Manaona daholo ianareo é !
Misy olona ve mba mananana ny tonon'ilay hira manao hoe :
Ny tianao no tiako satria....ny lalanao no lalako, ny alehanao no alehako
Hekeko satria ny anarany. Misaotra é.
Ny tianao no tiako satria
Ny làlanao no làlako
Ny alehanao no alehako
Matoa ny foko manaiky dia tia
Satria izay nekeko tsy miova ho doria
Ianao no mamin'ny foko
Ianao no ikaloako
Ianao ianao irery ihany
Ianao no tiako eto an-tany
Tia anao, anao tsisy fetra
Amin-javatra rehetra
Tia anao, ho tiako ianao
Mihoatra izao tontolo izao.