divorce any am-piangonana????????????

1. manidina ( 13/06/2008 17:48)
iaraha mahalala fa tsy voatery ho diavolana mandrakariva ny fiainan'ny mpivady,misy ny olana sns,..eo ny olana azo vahaina misy kosa anefa ny tsy azo ihoarana izay mitarika @ divorce,ka hoy aho manontany hoe: afaka manome divorce koa ve ny pretra na ny pasitera,(satria ry zareo iany manko no nampanambady na koa hoe nanamasina ny fanambadiana),sa tsy afaka mampisaraka, raha tsy afaka manome fisarahana izy mbola mpivady iany ve le mpivady izay efa nanao divorce t@ fanjakana eo anatrehan'ny fiangonana sa tsia?
satria ny fisoratana iany eo antrehan'ny fiangonana tsy ampy ny aha-mpivady ara-dalana ny mpivady iray raha tsy hoe hamasinina any am-piangonana,ny fisarahana ahoana???mbola entina am-piangonana kosa ve sa vita ho azy?
novalian'i xxx ny 20/06/2008 17:52
2. mignone ( 13/06/2008 19:15)
tsisy hidirany mopera sy pasitera fa refa misaraka any am taratasimpanjakana ianao dia vita ho azy , môraly ngambany no azonao raha entinao any ny resaka :-D :-D
3. zandikely ( 13/06/2008 19:55)
Aza afangaroko ny conception Mariage amin'ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Ary tsy mitovy koa ny resaka Mariage amin'ny fiangonana tsirairay
Amin'ny Katolika dia tranga 4 tsy maintsy jerena:
1- Raha olona vita Batemy izy roa nanao mariage ary efa niaraka ara-nofo dia tsy misy olona afaka mandrava izany Mariage na ny Papa. Empêchement de droit divin no ilazany Katolika izany.
2- Misy anefa ny lalana aza ampisarahana olona vita Mariage tany ampian-gonana raha ohatra ka tsy Consommé ( izany hoe tsy afaka nanao firaisana ara-nofo ireo olona ireo, fa mila voaporofo, io dia azo sarahina, dia azo sarahina.
3- Mety misy olona 2 nanao mariage ka nefa mbola tsy vita Batemy, aty aoriana mangataka atao batemy ny anakiray te-hanambady olona Vita batemy dia azo ravana ny mariazin'izy roa ( Io no ataon'ny katolika hoe privilège Paulin)
4- Mety misy koa olona vita mariage fa ny iray iany vita Batemy, ny anakiray tsy vita Batemy. Azon'ny anakiray vita Batemy mangataka ny handravana ny mariage n'izy ireo raha ohatra ka te-hanambady olona hafa Vita batemy izy, misy fepetra maro tsy maintsy ara-hina iany izany.

Ny Mariage ampiangonana dia tsy misy hidiran'ny Mariage amin'ny Fanjakana velively afa-tsy amin'ireo firenena manaiky ho nanao Concordat amin'ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Misy firenena sasany, manaiky ny mariage vita ampiangonana hanana effet civil ohatra. Raha any Madagascar dia institution tena samy hafa mihitsy.

4. hery ( 14/06/2008 05:28)
raha tsy afaka manome fisarahana izy mbola mpivady iany ve le mpivady izay efa nanao divorce t@ fanjakana eo anatrehan'ny fiangonana sa tsia?


Ie, mbola mpivady foana izy roa eo anatrehan'ny Fiangonana. Ary atao hoe mijangajanga raha toa sanatria ka maka olona hafa hovadiana. Noho izany dia tsy mahazo mandray komonio raha tsy hoe maty ilay vady faharoa na nisaraka indray.
5. ainaheri ( 14/06/2008 05:44)
Ilay pretra ve ry hery no miteny oe tsy mahazo mandray komonio sa iza? Ary raha mifindra fiangonana hafa izy nefa ilay pretra tsy mahalala ny fandehan-javatra,nanota ve zany ilay veh na ilay leh?
6. manidina ( 14/06/2008 16:23)
hery>> ary raha oh ka tsy mahazaka ny hitokatena de aona? tsy tsara manko hoy ny soratra masina raha irery ralehilahy!tsy hitanao ve fa mijaly izy @'izany ?de tsy hisy vahaolana ve? sa kosa de hirary ny fahafatesan'ny anakiray fotsiny!
ary raha mbola mpivady ary izy ireo eo anatrehan'ny fiangonana de mbola miantonka ny depense rehetra izany ve le rangahy mandrapahafatin'ny le ramatoa sa ahoana?
fa manin marina ary ny fisoratana tsy eken'ny fiangonana nefa ny fisarahana no ekeny ,izay le tsy azoko @ty resaka ity
7. xxx ( 14/06/2008 18:39)
manidina:
hery>> ary raha oh ka tsy mahazaka ny hitokatena de aona?

dia aza misaraka amin'ny vady efa ananana !
manidina:
tsy tsara manko hoy ny soratra masina raha irery ralehilahy!

ny soratra masina koa toa niteny hoe tsy tsara ny misaratsaraka ka. Ooops, tsy hoe tsy tsara mantsy fa tena hoe tsy azo atao mihitsy e.
manidina:
tsy hitanao ve fa mijaly izy @'izany ?de tsy hisy vahaolana ve? sa kosa de hirary ny fahafatesan'ny anakiray fotsiny!

raha te hiaina ny finoany ny olona dia mijaly kokoa izy raha miaina ao anaty fijangajangana ... milona ao anaty fahotana mahafaty.
manidina:
ary raha mbola mpivady ary izy ireo eo anatrehan'ny fiangonana de mbola miantonka ny depense rehetra izany ve le rangahy mandrapahafatin'ny le ramatoa sa ahoana?

raha araka ny fiangonana dia tsy tokony nisaraka akory izy ireo ! izany hoe miray trano ary miaraka miatrika ny fiainana.
manidina:

fa manin marina ary ny fisoratana tsy eken'ny fiangonana nefa ny fisarahana no ekeny ,izay le tsy azoko @ty resaka ity

inona no tianao ambara amin'ny hoe "eken'ny fiangonana" na "tsy eken'ny fiangonana" ?
8. rakapy ( 14/06/2008 19:44)
Ny zavatra azo atao dia : Izarana invitation toy ny t@ hanao mariazy indray ny fianakaviana sy ny namana. Dia manao fety indray, toy ny t@ mariazy fa ny lohateny dia "DIVORCE" :-D :-D :-D Ny gateaux dia tsy iray fa roa ary samy mitodra sy mizara ny azy amin'ny havana sy ny sakaizany. Tsy miara mandidy sy manapaka intsony no lazaina fa kosa "SAMY MAKA NY ANJARANY ARY SAMY MIHINANA NY AZY" :-D :-D :-D
9. niryna ( 14/06/2008 20:01)
ainaheri:

Ilay pretra ve ry hery no miteny oe tsy mahazo mandray komonio sa iza? Ary raha mifindra fiangonana hafa izy nefa ilay pretra tsy mahalala ny fandehan-javatra,nanota ve zany ilay veh na ilay leh?

ny fandraisana kominio na fandraisana ny fanasan'ny tompo dia tokony olona madio saina vao afaka andray an'io.Izany hoe mandini-tena alohan'ny andraisana azy fa izany hoy ny soratra masina no miteraka fahafatesana(ara-nofo izany)na mety mankarary mihitsy aza.Tsy azo ataotao foana izany ny fandraisana an'io raha tsy tena vonona ny andray azy aminy fo madio.
Izay no fahafantarako azy a
10. ikaretsaka ( 15/06/2008 02:46)
ainaheri> http://fr.wikipedia.org/wiki/Excommunication ny lalanan'nty excommunication katolika
11. yonikafopl ( 15/06/2008 11:21)
hevitra mety ny an-drakapy hihihhihhihih =))
12. manidina ( 15/06/2008 18:18)
efa nolazaina tery ambony fa hoe misy ny olana izay tsy azo ihoarana,fa refa tsy tratran'izany dia misaora an'A/TRA! fa tsy misy milaza ny mahatsara ny divorce eto akory!ka le izy tsy vitan'ny we aza misaraka izany,@ sasany mora ny miteny! fa ny aza tratrany iany no firarian-tsoa omenay!
raha marina ny voalazan'i hery fa ny olona mijangajanga tsy mahazo mandray komonio fa mila madio fo sy saina koa araka ny voalazan'i niryna dia ny:pretra izay mijangajanga no tsy tokony handray sy hihinana voalohany,ary tsy tokony hampandray mihintsiny, ary raha izany tokoa no lalanan'ny katolika dia manimba ny sorona masina mihintsiny ireny pretra ireny,(tsy izy rehetra akory) fa izay manao an'izany,tsy hoe manenjika ny pretra aho akory sanatria @ filazana hoe mijangajanga fa ny zvtr fantako no lazaiko,ary iaraha-mahalala fa tsy mahazo manambady ny pretra, ka fomba ahoana izy no mikasika ny vehivavy izay tsy vadiny??? sa kosa mahazo misipa? ny sasany ary mikasika lehilahy mihintsiny,matory @ lehilahy sns...zava-misy doly izany ! dia ahoana ny komonio @'izany? izy no mitarika ny sorona masina sns....de tsy masina ve izany ny fanompoam-pivavahana @ iny fotoana iny sa ahoana?
13. fijo ( 15/06/2008 19:43)
hevitra tena tiako io an'i rakapy io,ka asa raha azo atao,fa milay.

amin'ny fiangonana dia tsy azo ekena ny fisarahana;"eo le fanakonana maso ataon'ny fiangonana tsy ekeko"azo atao kosa ny manafoan ailay fanambadiana fa toa mbola vitsy no efa nahavita izany.

ny fiangonana koa ,toa ny ortodoksa dia tsy mila mariazy any amin'ny lapan'ny tana aizany,fa io ao ampiangonana io dia vita.izany hoe mihova firenena ianao dia salanitra
14. xxx ( 15/06/2008 19:51)
manidina:
efa nolazaina tery ambony fa hoe misy ny olana izay tsy azo ihoarana,fa refa tsy tratran'izany dia misaora an'A/TRA! fa tsy misy milaza ny mahatsara ny divorce eto akory!ka le izy tsy vitan'ny we aza misaraka izany,@ sasany mora ny miteny! fa ny aza tratrany iany no firarian-tsoa omenay!

Diniho ny soratrao fa lavinao ny andalan-tsoratra sasany satria tsy mamela anao mijangajanga ... valinao fotsiny hoe misaora an'Andriamanitra raha tsy sendra izany ; ahodinao kosa ny andalan-tsoratra hafa hahafahanao mijangajanga ! :)

Na mopera na tsia dia mitoetra foana ny hoe tsy mahazo manao komonio rehefa mijangajanga ka.
15. ari.malala ( 16/06/2008 09:02)
Misy zavatra tsy mazava kely amiko ilay fanazavan'i zandikely ilay hoe
3- Mety misy olona 2 nanao mariage ka nefa mbola tsy vita Batemy, aty aoriana mangataka atao batemy ny anakiray te-hanambady olona Vita batemy dia azo ravana ny mariazin'izy roa ( Io no ataon'ny katolika hoe privilège Paulin)
4- Mety misy koa olona vita mariage fa ny iray iany vita Batemy, ny anakiray tsy vita Batemy. Azon'ny anakiray vita Batemy mangataka ny handravana ny mariage n'izy ireo raha ohatra ka te-hanambady olona hafa Vita batemy izy, misy fepetra maro tsy maintsy ara-hina iany izany.
Izany ve ts mananiany? otran'ny hoe omeko tsy omeko izany...:roll:
16. xxx ( 16/06/2008 11:34)
Ari.malala : =)) =)) =)) ilay fomba fitenin'i ari.malala azy.

Mikasika ilay 3, ilay hoe tsy mbola vita batemy izy roa : raha tsy diso aho dia mila atao batemy izy aloha izay vao manao mariazy raha tiany izany. Toa tsy misy mariazy katolika ho an'ny olona roa tsy vita batemy katolika izany raha ny fahalalako. Rehefa vita batemy izy roa dia tafiditra ao amin'ilay lamban'akoho amin'izay ny mariazy.

Mikasika ilay 4, izany hoe vita batemy ny iray fa ny iray tsy vita. Raha ny fahalalako dia mipetraka ny mahasakramenta ny mariazy amin'ilay efa vita batemy. Raha toa nefa ilay tsy vita batemy te hisaraka, dia afaka mandeha izy ary amin'izay vao mety ho azo manambady hafa ilay vita batemy.

Amin'ny ankapobeny dia rehefa vita batemy ilay olona manao mariazy, dia mitoetra ny mahasakramenta ny mariazy ao amin'ny katolika (Ankoatra ilay hoe tsy noteriterena sns izany angamba). Ny olona tsy vita batemy no heveriko fa tsy voafehin'io hoe lamban'akoho io satria aminy ny mariazy dia tsy sakramenta akory. Mety tsy miraraha an'Andriamanitra akory koa izy ...

Mba ahitsio raha diso e :oops: :oops: :oops:
17. ari.malala ( 16/06/2008 14:42)
xxx>:-D ko hita eo fa izany le fahazoako anazy ko hihihihi:-D:-D@ katolika anie izay natambatr'Andriamanitra aoka tsy hosarahin'olombelona e! d sady sakramenta tsy azo ravàna ny mariazy nef i zandikely toa mahita cas azo andravana ilay izy ko! mahagaga ana iany:-P

Ka izay ndrindra mantsy anie no tsy azoko e! tsy misy fiangonana katolika manaiky mariazin'olona tsy vita batemy izany mintsy! satria ny batemy no sakramenta raisina voalohany indrindra alohan'ny rehetra! donk ts mitombina ilay hoe
Zandikely:
3- Mety misy olona 2 nanao mariage ka nefa mbola tsy vita Batemy, aty aoriana mangataka atao batemy ny anakiray te-hanambady olona Vita batemy dia azo ravana ny mariazin'izy roa ( Io no ataon'ny katolika hoe privilège Paulin)


Fa eo @ ilay hoe non consommé, ahoana moa no anaporofoana fa ireo olona roa ireo niray trano tao nefa tsy nanao firaisana? raha voasaraky ny elanelan- tany d azoko nekena iany fa raha miray trano izy otran'ny sarotsarotra iany ny hanaporofo!

D le 4 iany kou otran tsy mampino ana zany hoe mitombina e! omeko tsy omeko hoa! ny pretra ve no manome alalana hoe ravàna ny mariazy satria te hanambady olona vita batemy ilay vita batemy? tsy haiko alou fa raha ny fahalalako, alohan'ny fanamasinana ny mariazy dia resen'ilay pretra lahatra alou ilay tsy vita batemy mba hiroso am fiainana maha kristianina d ny fandraisana ny sakramentan'ny batemy ary ny firosoana am sakramenta samy hafa refaveo...(atao hoe mpino aza ilay ankilany fa ts katolika mbola resena lahatra hiverina ho katolika ko mainka fa tsy vita batemy v d ho azo atao mariazy??? ts mitombina) Fa raha ny fahatadidiavako azy aloha d raha vao misy 1fotsiny @ ireo olona hivady miteny hoe noterena dia efa tsy manjary ilay mariazy e (mba ahitsio raha diso azafady:oops: )
18. ikaretsaka ( 16/06/2008 15:00)
Fa eo @ ilay hoe non consommé, ahoana moa no anaporofoana fa ireo olona roa ireo niray trano tao nefa tsy nanao firaisana? raha voasaraky ny elanelan- tany d azoko nekena iany fa raha miray trano izy otran'ny sarotsarotra iany ny hanaporofo!

rehefa hitan'ny be sy ny maro io en principe ary @ izoa dia izay ...
jereo ny katesizinao manomboka eo @ andininy faha 1646
19. xxx ( 16/06/2008 19:51)
Aiza ho aiza ny miresaka an'io hoe consomme io ? Koa le 1646 sy ny manodidina azy aza toa resaka hoe fidelity, dia manomboka 1652 indray dia lasa fertility koa ! Hahay katesizy ihany ny farany lol.
20. ari.malala ( 17/06/2008 06:14)
hitan'ny be sy ny maro ahoana moa ry ika? ts azoko mintsy! intimité an'ny mpivady anie izany e! ko fomba ahoana no anaporofoanao fa tena non consommé ilay mariage? (ilay hoe non consommé voaresaka eto ve aloha hoe tsy mbola niray ara-nofo sa inona e!:opps: )
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0749