soratonon'2008 (fifaninanana sora-tononina)

1. koolo ( 02/04/2008 20:55)
Faly miarahaba antsika mpianatra sy mpandala ny teny malagasy,

Afaka hateloana dia higadona indray ny sora-tononina koa ireto misy toromarika vitsivitsy ho fiomanan'ny rehetra.

Ny fotoana dia ny Asabotsy faha-5 aprily amin'ny 3 ora tsy diso ao amin'ny:

Espace Madeleine Delbrel
18, rue de la Tombe-Issoire
Paris 14ème
METRO SAINT-JACQUES (fa tsy Glacière).

Ny Lamba landy Malagasy no lohahevitra koa samia miomana amin'ny fototeny "tenona", "foly" ary "landy".

Sokajy roa no ifaninanana:
- Sokajy A : ireo mahay manoratra sy miteny malagasy
- Sokajy B : ireo tanorantsika nobeazina taty andafy sy ireo vao mianatra ny teny malagasy (Cours du soir INALCO).

Fandaharana ankapobeny:
- 3 ora : fandraisana ny manampahefana, ny mpifaninana sy ireo te hanatrika.
- 3 ora sy fahefany : Sora-tononina Sokajy B (zazavao)
- 4 ora latsaka fahefany : Sora-tononina Sokajy A (mahay)
- 4 ora sy fahefany : Fitsaràna ny sora-tononina hombam-pampianarana tsotra
- 5 ora latsaka fahefany : Fisintonan'ny Komity Mpitsara - Fialamboly
- 5 ora : Fizaran-doka

Izany lanonana izany dia eo ambany fiahian-dRamatoa Irène Rabenoro, Masoivohon'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO.
novalian'i endrika01 ny 06/04/2008 13:06
2. kiadi ( 02/04/2008 22:43)
dommage tsy any paris ny tena fa mety mba mahaliana ahy ny manao an'io sora-tononina io!
3. endrika01 ( 06/04/2008 13:06)
betsaka ny handiso e,tonga dia hitako sahady ,sa tsy izany ry i kiadi
lasa soratra na chat daholo no any!tonga izaho dia mahao 00 aotra!
nefa koa tena mba tsara ilay izy hitany havany eo zay mandiso!
tena tsara e,hanasoavana hatrany ny teny reny! :-* :-* :-* :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2594