manapa-kevitra amin'izay atao eo dia diso avokoa izay mivoaka eo aminy.

efa mivadika atidoha mihitsy!!!!!...mahatsikaiky ity ranamana ity.
32. kidoropamba ( 16/07/2008 20:51)
Tsy misy "vingana" eo fa "fanohAnana".
anefa osa TSY hanolotra vato mafAna azy aho sahala @ ireo mpomba andry rajems ilay raika lahy soisa iny.

Ravalomanana ihany!
Ravalomanana Hatrany! ^:^
33. tsimati ( 17/07/2008 03:38)
Ary ilay raikalahy kidoro lasa sanana :-D :-D :-D
34. lizabeth ( 17/07/2008 22:21)
kidoropamba:


Toa tsy maharaka lesona indray ingahy zany le aza.
Ny maha tsara dia tsara ny fianarana ny tenindrAzana, ka ny teny malagasy izany, mihitsy no mahatonga ny olona hentitra amin'ny tsikera SATRIA tsy azo atao kitoatoa izy io.

Ny filoha hajaina ange raha nanao ny maligasizasion any dia (efa nolazaiko teto) tsy hoe ahabotrabotra anao fa ny hanadonto ny vahoaka mba ahamoramora kokoa ny fanaovana bizna.
Io ange no hanohanako azy satria lalintsaina be ity filoha hajaina ity.
Heveriko fa rariny ny an'i filoha hajaina satria: raha mikasa hanabotrabotra gisa lahy ange ianao tsy noho ny fitiavanao ny fahasalaman'ilay gisa lahy fa ny fitsinjovanao ny hatsirony ao anaty vilAny e. Vita matavy ilay gisa lahy!

Izay ange ity maligasizasion-tsika ity e: Tsy ny fanabeazam-pirenena no tanjona fa ny ahadonto adiverisera ka ahamora kokoa ny bizna.

Enao ngah nihevitra fa raha maligasizasion no nahazo an'ireny bandy nalefa tany Abilene ireny, nisy tafavoaka velona teo? Samy nikilandy tany zamerika ry zalahy raha lasa tany satria tsy ilain'i zamerika izany teny gasinao izany.
Fehiny: Teny angilisy no ilaina raha handeha any Abilene (nefa olona vitsy kely no nalefa); teny frantsay no ilaina raha andeha handrato fianarana any frantsa (kanefa limitE-na ny isan'ny olona), teny gasy kosa no ilaina raha hanadonto ny adiversiera (ary maro be ry zareo).

Raha ohatra kosa tena te-hanao politikan'ny tenindrAzana dia aoka mba atao tsara sy iarahana mandinika tsara ilay izy satria "fanabeazampirenena" (fa tsy fanadontoana) no tanjona.

Tena tsy maharaka politikan'ny filoha hajaina nareo ka tokony manao "cours acceleré" ao iavoloha fa tena tsy alehany.

Tohizo ny lalantsika ra prezy hajaina
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^


fa mitovy lenta amin'ny fisainan'ny kidoropamba angaha ny fisainan'ny filoha sy ny mpitondra fanjakana e ! ny antsika mbola dinika eto amin'ny forum no atao !
ny kery saina ihany no tsy mahasahy mandroso eo amin'ny fiainana fa miandry zavatra toa 100% vao hanao zavatra ! teny malagasy anie no resahina ka mila miomana firy taona vao hatomboka izy io ? ny teny vahiny aza sahy hidirana ka ny an'ny tena indray ve no hatahorana ! tsy azoko fa amiko tsy fananana toky ny an'ny tena no betsaka, miampy fankahlàna tsindraindray eny...
rehefa miresaka amin'ny fiteny iray ianao dia tsy vitan'ny mandahatra voambolana fotsiny fa na ny hifehezanao ny fitsipipitenenany aza dia ilàna ny hanananao ny fisainan'ilay firenena ! tsy hiditra lalina amin'ny hoe mandika ve ny malagasy sa misaina frantsay rehefa miteny frantsay, fa ny tena olona dia ilay tenindrazanao tsy voafehinao, izany hoe ny maha malagasy anao mihitsy no lasa misy olana !
35. tsimati ( 18/07/2008 01:31)
Na teny Malagasy io na teny Frantsay na teny Sinoa rehefa samihafa ny tiana ahatongavana dia tsy tafavoaka. Tsy nanjeran'olona bomba i Madagasikara ary 90.000 hono no maty izay vitsy kely raha oharina amin'ny maty tany @'ny tany hafanohon'ny ady hakana fahaleovantena. Noho izany tsy misy saina hiraisana ny Malagasy fa revy mifanipaka hatrany no miseho. Io no olana fa tsy ny resaka teny akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.4222