Marary vavony (tohiny)

1. Rakotofaly ( 06/05/2008 06:56)
Misaotra anareo rehetra izay nanome torohevotra sns… e. Izaho ity anie vao avy tany @ Dr PASCAL (Colonel) ao @ Hopital GIRARD (HOMI) e, ho antsika izay mahalala azy (Sce GASTRO: inona moa no tena dikan’io GASTRO io @ fanazavana tsotsotra ho an’izay mahalala azy?)! izy no nanome ahy DUSPATALIN 200 (2 boîtes de 30) izay tokony hohaniko mandritry ny 1 volana (1 matin et 1 soir x30j=60 comp.) satria t@ voalohany dia feno rivotra ny kiboko ary nibontsina foana; tsy maraina tsy atoandro tsy hariva. Ka izay no nanatonako azy, ary nanomboka hatreo aho no nihinana ny fanafody nomeny. Vao tapitra izao ny 1ère boîte-n’ilay DUSPATALIN 200 ka tena izao marary mafy izao ny vavoniko ary tena mamaly any @ lamosina (tsy manana problème reins mihintsy aho, ara-dalàna daholo ny crétininémie, phosphorémie, azotémie, uricémie, glicémie-ko), efa nanao echographie ABDOMINALE sy PELVIENNE aho dia tsy misy blème. Izaho koa moa efa resy lahatra fa tena tsy milamina mihintsy ny saiko (stressé) ka izay angamba no tena manankorontana, sa tena ilay saina tsy milamina mihintsy no anton’ireo rehetra ireo (surtout lé vavony sy ny appareils digestifs manontolo)??. I Dr PASCAL mantsy nanome ahy LEXOMIL (ilay afaka tapahina 4) ka nataony hoe ¼ comprimé matin ary ¼ comprimé hariva; fa izaho tsy nihinana (novidiako ihany) satria matahotra aho sao dia lasa dependant an’io fanafody io vao milamina ny saina na ahahita tory @ alina. Fa dia aleoko mandeha @izao:indrainadray milamina indraindray miketriketrikamafy ny loha. Efa nihinana karazan’ireny fanafody ireny mantsy aho: ATARAX, PASSIFLORINE, TRANXENE, STRESAME, nefa tsy hitako ihany.
Fa misy Dr vehivavy gasy iray izay miasa any Paris mamporisika ahy hoe mihinana EUPHYTOSE traitement lavalava (9 à 12 mois). Inona ry reto no tena hevitra hialana @ ity stress ity ??? na sport atao na sakafo hohanina na tsy haiko ???? mba ampio e. Manao ahoana ity EUPHYTOSE ity (ho an’ireo izay efa nihinana na mahalala olona nihinana)??? Izaho aloha ange tsy maintsy hanantona dokotera fa tsy hoe hihinankinam-poana, fa mba hifanoroana hevitra no hataontsika eto e!
novalian'i niryna ny 19/05/2008 02:47
2. karinah ( 06/05/2008 08:54)
Miarahaba! ilay gastro areti-mifindra, raha misy ol voa ohatra ka na eny ambony bus na toeram-piasana ka nandray ny zvt noraisiny ftsn enao dia hifindrany, ny fisehon'ny aretina, misy nausée, marary kibo, ary na rano aza dia mampandoha, tsy mahazaka sakafo, fa aloha dol izay hohanina, izay ilay gastro! na ny zazamena vava koa aza voan'io!
Ka araky ny lazainao moa izany dia aretim-bavony ilay anao, ka efa nahazo fanafody fa vao lany dia mihetsika, donc tsy mbola ampy ilay traitement! satria tsaroako t@ 2 taona ny an'ny papako teo @ 3mois teo izy nihinanan fanafody foana! Ilay izy koa tsy mety azo raha tsy misy ordonnance, fa omeko anao ihany ilay anaran'izy ireo raha sendra hitako tampoka!
Dia raha avy ami'nyn stress, izaho miteny aminao izao dia dépressive, manaraka traitement, ka tsy haiko na stress koa ny nahavoa ny gastro ahy (je ne pense pas!!!), fa sur aho fa vavony ilay anao fa ny gastro mifindra!
Ka raha izany dia mila manao vacances, miala kely ny fiainana mahazatra andavan'andro ianao, mila mihoitra, sns..ataoko angamba fa mety hanala ny stress-nao ireo! izay njay ary alou!!
3. ni81 ( 06/05/2008 10:52)
Hamintinako ireo resakao rehetra ireo dia izao: raha toa ka olona mpino kristiana ianao dia mivavaha hanala ny stress-nao rehetra. Mahomby io ho an'izay olona nanao fanandramana t@ izany, koa dia mahereza.
4. Rakotofaly ( 06/05/2008 11:56)
Misaotra an'i Karinah sy ni81 aloha e. Izany hoe tsy GASTRO mihintsy no mahazo ahy fa zavatra hafa, sur aho fa ity tsy filaminan-tsina ity mihintsy no tena manankorontana ny ao anatiko rehetra nefa malahelo ny tenako tanteraka aho fa tsy mety voafehiko mihintsy izy ka na dia sotro latsaka, na tél maneno aza dia manaitra ahy ka tonga dia mivadika ohatran'ny malemilemy aho aorian'ilay fahatairana. Ny tension mangony fotsiny, izaho izao anie 36 ans nefa aho efa mihinana TAREG 80mg isa-maraina e! Niakatra 20/12 ny tension-ko t@ herintaona (janvier 2007) dia niditra hopitaly tao @clinique St Paul Ambatoroka aho, ka nanomboka teo hatramin'izao no nihinanako io TAREG io mandra-kandroany. Izaho aloha dia tena mivavaka mafy mihintsy mba tsy ho resy mitanondrika manoloana izao zava-mitranga izao e. Mahatoky ny fitantanan'i Jesosy izay alehako aho ka tsy hanary ahy izy, izaho anie matetika mitady hikarapoka tampoka izany rehefa eny an-dàlana eny e, indrindra moa fa mafana be ny andro...Izaho indray tsy malai-komana velively ary tsy mandoa isaky ny misakafo, fa izany hoe matetika misalebolebo te handoa kanefa tsy mandoa. Misaotra antsika rehetra izay mamaly.
5. karinah ( 06/05/2008 15:46)
Mety lasa tsy ampy hery intsony ianao satria mieritreritra be loatra! ary manin moa raha psychiatre indray jerena? euuh, na ny généraliste koa aza aloha mi-préscrire anti-dépression ihany koa ae! Manin raha handramana indray ny fanafody hafa ireo nolazaiko ireo fa karazan'ny manao spasmophilie ianao amin'izany tady hianjera izany, indraindray koa ny magnésium no tsy ampy, fa resaho ilay Dr dol aza misy adino hoe mila henjera zah, fanina sns, mety mila manao cure-na Magnésium ianao, (hihihi) ary mitovy2 aretina amiko ianao ah, efa sendran'io koa mantsy zah de MagnéB6 no no-préscrivan'ilay Dr ahy, dia afaka ilay fanim-panina! hi!hi!
Mahereza!!
n81: mivavaka ihany koa aho fa ilay aretina rehefa tsy ho afaka dia tsy afaka, marina fa manamaivana ilay stress ny fivavahana, fa tsy manasitrana azy kosa!! asa anefa! mmhhh!
6. ni81 ( 07/05/2008 11:00)
Ary mba efa nandramanao ve ny resaka otra? Ilay otra tiako lazaina io dia "réflexologie" fa tsy otra vatana manontolo akory? Mahomby koa io saingy zaho aloha tsy mahalala intsony hoe ohatrinona ny sarany izao any dago.
7. endrika01 ( 07/05/2008 12:41)
Zah alou dia tsy mba mahataty mihinana comprimé hoatran\'iKarinah sy i Rakotofaly,fa dia mampiasa ny fitsaboana taloha ,amin le raokandro Malagasy( amin\'ny alalan\'ny zava-maniry maintso na efa namainina)ka na marary an-doha na kibo na gripa,na areti-nify,na vavony dia ireny no mahatsara ahy.Fa ity comprimé ity dia tena mampamaivay ny vavoniko sy mampalemilemy ahy.Ady be tsy vita ny ato an-trano @fahatratrarana ireo fanafody afeniko,ka tsy zakan\'ny vatako ilay izy dia aleoko tsy mihinana,indrindra moa ilay antibiôtika ireny tena hampandadiziny @tany mihintsy.Mety tsy tsara izy ireny,mampijanona ny fanaitainana,fa kosa tsy manasitrana tanteraka lay aretina.Misy ny olona mahazaka azy ireny comprimé reny tsara,fa misy kosa ireo vao maika aza marary.Ka hoy aho hoe mety tsy zakan\'ny vatanao ny dôzy n\'ilay comprimé nohaninao matoa ianao mbola tsy sitranany foana.Asa a,mba eritreritra ihany ny ahy iny!Sitrana soa.
8. patrick2002 ( 08/05/2008 13:14)
raha izany no izy dia stress no mamparary ny vavoninao ,ka dia ianao ihany no mahafantatra hoe inona no mampitony azy ,mila milamina ny sainao ,betsaka ny azo atao amin'izany .fa ianao ihany no mahalala azy .
Oh olana ara-pitiavana no mahazo anao dia mahaiza mifehy azy,raha eo @ asa sy fitadiavana dia anjaranao ny mampilamina ny sainao .
Fa ity ny mba toro-hevitra kely ,raha manana olana iray ianao ,tsy ny mi-concentré amin'iny akory no mampilamina ny sainao fa azo atao tsara ny mi-se distraire kely ,dia milamina ny sainao .Oh manana olana ara-pitiavana ianao dia mety ny manao fanatanjahantena kely no hampilamina ny sainao .
izay fa dia mahereza.
9. Veloo ( 08/05/2008 13:30)
Rakotofaly a,
Apetraho @ Andriamanitra lesy ny fiainan'la a, fantany izay mety ary ny fanafodin'io dia manana attitude positive foana, eny sarotra @ volohany fa ezaho fa ho itanao ny fiovana...."prends la vie en rose" oy ny vazaha izay.

zay fa mahereza o :-*
10. niryna ( 09/05/2008 20:25)
ni81:

Hamintinako ireo resakao rehetra ireo dia izao: raha toa ka olona mpino kristiana ianao dia mivavaha hanala ny stress-nao rehetra. Mahomby io ho an'izay olona nanao fanandramana t@ izany, koa dia mahereza.

marina tanteraka io fa izaho no hijoro vavolombelona amin'izany.Tonga mangataka hivavahana aty amiko daholo ny olona ary omeko fampaherezana,ary tena mamaly vavaka tokoa Atra ,ary sitrana tokoa ny arein'ny sasany (brain tumor),ary maro tokoa no mahazo fampaherezana ,rehefa tonga amin'ny aretiko aho anefa dia nilofika ary nanaiky an'i satana nitanisa ireo karazana aretina maro ireo,hoy ny vadiko hoe maninona hianao no manaiky rebireben'i satana? rehefa olon-kafa no marary mahay manampy olona hianao ary manome courage foana kanefa rehefa hianao no marary dia milofika? Nivavaka izahay mianakavy kely ary dia nahazo fampaharezana aho .
Inona no fanafodiny? Mandroaka ilay aretina,miantso an'i kristy izay tompo sy mpanasitrana,miteny ny tena ,ny vava no miantso fa tsy marary aho ary ny ran'i kristy no efa nanasitrana ahy sy nanadio ny fahotako ,ny fahadisoako rehetra,ary efa niteny tamiko izy fa tsy andao ahy na hanalavitra ahy ,miala ny aretina ,ary dia vakio tokoa ny ao amin'ny Isaia 53 fa hanampy antsika,naninona aho izao?
Tsy matahotra intsony aho na misy varatra mipoaka aza eo ka mampatahotra ahy ,fantatro fa ho sitran'i kristy avokoa ny aretiko ary fantatro koa fa fitsapana avokoa izany rehetra izany ka tsy matahotra aho .Ary fantatro ihany koa fa asehon'Atra ahy mialoha ny zavatra rehetra mba hitandremako ihany koa
---------------------------------------------------------
mahereza ,ary ataovy ny fanandramana ,tsy mandeha lavitra akory fa eo akaiky ilay kristy mpanasitra,antsoy izy ary dia tena manana finoana fa hafahany ny tebiteby rehetra(doute) satana no mametraka io amintsika
Mangataha fifonana aminy,famelana ny hafa,ary dia omeo ho tantanany irery ny fiainanao fa ataony tanteraka izay rehetra irin'ny fonao sy mifanaraka ny lalana efa nomaniny ho anao ,mino ve hianao ,ataovy ary ny andrana
11. yonikafopl ( 10/05/2008 19:02)
Rakotofaly,
andramo ny PARIET 20 , iray isamaraina .
12. vale ( 11/05/2008 22:43)
yonik: tena zay le anaran'ilay fanafodin'ny dadanay, nahatsara anazy mintsy , ary tsy niverina intsony le aretiny! hummm
13. yonikafopl ( 12/05/2008 12:12)
vale ny vadiko tena nampijalian'ny aretimbavony fa mihinana an'io izy tsy maninn mintsy. Aty aminay eo am 25$ eo ny vidiny fa tam zahay tany Dago 115000Ariary ny boaty (12 comprimes) fa dia sarotra hita be fa notetezina doly ny pharmacie rehetra,PARIET 10 no misy any de mihinana 2 isamaraina, io nefa 81000Ariary ny 24 Comprimes
14. sytl ( 15/05/2008 16:15)
Ka raha izany dia mila manao vacances, miala kely ny fiainana mahazatra andavan'andro ianao, mila mihoitra, sns..ataoko angamba fa mety hanala ny stress-nao ireo!
zay kou tsara!
15. niryna ( 16/05/2008 00:21)
yonikafopl:

vale ny vadiko tena nampijalian'ny aretimbavony fa mihinana an'io izy tsy maninn mintsy. Aty aminay eo am 25$ eo ny vidiny fa tam zahay tany Dago 115000Ariary ny boaty (12 comprimes) fa dia sarotra hita be fa notetezina doly ny pharmacie rehetra,PARIET 10 no misy any de mihinana 2 isamaraina, io nefa 81000Ariary ny 24 Comprimes

misy fanafody iray koa ary tena mandaitra fa tsy fantatro raha misy azy any dago(tagamet no anarany fanafody amerikana io) ,lafo saingy manasitrana ary tsy voaterzy ihinana ilay comprimes rehetra ilay marary ,roa na telo dia efa mahita fahatsarana na iray akory aza dia manampy .Tsy azo vidiana anefa izy io raha tsy manana ordonnance

16. ANARIM ( 16/05/2008 14:22)
efa nanandrana reflexologie ve???? tsy manana sopapa hatorooe aiza no misy mahay an'io tsara eto dago fa eritreritra nandalo ny ahy

mirary soa d torak'izany ho anjiko karinah bizz njiko d aza mery sotso tôka tsony, zà kalou tsary hanome androky tsotry!!!
17. ni81 ( 17/05/2008 05:27)
misy fanafody iray koa ary tena mandaitra fa tsy fantatro raha misy azy any dago(tagamet no anarany fanafody amerikana io) ,lafo saingy manasitrana ary tsy voaterzy ihinana ilay comprimes rehetra ilay marary ,roa na telo dia efa mahita fahatsarana na iray akory aza dia manampy .Tsy azo vidiana anefa izy io raha tsy manana ordonnance
Misy io any dago kah!
efa nanandrana reflexologie ve???? tsy manana sopapa hatorooe aiza no misy mahay an'io tsara eto dago fa eritreritra nandalo ny ahy
io koa no mba efa nanontaniako azy.
18. niryna ( 19/05/2008 02:47)
ni81:

misy fanafody iray koa ary tena mandaitra fa tsy fantatro raha misy azy any dago(tagamet no anarany fanafody amerikana io) ,lafo saingy manasitrana ary tsy voaterzy ihinana ilay comprimes rehetra ilay marary ,roa na telo dia efa mahita fahatsarana na iray akory aza dia manampy .Tsy azo vidiana anefa izy io raha tsy manana ordonnance
Misy io any dago

koa raha azo iriranana dia manandrama fa tena mandaitra io na vavony efa mandeha ra aza sitrany,lafobe izy io aty aminay ka maika moa any amintsika ,mety amidy vitsivitsy angamba ka vao maika tsara satria tsy ho voatery ihinana be dia be. Ilaina ihany koa anefa no manao fiandry azy io raha sendra mihetsika kely iny ilay vavony any aoriana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6448