mila vonjy kely

1. meved ( 10/04/2008 20:28)
Miarahaba Andriamatoa sy ramatoa isany hajaina!

rehefa mandefa hafatra amin'ilay namana serarasera dia misy soratra hoe " sary fanampiny "eo ambany ankavia. ahoana kay ny mandefa sary amin'io raha efa misy sary tianao halefa amin'io. Sambany aho mantsy vao hanao izany !

dia misaotra betsaka !
novalian'i hery ny 11/04/2016 11:18
2. xxx ( 12/04/2008 03:21)
Sary fanampiny = sarintsiky (smileys) ihany no tiana holazaina amin'ireo
Fa mbola tsy mandeha tsara izy io fa mbola version beta izao ny forum.

Raha hametraka sary hafa dia toy izao :
1. Soratana ny adiresin'ilay sary
2. Tsongaina (select)
3. Tsindriana ilay bokotra img eo amin'ilay toolbar kely

Fa alohan'io dia tsy maintsy efa tafapetraka amin'ny aterineto aloha ilay sary. Azonao ametrahana sary maimaimpoana ohatra ao amin'ny imageshack.us , na mitadiava "image hosting" amin'ny google fa feno ao
3. meved ( 26/05/2008 04:35)
misaotra betsaka e !
:)
4. guevannijohnpaolorakotomamonjy ( 10/04/2016 08:51)
slt . ahoana kay ny mandefa sary @google reny?
5. hery ( 11/04/2016 11:18)
Tsy azoko ny fanontanianao fa hazavao tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3721