Faly miarahaba antsika mpianatra sy mpandala ny teny malagasy,
Afaka hateloana dia higadona indray ny sora-tononina koa ireto misy toromarika vitsivitsy ho fiomanan'ny rehetra.
Ny fotoana dia ny Asabotsy faha-5 aprily amin'ny 3 ora tsy diso ao amin'ny:
Espace Madeleine Delbrel
18, rue de la Tombe-Issoire
Paris 14ème
METRO SAINT-JACQUES (fa tsy Glacière).
Ny Lamba landy Malagasy no lohahevitra koa samia miomana amin'ny fototeny "tenona", "foly" ary "landy".
Sokajy roa no ifaninanana:
- Sokajy A : ireo mahay manoratra sy miteny malagasy
- Sokajy B : ireo tanorantsika nobeazina taty andafy sy ireo vao mianatra ny teny malagasy (Cours du soir INALCO).
Fandaharana ankapobeny:
- 3 ora : fandraisana ny manampahefana, ny mpifaninana sy ireo te hanatrika.
- 3 ora sy fahefany : Sora-tononina Sokajy B (zazavao)
- 4 ora latsaka fahefany : Sora-tononina Sokajy A (mahay)
- 4 ora sy fahefany : Fitsaràna ny sora-tononina hombam-pampianarana tsotra
- 5 ora latsaka fahefany : Fisintonan'ny Komity Mpitsara - Fialamboly
- 5 ora : Fizaran-doka
Izany lanonana izany dia eo ambany fiahian-dRamatoa Irène Rabenoro, Masoivohon'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO.