Baolina kitra gasy zero manatody

1. Razouzou ( 04/03/2008 18:39)
Raraka ihany koa ajesaia na dia naresy 1 sy zero any costa do sol aza.Zany ny midika fa ny footy gasy de tsy tafa mihintsy.Préliminaire ela defa mihintsana.Tsy haiko fa taloha mba nandradraina ty ajesaia "champion du mode pupil et tout.." zao tena tsizy mihintsy.Mapme be le izy ry mpiray tanindrazana hita mihintsy fa tena miha zero manatody mihintsy sika.Iza no mba hisolo an dry maitre kira sy baolava taloha ireny ,ny ekipany bfv sy st michel ,AJESAIA ve sa hafa ?? anjaranareo ny mieritreritra fa amiko lo efa vita tsisy fanafany firy taona no mba hanatenaina ho tafita CAN hatram zao aiza.Ile maorisy ary zao efa tady tsy ho resy tsony tsy aleo lo asiana fadinihana zay vao manao.ZA MITENY FA TSY HO TAFA MANDRAKIZAY ISIKA SATRIA TSISY NIVEAU :x:x
novalian'i andryrabe ny 12/03/2008 13:57
2. kabatritra ( 04/03/2008 21:11)
Ary mba inona ny fanafody hitan-drazouzou sa faly mitsikera fotsiny ?
3. tess ( 04/03/2008 22:07)
ka atao ahoana fa mba andao hoe atao ekipa mpanao bôl i razouzou sao mba tafa iany ny ekipa gasy:?
4. andryrabe ( 04/03/2008 23:16)
mora ny mijery baolina sy ny mitsikera fa ny milalao sarotra sy tena mandreraka. asa na mba milalao razouzou na tsia fa mbo tiako ho hita raha milalao. ny miezaka no ilaina.
5. ikaretsaka ( 05/03/2008 02:59)
ary raha privatiser-na ny ligue sy ny federation e ohatran'ny sport sasany eto bekintana.. tsy misy izany fanjakana mitantana izany fa samy manana ny ligue-ny manokana
6. ravatorano ( 05/03/2008 06:39)
miverimberina lava tokoa ilay hoe iza no hisolo andry maitre Kira ry Baolava(Augustin) ry Rasoanaivo
Fa izao lazaina fa nahay ireny ary tena nalaza tokoa fa tena nahay fa tamin'ny androny ve faha firy isika malagasy tamin'ny fandraisnaa anjara tamin'ny CAN na ny coupe du monde sy ny sisa
tsy vao miandoha dia latsaka v ?:lol::lol:
ny malagasy mbola tsy tafakatra CAN mihitsy hatramin izay na iza mpilalao teo na iza ary raha ny resaka club dia ny sotema sy ny bfv angamba no hitako lasa lavitra indrindra tonga hatrany amin'ny demi finale!
Ka noho izany aoka re mba tsy ho tenenina intsony ilay hoe taloha nahay be ! nahay amin'innn? raha nahay dia tonga hatraiza izay fahaizana izay :?::?:

Za manaiky fa tsy tafa mihitsy ny baolina kitra malagasy satria tsy ampy tosika amin'ny lafiny rehetra mihitsy ary tsy ny foot ihany io fa ny fanatanjahatena amin'ny ankapobeny mihitsy:wink:
:D
7. ravatorano ( 05/03/2008 06:40)
miverimberina lava tokoa ilay hoe iza no hisolo andry maitre Kira ry Baolava(Augustin) ry Rasoanaivo
Fa izao lazaina fa nahay ireny ary tena nalaza tokoa fa tena nahay fa tamin'ny androny ve faha firy isika malagasy tamin'ny fandraisnaa anjara tamin'ny CAN na ny coupe du monde sy ny sisa
tsy vao miandoha dia latsaka v ?:lol::lol:
ny malagasy mbola tsy tafakatra CAN mihitsy hatramin izay na iza mpilalao teo na iza ary raha ny resaka club dia ny sotema sy ny bfv angamba no hitako lasa lavitra indrindra tonga hatrany amin'ny demi finale!
Ka noho izany aoka re mba tsy ho tenenina intsony ilay hoe taloha nahay be ! nahay amin'innn? raha nahay dia tonga hatraiza izay fahaizana izay :?::?:

Za manaiky fa tsy tafa mihitsy ny baolina kitra malagasy satria tsy ampy tosika amin'ny lafiny rehetra mihitsy ary tsy ny foot ihany io fa ny fanatanjahatena amin'ny ankapobeny mihitsy:wink:
:D
8. eisy ( 05/03/2008 07:57)
hoy le akama io hoe:
mora ny mijery baolina sy ny mitsikera fa ny milalao sarotra sy tena mandreraka.

ho an'ny olona kely endaka sy tsy mahay izany e!....raha nandreraka tokoa maninona moa raha asaina manao golf ny Barea na Ajesaia fa iny tsy mandreraka fa saingy mbola ho resy ihany...

Mba jereo ny réalité fa ny gasy mihintsy no tsy mahay foot fa aza manambony morale eo fôna e
9. ravatorano ( 05/03/2008 10:01)
ary lasa indro ilay izy zany kle fa naninn ary
tsika wa efa hatramin 'izay no tsy lasa mbola tsy nahafaka na zanatohatra izay aza nefa eto amin'ny kotinanta afrikanina
mbola nofinofy e
tsy mankahala ny foot malagasy aho fa fanamarihana ihany iny ary koa zava misy no lazaiko eto
10. tess ( 05/03/2008 10:54)
andryrabe:

mora ny mijery baolina sy ny mitsikera fa ny milalao sarotra sy tena mandreraka. asa na mba milalao razouzou na tsia fa mbo tiako ho hita raha milalao. ny miezaka no ilaina.

:P:-D:-D:-D:-D izany an! ka in no mavesatra ary e!?????:^)


11. rajoelina ( 05/03/2008 11:34)
Mapme be le izy ry mpiray tanindrazana
mpiray firenena no izy fa tsy tanindrazana letsy e, diso tsipelina ny gasy.

;-)
12. Razouzou ( 05/03/2008 15:35)
Merci rajoelina :):):)
Tsy hoe mankahala za na mitsikera fa zava misy no teneniko.Ambarao amiko ary ny mifanohitra zay noteneniko hoe zero manatody ny footy gasy.Tsy tafa lavitra intsony sika :°) tsy hoe ny vola no tsiampy na ny materiel fa isika mihintsy no tsy misy niveau;reo nosy rahavavintsika ihany mba resy fa raha vao mivoaka any afrika de resy lava :(:(
13. ikaretsaka ( 05/03/2008 15:46)
efa hoe sport hafa efa fantatra fa haharesena sy hahazoana titre atao izay hiroboroboany, dia aza miandry dons et aides atsy sy aroa izany
14. tess ( 05/03/2008 16:51)
kanefa ry clubM ange taloha mba nipitipitika ihany e!:^)
15. ravatorano ( 06/03/2008 05:49)
tess an
nipitipitika fa tsy lasa lavitra ange e:-D
zay ilay mandreraka mihitsy mihaino azy
raha nahay sy nipitipitika ka nandresy isika ary tafakatra tamin\'ny dingana famaranana amin\'ireny CAN ireny dia manaiky aho
fa hatramizao ange tsika mbola dingana vao miandoha defa raraka foana e !
:x
16. ikaretsaka ( 06/03/2008 10:28)
ny itako defot an'ny gasy dia io tsy sahy mitifitra io....
TIFIRO LETSY aaaa
jereo anie ao @ blaogin'i jentilisa fa tena marina io hatr@ izay e..

nefa raha jeux hafa misy ankitifitra ange mahay mitifitra be ny gasy e ary ao le adresse petanque ohatra de izy no champion du monde @ io.
mino ao fa talenta nomen-janahary amintsika io... saingy tsy ampiasaintsika any @ kitra sns.. fa ny any le pasio pasio foana
17. ronaldo09 ( 07/03/2008 10:01)
Za aloha de Fan 100% ny Barea ary na Bresil aza no manao aminy de za Barea foana ! Ny olana fotsiny ange ho antsika mpitia ny fanatanjahantena indrindra moa isika izay mankafy ny Foot de toa variana manatsikera ary haingana ery raha vao misy zavatra diso kely na rehefa resy ny ekipan-tsika ,isika tsy mba manana soso-kevitra mahasoa haroso fa de nateraka hanakiana foana!!!
Tadidiko t@ 1998 :Lalao nihaonan'i Domoina Soavina Atsimondrano sy ny ekipa iray avy any Ouganda tao Mahamasina ,t@ lalao mandroso tany ivelany dia resy 3-2 i DSA ary mila mandresy 1-o de tafakatra ,minitra faha 54 tsy matin'i Doudou ilay penalty ,teo dia nanomboka ny horakoraka sy hiram-paty teny amin'ny gradin ary ny ougandais indray no notohanana.....andriamanitra tsy tia ratsy ; minitra fa 92 matin'i Samy ny baolina nandrasan'i DSA ary nivoaka mpandresy isika Malagasy ...inona hoy ianareo fa lasa nihoby ny DSA indray ny gasy nefa teo nanakora azy!!!
Koa isika gasy tsy mahay manohana fa faly ny hanakiana ,ary ianareo be mpanakiana ireo :heverinareo mora moa ny mahazo ny tena rehefa eny ambony kianja ,ny manakiana rehefa mijery mora ery fa miakara ange eny ambony milalao de ho hitanao eo!!!
18. eisy ( 07/03/2008 11:54)
Ka rehefa tsy mahay leitsy ry ronaldo de tsy mahay a! tsy hoe gasy ohatrantsika akory ireo de hoe amboniana fôna hoa' ny morale ....

Inona kay no mba nentin'ireo ho an'ny tanidrazana e!
8OFAHARESENA efa im-piry izay.:-D

NY anay akorainay rehefa resy sy tsy mahay ;inona no handanianay vola amin'izay olona tsy izy....

Maro ny milaza hoe apetraka eo amin'ny toerany ny Bôlina kitra eto amin'ny tanàna:
Efa eo amin'ny tokony ho izy mihintsy izy io amin'izao fotoana izao... eo amin'ilay hoe tsy fahaizana n'inoninona ary tsy ho tafihoatra amin'io intsony
19. tess ( 09/03/2008 18:25)
ravatorano: sao dia ny condition fizik kosa aza no mampiraraka foana ny mpanao bôl gasy e! fohy no fingo.....tsy be detanty izany e!.....
marina aloha fa tsy lasa alavitra mitsy e! ny eo ihany no eo hihihih!
ny ekipa belge koa ngah mba tafakatra coupe du monde mitsy hoy enareo:^)
20. ikaretsaka ( 09/03/2008 21:56)
ka maninona hoa raha sport hafa indray developpena e..
ireny mba assure ireny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4422