HEKEKO SATRIA

1. potakely ( 24/05/2008 17:01)
Manaona daholo ianareo é !
Misy olona ve mba mananana ny tonon'ilay hira manao hoe :
Ny tianao no tiako satria....ny lalanao no lalako, ny alehanao no alehako
Hekeko satria ny anarany. Misaotra é.
novalian'i ikalamako ny 26/05/2008 12:42
2. ikalamako ( 26/05/2008 12:41)
Gahby sy Fleur no mihira azy :)

Ny tianao no tiako satria
Ny làlanao no làlako
Ny alehanao no alehako
Matoa ny foko manaiky dia tia
Satria izay nekeko tsy miova ho doria

Ianao no mamin'ny foko
Ianao no ikaloako
Ianao ianao irery ihany
Ianao no tiako eto an-tany
Tia anao, anao tsisy fetra
Amin-javatra rehetra
Tia anao, ho tiako ianao
Mihoatra izao tontolo izao.
3. ikalamako ( 26/05/2008 12:42)
oups Gabhy sy Fleur (diso tsipelina ny anaran'i Gabhy :( )
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0067