fofona faha-kely

1. sakaizakely ( 16/05/2008 12:23)
souvenir olfactif no tiako lazaina

inona ry zareo no fofona mampatsiaro anareo taloha na mamohafoha fahatsiarovana taloha tam fahazazana ?

ny ahy tsaroako ilay fofona kitapo sandrify tsy mety hadinoko foana
ny fofona kahié sy boky vaovao koa tiako, dia faly ery rehefa tonga ny fidirana fa vaovao daholo ny fitaovana

ny ankizy any ivelany rehefa anontaniana dia fofona sokolà no tena associer-ndreo am fahatsiarovana fahazazana ary ankafizindry zareo tokoa izay sakafo misy sokola rehetra

misy lanjany lehibe eo am fitadidiana sy am taranja ianarana hono ny fofona raha arak'ito boky ito
http://www.amazon.fr/Lalphabet-cinq-sens-R%C3%A9gine-Z%C3%A9kri-Hurstel/dp/2221104269


Après une durée d'un an, on conserve 90 % de sa mémoire olfactive et 40 à 50 % de celle du goût, du toucher et du mouvement.
la conservation de la mémoire visuelle n'est que de 2 à 3 %, le souvenir auditif de 4 à 5 %


Dia izany hono no mahatonga ny fahatsiarovana ho mavesandanja kokoa raha mampiasa ny mémoire olfactive. Dia izany koa no mahatonga ny taranja sasany mora tadidy kokoa.

Tokony ny alphabet sensoriel hoy ilay mpanoratra no ampiasaina hampianarana ny ankizy hianatra abidia, satria maro an'isa ireo mpianatra mbola tsy mahay mampiasa abidia ka tsy tafita lavitra am fianarana. Ny taranja rehetra mantsy dia miantso ny jery sy ny haino ihany ka izany no mahasarotra ny fianarana ho an'ny ankizy sasany

Ny fahaizana abidia no fototra am fahaizana mianatra ka tokony amboarina tsara



novalian'i Nickovy ny 24/05/2008 17:32
2. tomtom ( 16/05/2008 12:33)
zah tsy matadidy zany, simba vé ny oroko :roll:
néna kay ny fofon'i sakaizakely tena tsy mety adinoko mihintsy :-D :-D
3. tsiambaratelo ( 16/05/2008 12:35)
Ny ahy le fofona bodofotsy kely,leu hamonosana zazakely,tiko be leu fofo
4. nikopol ( 16/05/2008 12:38)
ny ahy misy fofona tadidiko tsara fa tsy lazaiko eto
5. tsiambaratelo ( 16/05/2008 12:38)
Tiko be leu fofona,de sady mampiresaka eo,no maka fofona:-D:-D:-D
6. tsiambaratelo ( 16/05/2008 12:39)
Tiko be leu fofona,de sady mampiresaka eo,no maka fofona:-D:-D:-D
7. xxx ( 16/05/2008 12:58)
Ny ahy le fofona la craie no tena tadidiko de aveo hikarepohana kely fa ohatry ny matsiro ery ny mihinana azy.
Fa rehefa somary maotimaoty aho de le fofo-po...ta...ka vôlou @ avy orana iny tena tiako fa manitra be :-D :-D :-D :-D :-D
8. sakaizakely ( 16/05/2008 13:01)
ny tam fahazazana no resahiko eto raha tsy mahadiso aza avadika hanihany ry niko a :-D

tadidiko koa ilay milalao ranomainty sitlo bika, potserina ny tsinainy dia mivoaka daholo ny ranomainty, dia tadidiko ny fofony. tsy hoe tsara, fa tadidiko dia tiako satria mampahatsiaro ahy ny fahiny :lol: :lol: :lol:

indrindra ilay ramatoa mpampianatra anay tam T1, bedy fa mandoto latabatra sady feno daholo ny ankanjo :-D :-D :-D :-D

ary nareo ve tsy mahatadidy ilay mikiky dabilio rehefa ho tonga ny vakansy ? samy mitondra vakitavoahangy avy any antrano rehefa tsy manana papier de verre (tsy haiko ny anarany am teny gasy), dia kikisana madio tsara ireny diantsitlo ireny, avy eo dia diovina am ravina datroa daholo, dia lasa maintsomaintso mbakin'ny tanana :P
9. RATOVOARY ( 16/05/2008 13:03)
Le fofona vary manitra an-dry masera rehfa akaiky hirava atoandro iny no tena tsy tantiko fa tonga de mosary be aho brrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrr!!!!!!!!
10. ktsif ( 16/05/2008 13:11)
Nahafinaritra ahy tamin'izany ny fofon-kiraro vaovao ilay vao avy nanaovana voalohany iny (fofon-koditra miampy hatsembohana kely)
11. nikopol ( 16/05/2008 13:11)
Ny ahy ny fofona manitr’ilay masera no tadidiko, nisy fotoana avy be ny orana dia lasan’ny rano ny kiraroko ilany, dia nitomany be za dia hitan’ilay masera dia notambatambazany sady nofihininy mafy teo antratrany, dia ny fofon’iny masera iny no tena nahamarika ahy. ka asa na izay no mahatonga ahy hanana fantasma amin'ireny masera ireny indraindray.
12. sakaizakely ( 16/05/2008 13:14)
nikopol :-D :-D :-D :-D

fofona inona ilay izy ?
13. nikopol ( 16/05/2008 13:17)
sakaizakely kosa ratsy loha e :-D :-D :-D :-D :-D
14. sakaizakely ( 16/05/2008 13:22)
ratsy loha :?: :roll: :roll: :roll: :roll:

fofona ranomanitra ve sa fofombonikazo ?
tsy hitako izay maharatsy loha am zany 8O
15. milaibe ( 16/05/2008 13:34)
ny ahy fofona bononoka t@ rabainy tale tany miarinarivo-itasy fa refa ho tonga ny vakansy dia manome kadô ny ray aman-drenin`ny mpianatra fa mahery fofona le izy
16. ktsif ( 16/05/2008 13:34)
fofona masera ilay mando iny e
17. ktsif ( 16/05/2008 13:36)
ratsy loha

fofona ranomanitra ve sa fofombonikazo ?
tsy hitako izay maharatsy loha am zany

fofona masera ilay mando iny e
18. ANARIM ( 16/05/2008 14:04)
oupssssss fofompaty..... ny ahy dia hafa be, na mety hoe tsy hafa ihany rehefa tena dinihina...
6 taona sy tapany aho no maty i neny, fa atramizao, isaky ny maheno fofon'le zavamaniry maitsomaitso fatao amin'ny koraonina vonikazompaty reny aho, dia ny fatin'i neny mitsiatra be no itako pré... brrrrrrr

fofona cyprès le izy...
19. xxx ( 16/05/2008 14:36)
milaibe:

ny ahy fofona bononoka t@ rabainy tale tany miarinarivo-itasy fa refa ho tonga ny vakansy dia manome kadô ny ray aman-drenin`ny mpianatra fa mahery fofona le izy

Zah aloha efa nanomboka 2nd vao tao m/vo fa tena enjana le fofom-bononoka avy any Manazary.
Fa ny tena fofona tadidiko t@ fahkely le fofontongotr'ilay prof maths nay tao @ masera, fa tena raha vao miserana lery de tonga de midonaka be ny brrr...Tsy maha te hihina ketapotsy sy bononoka mihtsy
20. kiadi ( 16/05/2008 14:37)
tsisy azoko!
rien compris moi!
i d'ont underestand!
ich begreife nichts!
io comprendos nulla!
los comprends del ne del je rien!
δεν περιλαμβάνω τίποτα!




( ) de ze tsy faly mibotsona! :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4024