Fampihenana kibo

1. nikah ( 28/05/2008 11:35)
Sao mba misy afaka manoro hevitra @ fampihenana kibo ankoatry ny manao abdomino ?????
novalian'i arialy ny 01/07/2008 10:25
2. kiadi ( 28/05/2008 13:35)
mihazakazaka sy milomano!!surtout milomano!! de aza mijery anah manoro hevitra io fa nenah tsy tavy tsony io!! :-D :-D
3. yonikafopl ( 28/05/2008 14:14)
tsy tavy fa inn ry kiadi?????
4. ramistiana ( 28/05/2008 14:55)
Laisoa,salady ,anan-drano.(tsy mihinana vinaigitra)
Voankazo marikivy tsara hohanina isan’andro :
Voasary,paoma,voaloboka,….
*Aza matory alina loatra :mifohaza maraina be.
*Aoka hilamina ny saina :Film na gazety mampihomehy foana jerena.
Aza mamaky gazety na boky na film mampatahotra ,na mitantara loza sy feno herisetra ,fa manimba ny filaminan-tsainanao.
Miampy an'ilay fanatanjahan-tena kely 15mn par jour.
Ny abdomino aza adino.
Rehefa te-hanena kibo tsy maintsy manao abdo na kely fotsiny aza,raha vao tsy marary tsy mety an.mila fikirizana kely.
Dia mazotoa ary e!
5. xxx ( 28/05/2008 20:21)
Tsy misotro rano eo ampihinanan-kanina hono !
6. niryna ( 29/05/2008 04:55)
Miampy ireo dia adin'ny efatra alohan'ny atoriana no mihinana sakafo farany,tsy manao voky be fa rehefa noana dia mihinana tsikelikely.Misotro rano betsaka saingy atao tsikelikely fa tsy indray migoaka
Ireo sakafo maintsy toy ny salade,miaraka ny karoty,poivron,poivre,tongolo gasy kely,tongolo maitso kely,tongolo be ary miaraka ny voasarimakirana sy menaka kely .
Raha mahita paoma marikivy tena tsara ny mihinana azy isa-maraina
Misotro rano mangatsiaka vao maraina ampiarahana voasarimakirana
7. nikah ( 31/05/2008 06:20)
Dia misaotra anareo fa handramana daholo hijerena azy e!
8. kalasnou ( 29/06/2008 15:29)
nikah:

Sao mba misy afaka manoro hevitra @ fampihenana kibo ankoatry ny manao abdomino ?????


coucou
ny tena efficace dia ny mihazakazaka, raha zatra manao abdomino ianao dia mety tsara fa raha vao tsy manao dia tonga dia be kibo be rehefa avy eo
9. arialy ( 01/07/2008 10:25)
ahenao alo ny sakafo hanina dia mihena kely io dia zay vao manao abdominos fa raha tsy zany lasa mafy be ny kibobe ee :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2127