Teny farany teo ambon'ny hazofijaliana

1. niryna ( 15/03/2008 11:40)
Mety ho azontsika an-tsaina ve ny fangirifirina nahazo ilay Mpanavotra ho afaka amin'ny fahotana ary Mpamonjy antsika teo ambony hazofijaliana mba ho ahazo ny fanjakan'ny lanitra raha mino Azy?
Tsy mba namaly izy na dia nororana,noenjehina,
nokapoina ,novonoina.:cry:

Niantso ny Rainy kosa Izy tamin'izany fangirifirina nahazo Azy izany.

http://www.youtube.com/user/BubblesEndora

Inona no teny nampitomany nomeny na nolazainy ka azontsika ampiharina amin'ny fiainana ?
2. ikaretsaka ( 15/03/2008 15:59)
ny teniny farany nolazainy ve?
haaaaaa (nihika tokana izy dia niala aina)
(jereo via crucis #12)
3. tselatra ( 16/03/2008 06:17)
raha ny teny farany teo ambony hazofijalina kosa ny hoe, ry tompo o! aona no navelanao aho,,,,nefa ataoko fa tsy mba mpaminany irak'andriamanitra sy nanolo tena mba hanavotra an'izao tontolo izao no hilaza an'izany fiteny izany, raha ny marina no ho lazaina dia tsy mba i jesoa izay nahafoy ny tenany mba hanavotra antsika no hilaza hoe : nahoana aho ry tompo no navelanao, teny natsofoko natao hamafana ny marina angamba izy ireny raha tsy diso aho, ary tsara ho fantarina ihany koa fa tsy i jesoa ilay nofantsihina teo ambhony hazofijalina,ny olona rehetra eto ambony tany dia samy tompon'andraikitra amin'izay vitany, ny andraikitr'ireny mpaminany dia mpitondra hafatra sy hampitandrina no sady hampankafantatra antsika ny tokony hatao, ny soa sy ny asa vita no hanavotra.
4. zakilinina ( 16/03/2008 07:28)
Nisolo tena antsika teo ambony hazo fijaliana i Kristy nohon'ny fahotantsika. Tena marina izany satria tamin'io fotoana io dia ny maha olombelona azy no niainany, izany hoe nafoin'Andriamanitra ho antsika ny Zanany fa tsy mba novonjeny akory. Hoy Izy : "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (matio 27 : 46 sy Sal. 22. 1).
5. xxx ( 16/03/2008 13:05)
hoy!(zakilinina):"Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (matio 27 : 46 sy Sal. 22. 1).
raha arakin'ny fahazoako azy anie izany ; de toa niantso ny andriamaniny ihany izy(jesoa) teo e! satria efa ts'isy fika hialana intsony(tsy maintsy ho faty). amiko dia izao: isika v no manao ny fahotana rehetra ka i jesosy no hijaly.
< mba miheverena isika kristianina> olona hafa v ny manao ny hadalana dia ny zanakao na ny papanao na mamanao ny higadra?
6. Fody ( 16/03/2008 15:49)
"Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (matio 27 : 46 sy Sal. 22. 1).

Teo ambon'ny hazofijalina dia niventy ny salamo i Kristy. Ny salamo izay hira fiderana, sy fanankinana ny aminy amin'izy Ray.
teo e! satria efa ts'isy fika hialana intsony(tsy maintsy ho faty). amiko dia izao: isika v no manao ny fahotana rehetra ka i jesosy no hijaly.
< mba miheverena isika kristianina> olona hafa v ny manao ny hadalana dia ny zanakao na ny papanao na mamanao ny higadra?

Tantara kely, mety hanampy amin'ny fahazoana azy: Jereo fa rehefa sorena avy amin'izay alehany any ny raim-pianakaviana dia ny vavy no ataony mahalala ny anarany. Ary matetika dia mba sorena koa ramatoa, ka ny ankizy indray no hanalany vokony, ary izay kely indrindra tsy afa-mamaly ao an-trano no tena mizaka ny fahasorenan'ny rehetra.

Fa izao Gasy ve xxx?
Raha malagasy i xxx dia mahalala ny fomba fanao malagasy.

Mahalala ilay atao hoe: Joro, na koa efa naheno olona manao joro.
Fony anay mbola mpianatra teny amin'ny Universite dia matetika miady ny tavaratra sy ry zalahy avy any Toliary. Indray taona tsy vita mora ny raharaha fa nihitra be. Sarotra ny fampihavanana, ka voatery nanao Joro.
Namonoana omby, ary ny ràn'io omby io no nalatsaka mba hamitranana ny fihavanana eo amin'izy ireo. Mety misy mahalala bebe kokoa noho izaho angamba afaka hanazava azy misimisy kokoa.

Tsao-kevitra: Isika olombelona no miady, ny omby no maty mba hamitranana ny fihavanantsika.
Isika olombelona no manota, i Kristy no maty mba hamitrana ny fihavanantsika samy isika, sy ny fihavanantsika amin'Andriamanitra.

Raha azonao izay, dia tohizina ny tohiny amin'ny manaraka.

Misaotra anao!
7. niryna ( 17/03/2008 03:37)
ikaretsaka:

ny teniny farany nolazainy ve?
haaaaaa (nihika tokana izy dia niala aina)
(jereo via crucis #12)


dia izay ihany ve?
Misy fito ilay izy ka :wink:
8. ikaretsaka ( 17/03/2008 03:46)
ka ny farany ho'zy i niryna ka..
izay ny farany indrindra:wink:
9. niryna ( 17/03/2008 03:50)
tselatra:

raha ny teny farany teo ambony hazofijalina kosa ny hoe, ry tompo o! aona no navelanao aho,,,,nefa ataoko fa tsy mba mpaminany irak'andriamanitra sy nanolo tena mba hanavotra an'izao tontolo izao no hilaza an'izany fiteny izany,

tsy mba mpaminany izany Izy? Hanky va re e,mahita na mahalala mpaminany nahavita ny nataony tamintsika ve hianao? Nanolotra ny ainy hanafaka ny fahotana?

raha ny marina no ho lazaina dia tsy mba i jesoa izay nahafoy ny tenany mba hanavotra antsika no hilaza hoe :

mahafantatra ve hianao na hoe mino ve mpanavotra anao Izy? Ahoana izany?
nahoana aho ry tompo no navelanao, teny natsofoko natao hamafana ny marina angamba izy ireny raha tsy diso aho

Izany ve,dia iza izany i kristy no eritreretanao azy ?
, ary tsara ho fantarina ihany koa fa tsy i jesoa ilay nofantsihina teo ambhony hazofijalina,

:roll: fa izay ilay izy,ary naninona no nitritra ny lamba tao amin'ny sinagoga,ary naninona no maizina ny tany aman-danitra,noforonina koa izany ireo miaramila niteny hoe"Zanak'Atra marina io lehilahy io ? "
ny olona rehetra eto ambony tany dia samy tompon'andraikitra amin'izay vitany

miombokevitra aminao tokoa aho ,ary ny mahazavadoza dia mivaly amin'ny taranaka mandimby ilay izy raha tsy misy ny manapaka ny fanangejan'ilay fahavalo,raha eo amin'ny finoana an'i kristy no jerena,raha eo amin'ny ratsy vita no dinihina,ary dia misaotra azy isika fa na inona izany ka mibebaka sy mangataka famelana aminy dia ho voavela tsy misy pentina
, ny andraikitr'ireny mpaminany dia mpitondra hafatra sy hampitandrina no sady hampankafantatra antsika ny tokony hatao, ny soa sy ny asa vita no hanavotra.
asa aloha na andraikitra ilay izy fa ny kristiana rehetra fa tsy ny mpaminany ihany dia manana anjara lehibe eo amin'ny fitoriana ny filazan-tsara ary mampihatra izany amin'ny fiainany .sa ahoana ?


10. niryna ( 17/03/2008 03:56)
zakilinina:

Nisolo tena antsika teo ambony hazo fijaliana i Kristy nohon'ny fahotantsika. Tena marina izany satria tamin'io fotoana io dia ny maha olombelona azy no niainany, izany hoe nafoin'Andriamanitra ho antsika ny Zanany fa tsy mba novonjeny akory. Hoy Izy : "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (matio 27 : 46 sy Sal. 22. 1).
Misaotra zakilinina .Teny iray noteneniny tao anatin'ny teny fito io :-*
"Nahoana no dia mahafoy Ahy hianao "Nijaly Izy,nihatra ny mangidy rehetra .


11. niryna ( 17/03/2008 04:14)
xxx:

hoy!(zakilinina):"Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (matio 27 : 46 sy Sal. 22. 1).

io no teny iray noteneniny ka :D

raha arakin'ny fahazoako azy anie izany ; de toa niantso ny andriamaniny ihany izy(jesoa) teo e!
ka izay no fahafantarantsika araka ny maha olona antsika ka,marina izany ary noho izy tonga tety an-tany dia nasehon'ATra antsika ny fitiavany http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-16&dika=ls


satria efa ts'isy fika hialana intsony(tsy maintsy ho faty). amiko dia izao: isika v no manao ny fahotana rehetra ka i jesosy no hijaly.
raha ny maha olona no jerena azy dia mitombona ny eritreritrao,raha ny sm kosa sy ny fiainana izay ihainan'ny kristiana dia maty tokoa izy nisolo ny fahotan'ny rehetra na kristiana io na tsia,satria tia antsika Atra dia ny zanany no nataony sorona "indray mandeha tsy miverina intsony"ny sorona biby na zanak'ondry tsy mba misy kilema mantsy mbola misy ny hoe mitondra an'izao,arakaran'ny haren'ilay olona ary tsy mba miantso mivantana an'Atra fa mbola nisy ireo olon-kafa,ary tsy nahazo niditra ny toerana fanaovana famelan-keloka fa olona no manelanelana,saingy noho ny fitiavan'Atra antsika dia ny zanany no nataony sorona ka afaka mivavaka,mitalaho,midera Azy mivantana daholo izay rehetra mino azy

< mba miheverena isika kristianina> olona hafa v ny manao ny hadalana dia ny zanakao na ny papanao na mamanao ny higadra?

ka izay ilay hoe "ny fihevitro hoy Izy tsy fihevitrareo,ary ny lalako tsy lalanareo"


12. niryna ( 17/03/2008 04:16)
Fody:

"Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (matio 27 : 46 sy Sal. 22. 1).

Teo ambon'ny hazofijalina dia niventy ny salamo i Kristy. Ny salamo izay hira fiderana, sy fanankinana ny aminy amin'izy Ray.
teo e! satria efa ts'isy fika hialana intsony(tsy maintsy ho faty). amiko dia izao: isika v no manao ny fahotana rehetra ka i jesosy no hijaly.
< mba miheverena isika kristianina> olona hafa v ny manao ny hadalana dia ny zanakao na ny papanao na mamanao ny higadra?

Tantara kely, mety hanampy amin'ny fahazoana azy: Jereo fa rehefa sorena avy amin'izay alehany any ny raim-pianakaviana dia ny vavy no ataony mahalala ny anarany. Ary matetika dia mba sorena koa ramatoa, ka ny ankizy indray no hanalany vokony, ary izay kely indrindra tsy afa-mamaly ao an-trano no tena mizaka ny fahasorenan'ny rehetra.

Fa izao Gasy ve xxx?
Raha malagasy i xxx dia mahalala ny fomba fanao malagasy.

Mahalala ilay atao hoe: Joro, na koa efa naheno olona manao joro.
Fony anay mbola mpianatra teny amin'ny Universite dia matetika miady ny tavaratra sy ry zalahy avy any Toliary. Indray taona tsy vita mora ny raharaha fa nihitra be. Sarotra ny fampihavanana, ka voatery nanao Joro.
Namonoana omby, ary ny ràn'io omby io no nalatsaka mba hamitranana ny fihavanana eo amin'izy ireo. Mety misy mahalala bebe kokoa noho izaho angamba afaka hanazava azy misimisy kokoa.

Tsao-kevitra: Isika olombelona no miady, ny omby no maty mba hamitranana ny fihavanantsika.
Isika olombelona no manota, i Kristy no maty mba hamitrana ny fihavanantsika samy isika, sy ny fihavanantsika amin'Andriamanitra.

Raha azonao izay, dia tohizina ny tohiny amin'ny manaraka.

Misaotra anao!


-----------------
=D=D marina izany ary misaotra tamin'ilay tantara.


13. Rground ( 18/03/2008 11:16)
Rehefa mivavaka isika dia miantso ny Ray, misaotra Azy.
...dia na tsy takatry ny saintsika aza hoe manao ahoana izany haben'izany Famindrampo izany, na dia tsy hain'ny vavantsika tononina aza izany haben'izany Fitiavana avy aminy izany, dia mbola nahazo saina isika ary indrindra fotoana mitodika any aminy ka mbola afaka mivavaka..mangataka...misaotra.

Rehefa mamarana vavaka isika dia manao hoe: "..amin'ny Anaranao ry Jesoa Kristy no HAHAFAHANAY manonona izany vavaka izany!"...Mba ho
fankasitrahantsika ny fihetsika nataony maty hisolo eloka mba hampihavana antsika...Fa indrindra koa mba hankatoavantsika izay voasoratra fa amin'ny anaran'i Kristy irery ihany no mankany amin'ny Ray...izany hoe: ny làlan'i Kristy no ho lalantsika rehetra (...Lalana sy Fiainana ary Fahamarinana...) ary ny asan'ireo Apôstôly no hotohizantsika araka izay fanomezam-pahasoavana azontsika tsirairay avy.

Mety efa niaina io sehon-javatra iray io angamba ianao ry -niryna-..efa nipetraka teo amin'ny toerana nangirifiry toy ny an'i Kristy hoe, ianao no mizàka mba hampihavana ny rehetra...mamay be!


"..Sambatra izay mpampihavana -hoy ny voasoratra- fa izy no antsoina hoe zanaky Ny Avo.."

14. niryna ( 18/03/2008 11:58)
Rground:

Rehefa mivavaka isika dia miantso ny Ray, misaotra Azy.
...dia na tsy takatry ny saintsika aza hoe manao ahoana izany haben'izany Famindrampo izany, na dia tsy hain'ny vavantsika tononina aza izany haben'izany Fitiavana avy aminy izany, dia mbola nahazo saina isika ary indrindra fotoana mitodika any aminy ka mbola afaka mivavaka..mangataka...misaotra.
^:^

Rehefa mamarana vavaka isika dia manao hoe: "..amin'ny Anaranao ry Jesoa Kristy no HAHAFAHANAY manonona izany vavaka izany!"...Mba ho
fankasitrahantsika ny fihetsika nataony maty hisolo eloka mba hampihavana antsika...Fa indrindra koa mba hankatoavantsika izay voasoratra fa amin'ny anaran'i Kristy irery ihany no mankany amin'ny Ray...izany hoe: ny làlan'i Kristy no ho lalantsika rehetra (...Lalana sy Fiainana ary Fahamarinana...) ary ny asan'ireo Apôstôly no hotohizantsika araka izay fanomezam-pahasoavana azontsika tsirairay avy.
miombokevitra tanteraka

Mety efa niaina io sehon-javatra iray io angamba ianao ry -niryna-..efa nipetraka teo amin'ny toerana nangirifiry toy ny an'i Kristy hoe, ianao no mizàka mba hampihavana ny rehetra...mamay be!
marina izany misy fotoana mandalo fotoan-tsarotra isika ary ao anatin'iny fangirifirina iny no tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato,eo no tonga ilay herin'Atra satria ny teniny no nanambara amintsika fa tsy andao na amela ho irery,dia eo no tonga ao am-po izy ,mampianatra,miresaka,manoro lalana.Ary dia misaotra azy isika noho izany.Io no endrika iray hijorona vavolombelona anomezana hery ny rehetra na dia tsy mitovy aza ny zavatra niainana, ny fitiavany antsika dia mitovy

Samy hafa ny fiantson'Atra antsika,ary na inona fahakivina ataon'ireo olona sasany na ny tsy mpino na misitona midina,tsy dia atao ahakivy izany fa ny mivavaka azy ireo izay mbola tsy mahalala ny fahasoavan'Atra sy manda ny teniny ireny no atao satria izy ireny koa anie tsy mahalala hoe manda ny tenin'Atra izy e! mijaly ao am-po e,tsy manana fifaliana,na fiadanan-tsaina,na fitiavana ary na fanantenana.Ka izay no tsy anaovana an'ilay izy ho fahankalana na fahatezerana.Fitiavana hatrany no omena azy ireo,ary tsy jerena ny hatezerana fa izy ireo koa aza mba mijaly,voageja,ary tezi-dava sns..

"..Sambatra izay mpampihavana -hoy ny voasoratra- fa izy no antsoina hoe zanaky Ny Avo.."
:D


15. fijo ( 19/03/2008 21:55)
azo antsaina tokoa ny fijaliany ka.raha ny tananao ve no ahantona ,mazava hoazy fa sempotra tsy hafa miaina malalak aintsony anie ny tratra e/mampijaly izany.

saingy ,efa hainy fa izay no hiandry azy raha mankany izy,ka inona no mbola nilingilingina hoany?,???
ary aza hadino,fa olon avoaheloka no nomboina ka ,amiko dia nizaka ny ditrany izy izany.
16. ikaretsaka ( 19/03/2008 23:41)
le fanontaniana anie hoe TENY FARANY E
ka tsy ny teny farany ve de hoe nikiaka izy dia niala aina???
"aaaaaaaaaaaah" izany ny teny farany

"nareo hoa rehefa milaza zavatra de tsory sy avantano

ireo rehetra ireo dia talohan'ny farany aby
17. niryna ( 20/03/2008 04:09)
[quote=fijo]
azo antsaina tokoa ny fijaliany ka.raha ny tananao ve no ahantona ,mazava hoazy fa sempotra tsy hafa miaina malalak aintsony anie ny tratra e/mampijaly izany.[/'quote]
marina izany fa saingy nanao sorona ny ainy izy hamonjy antsika


saingy ,efa hainy fa izay no hiandry azy raha mankany izy,ka inona no mbola nilingilingina hoany?,???
ie, raha mba fantatrao mantsy ny hasarobidin'ilay rany a :cry:,na dia ny rivotra iainana aza raha tsy nomeny antsika ,na ny masoandro,na ny rano ,na ny herintsika ihany aza,dia tsy mba hiteny an'izany hianao

ary aza hadino,fa olon avoaheloka no nomboina ka ,amiko dia nizaka ny ditrany izy izany.
raha izay moa no hilazanao azy dia izay no ahafantaranao azy,raha ny amiko dia izao fotsiny, tsy toa izao ny fiainako raha tsy nanankina ny fiainako taminy aho,ary tsy mba afaka nizara ny fitiavany tamin'ireo olona aman'alina maro aho raha tsy nampiseho azy ireo fa velona ilay Atra ,mamaly vavaka izy,mamela heloka ary mbola miandry ny tsira1 hiverina aminy.Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana.Ny vola mora lany fa ny olona manana fanantenana amin'i kristy ka mametraka ny fiainany aminy dia hanambe avokoa ara -panahy na tsy manambola aza



18. niryna ( 20/03/2008 04:10)
ikaretsaka:

le fanontaniana anie hoe TENY FARANY E
ka tsy ny teny farany ve de hoe nikiaka izy dia niala aina???
"aaaaaaaaaaaah" izany ny teny farany

"nareo hoa rehefa milaza zavatra de tsory sy avantano

ireo rehetra ireo dia talohan'ny farany aby

:D

19. niryna ( 20/03/2008 04:12)
ikaretsaka:

ka ny farany ho'zy i niryna ka..
izay ny farany indrindra:wink:
Inona aloha ny hevitrilay hazofijaliana e?
Raha ohatra ka mitondra la croix izao ika ka misy manontany hoe inona no hevitriny la croix hiambozonanao iny dia ahoana no hamalianao azy?

20. ikaretsaka ( 20/03/2008 05:15)
tsy azoko le tari kevitr'i niryna eto...
inona no hifandraisan'ny vitsika @ petrole?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2479