Raha hanome hira ho an'ny Radiovazogasy

1. hery ( 26/06/2008 10:47)
Salama daholo,

Raha ohatra ka misy te hanome hira (mp3 sns) ho an'ny Radiovazogasy.com dia raisina an-tanandroa mihitsy. Misy fomba maromaro handefasana azy:

- Ny tsotra indrindra dia alefa ao amin'ny ftp://studio2.radiovazogasy.com raha mila fanampiana manokana momba ny fampiasana an'io dia afaka miresaka amiko.

- Azo atao koa ny mandefa ny hira amin'ny email @ adiresy contact@radiovazogasy.com

Dia miandry izany an...
:-) d amp'
novalian'i Lejoba ny 15/07/2008 11:08
2. carson ( 27/06/2008 00:23)
Dia hira amin'ny teny inona avy no azo atao?
3. hery ( 27/06/2008 09:37)
carson> rehefa hiran'ny tarika malagasy

- Misy Les Surfs ao, miteny vazaha kanefa tarika gasy
- Misy Mbolatiana ao miteny vazaha koa
- Mahaleo koa asa miteny vazaha @ hira sasany

4. Lejoba ( 15/07/2008 11:08)
Salama Hery
Mankasitraka indrindra anareo mpandrindra sy mpikarakara ity tranokala ity fa tena mahafinaritra.
Mpankafy les Adeline mipetraka aty France aho ary tena tiako ny mijery clip-ndry zareo anaty dailymotion, na mihaino fotsiny anaty radiovazogasy. Malahelo aho fa tsy ao intsony ilay hiran-dry zareo "raisonao". Simba angamba ilay fichier na tsy haiko. Misy hevitra ny hamerenana azy ve? Ary tsy misy hira hafa afaka ampidirinareo ao angaha?
Misaotra eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0146