saosy voanjo

1. mabloo ( 20/05/2008 07:24)
sao de misy mahalala ry zareo ny fanaovana saosy voanjo ah!
mba atoroy raha azo atao e! misaotra mialoha e!
2. Ratoa ( 20/05/2008 09:57)
endasina ny voanjo, voasana tsara, totoina: manjary pâte izy.
Quantité miankina amin'ny tsirairay. Misy efa vonona (prêt à l'emploi) koa eny @grande surface.
Afangaro rano mba hatsora tahaka ny ronono.
Andrahoina mpaha masaka azy ka mitera menaka izy. mitsikafona ety ambony ny menaka.
Tahaka ny nahanadro gasy ihany saingy ampiana voanjo ny rano mahamasaka ny sakafo, na hena izany na légume, na anana
3. ramistiana ( 20/05/2008 10:05)
Tsotra ilay izy e!
Totoana tsara ny voanjo,voanjo manta ilay izy a!
Dia handrahoana amin'ny rano atao kelikely;mba harihitra
Avy eo ianao manao saoy voatabia sy tongolo mitokana azo asiana sakamalao kely na tongolo gasy,rehefa vita izay dia afangaro amin'izay ilay izy,
dia vita,mazotoa homana tompoko.
Ny fanaovako azy io an!
Mbola misy manana fomba hafa
4. xxx ( 20/05/2008 12:00)
asio sakay kely fa tsy manitra raha tsy misy sakay
5. kiadi ( 20/05/2008 17:07)
hummm! de eo amizay le masikita zany ! :lol:
6. kelly13 ( 20/05/2008 17:17)
mahanoana kou nareo, za ato nefa d miafy kely ery @ tortilla sy tartare pfff
7. mihanta ( 20/05/2008 17:40)
ny ahy indray ilay sauce voanjo dia toy izao.
voanjo nendasina voatoto eo am tapa kapoaka na ireny voanjo efa nendasina anaty sachet reny.
tongolo oignon1
tongolo ail 3gousses
voatabia masaka tsara ankiray.
jus de citron
mixé ko aloha ny tongolo ail sy oignon(sinon raha manana laona sy fanoto vao maika tsara).
mixé-na ihany koa ny tomate,esoriko aloha ny vôniny.
d afangaro daholo ny voanjo, tongolo ail,oignon,voatabia dia afangaro tsara.refa vita izay d rarahana jus de citron mba hampatsora azy.
asiana sira araka izay itiavana azy.
ampiana sakay ho an'izay tia masiaka.
tsy andrahoiko fa tonga dia efa vonona io dia ampiarahiko am nems matetika na hena ritra na izay tiana afangaro aminy.
na izay zavatra atonotono rehetra.

8. cutie ( 20/05/2008 18:32)
mihanta sali njy
nde mba ataoko koa io sady @ zao summer zao mety hilay io :wink:
9. voara ( 20/05/2008 20:14)
slt daholo , nenah ty no fanaoko :Voanjo voatoto (masaka an) andrahoana miaraka @ votabia 1 sy tongolo 1 de ampy ato somary ketsaketsa de rapeo ny karoty 2 lehibe de afangaro @ ilay voanjo ,somary andrahoina kely fotsiny de vita ,le mitsako le karoty mboa mantamanta iny tena tsara mihintsy ;mazotoa homana
10. kiadi ( 20/05/2008 20:30)
eo le vandro eh!! eo le vandro!! tsy nem tsony fa voandro indray
11. fahamarinana ( 21/05/2008 07:16)
:arrow: ity misy 1 hitako koa,za lay mpanome fontsiny fa mbola tsy nanandrana nanao azy an dia mazotoa daholo o. (l)

[size=13px]Sauce pistache au lait de coco[/size]

Recette Pour 4 Personne(s)
Temps de préparation : 45 min
Temps de cuisson : 1h30 min



Liste des Ingrédients-
-De la pâte de pistache
- Du lait de coco
- 1 kg de viande de boeuf
- De la tomate fraîche
- De l`oignon
- Du piment frais
- Un cube maggi crevette

Préparation
Délayer la pâte de pistache dans le lait de coco et un peu d`eau
Mettre au feu dans une casserole de la viande de boeuf préalablement lavé et découpé
Ajouter de l`eau de manière à bien couvrir la viande
Ajouter de l`oignon et du piment
Recouvrir la casserole et attendre pendant 30 minutes
Retirer l`oignon et le piment et les écraser
Ajouter la pâte d`arachide délayée, l`oignon et le piment écrasés
Ajouter ensuite les tomates fraîches que vous aurez préalablement écrasé
Ne pas couvrir la casserole et attendre pendant 30 minutes
Ajouter le sel et le cubbe maggi crevette
Attendre 15 minutes une fois la sauce épaissie c`est prêt
Vous pouvez la déguster
NB: il est important de laisser bouillir le mélange de pistache avant d`ajouter le sel, sinon la sauce devient des grumeaux de pistache
Pour obtenir le lait de coco, il faut râper une noix de coco et ensuite bien la presser
pour faire vite cuire la viande de boeuf, ajouter une feulle de manguier

12. fahamarinana ( 21/05/2008 07:53)
:arrow: adinoko,alàna fontsiny lay viande an,dia ilay pate de pistache azo soloina amin'ny dakatine (am boite eny am sinoa )na koa mitoto pistache fa ny quantité ndray dia tsy haiko an (l)
13. kiadi ( 21/05/2008 12:23)
matavy raha enao no mpanao sakafo ry fahamarinana! :-D :-D :-D
14. fahamarinana ( 21/05/2008 15:36)
:arrow: ka za efa glady rahateo ka akory atao !kibo zatra matavy dia tsy mety tsony raha sakafo maivana sady en plus re7 africaine anie io nomeko io,tena aminazy tsara mihintsy,hum....., :wink: ,fa na izany aza ny an'ny rakotomanana kosa mbola matavy noho ny re7-ko klé :-D :-D (l)
15. kiadi ( 25/05/2008 08:27)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
16. RAKVOL ( 27/05/2008 22:54)
tsotra be manao saosy voatabia sy tongolo arotsaka ny totomboanjo (voanjo masaka io ) @ sachet defa mandeha NB moramora à menaka anedasana ny votabia sy tongolo fa rehefa mifangaro à voanjo d menaka mitsingevana rehfa ajanona ny afo ;
17. ramistiana ( 29/05/2008 15:19)
Ary le fahamarinana koa tena enjana a!,mahita recettes hafa foana.
Tena hainao ve ny manao ireny e!
sa hoe recettes hitanao tamin'ny site fotsiny.
Mba omeo an'ilay adiresy ary izahay raha misy e!.
Fa ny an'i ROVKL kosa aloha ;tena........ tsotra loatra ka.
Nefa anie mba vehivavy ihany e!
Mianara ihany ianao mahandro sakafo ka;Io tsy fahaizana mahandro io koa anie ka mahatonga olana ao an-tokantrano indraindray e!
18. kiadi ( 29/05/2008 15:43)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
fahamarinana efa misy tompony ko! :-D :-D :-D zay no lazaiko oe sambatra zay vadin'io! :-D :-D
19. ramistiana ( 30/05/2008 05:42)
Kiadi>:-D :-D :-D
Inona kosa ny mampihomehy anao amin'izany e!
Tsy misy hifandraisan'ny resaka ary ambadika ny aty e!
Resaka sakafo ny eto;ary adiresin'ilay site no hangatahiko fa tsy adiresin'i fahamarinana,sao disodiso hevitra ianao?
20. fahamarinana ( 30/05/2008 06:36)
:arrow: ramistina :
misy efa natao dia misy jerena fontsiny rehefa compliqué sy mangataka andro be,andraso fa alefako eto lay rohy amin'ny manaraka e!!! Ny ahy re7 africaine tena mba tiako fa matavy no matsiro be.
Ny any ravkol koa tsara sady rapide kah,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3231