rossy dia maninona

1. oam ( 15/04/2008 06:26)
mba jereo ilay hirany rossy e
novalian'i ainaheri ny 15/04/2008 13:34
2. yonikafopl ( 15/04/2008 07:52)
jerena aiza??? :roll:
3. ravatorano ( 15/04/2008 09:38)
Ho avy aho, ho raikitra daholo ny fampisehoana”hoy i Rossy


Ho raikitra indray ny tapolaka eny Antsonjombe sy any amin’ny Donia, ary manerana ny Nosy. “ Hanao aho, tsy misy resaka politika mihitsy”, hoy i Rossy. Izay no azo hibangoana ny resaka nifanaovan’i Rossy tamin’ny radio Antsiva, omaly tamin’ny 1 ora sy 20 minitra tolakandro. Nambarany tamin’izany fa nihaona tamin’ny Filoha izy tany Frantsa, ary nifampiresaka tsara izy ireo. Taorian’ny fifampidinihana, dia nanaiky ny hanaovany fampisehoana aty an-tanindrazana ny Filoha. Voalazany koa fa tsy avy amin’ny Filoha ny fanakanana, fa ahiahin’ny Ministera, mba hisorohana ny fanararaotana politika mety hitranga. Ankoatra izay, dia nanao fanekena ary nanome toky ny lehilahy fa tsy hisy resaka politika na hanao, fandranitana, na hamendrofendro vahoaka, mandritra ny fandalovany eto. Nanome toky ihany koa izy fa “hampirevy ny vahoaka” ary ho hentitra ny fitandroana ny filaminana rehetra mandritra sy aorian’ny fampisehoana rehetra izay hotanterahany. Nilaza izy, fa tsy handeha irery, fa hisy delegasiona vahiny hiaraka aminy. Ekipan’ny televiziona frantsay sy alemana ary ekipa mpakasary amin’ny televiziona, haka sary momba an’i Madagasikara sady hamoaka kapila “dvd”. Any amin’ny mpikarakara izao ny baolina, ka ho hita eo ny tohiny.
Fy
gazetiko
15/04/2008
4. yonikafopl ( 15/04/2008 11:58)
De bon reve doly zany nareo kouu, mazotoa mitapolaka :)
5. ainaheri ( 15/04/2008 13:34)
sotra rapierreau nizara aa lol,efa samy niresaka zany ny deba d zay zany kou,marina kosa alou ny an'lery ra mailo izy @ fitondràny eee,aleo atao mazava ny resaka fa sao misy manodina resaka politika marina le izy ka tsy ho masaka le rossy tapolaka klé
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013