Hataon'Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?

1. Fody ( 28/02/2008 14:39)
- Jesoa: "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo".

- Fariseo: "Hataon'Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?"


Ao anatin'ny Baiboly no misy an'io. Ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Md Joany, toko fahaenina ary manomboka eo amin'ny andininy faha 50. Ao amin'ny Baiboly protestanta koa misy:
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=6&andininy=49-71&dika=

Ahoana ny fahazoanao azy io?
Ahoana ny fiainanao azy?

novalian'i fijo ny 05/03/2008 22:49
2. ikaretsaka ( 28/02/2008 14:52)
za mino sy mihinana ny nofony sy misotro ny rany aloha e..

par theory de transubstatiation!

http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/26/26-28
http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/22/15-20

dia mino aho! dia iainako sy ezahiko ny manao an'io isan'andro raha azo atao
3. soanja ( 28/02/2008 15:07)
Mihinana sy misotro dia midika hoe mandray an'i Krsity ao anaty. Zany hoe Tempolin'Andriamanitra , honenany , hiraisana, ifampizarana ao amin'ny fanahy amam-batantsika i Kristy.

Mazava ho azy moa izany fa raha raisina ara-panoharana sy sarin-teny koa io dia hoe Jesoa velona ao anatinao ary izy no ra manodina ny momba anao.

Jesoa= fanomanana ny dia, lalana ary fahafahana hiditra amin'ilay fiainana manaraka izay fiainana mandrakizay ara-panahy fa tsy ara-nofo intsony. Ka raha te hahalala io fiainana sy te hiditra ho isan'ny mpikambana na mponina ao dia raiso i Jesoa. Ity nofontsika ity dia ho lo fa ny fanahintsika kosa hiaina mandrakizay ao anaty fitoniana sy fahasambarana maharitra.
4. Fody ( 28/02/2008 15:38)
Jaona 6,53 - 56
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.



Jn 6.53 - 56:
"Jésus leur dit: En vérité, en vérité, je vous le dis, si vous ne mangez la chair du Fils de l'homme, et si vous ne buvez son sang, vous n'avez point la vie en vous-mêmes.
Celui qui mange ma chair et qui boit mon sang a la vie éternelle; et je le ressusciterai au dernier jour.
Car ma chair est vraiment une nourriture, et mon sang est vraiment un breuvage.
Celui qui mange ma chair et qui boit mon sang demeure en moi, et je demeure en lui".


Io no voalaza ao amin'ny Evanjely. Tsy misy resaka sarin-teny eo na kely aza, fa nohamafisin'i Jesoa tsara ny hoe: "tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako".
5. ikaretsaka ( 28/02/2008 15:41)
iombonako hevitra @ fody
6. mmmhh ( 29/02/2008 06:20)
ny baiboly tsy natao ho raisaina an-tendrony tahak'izany
misy sarin-teny be de be ao, fa ho azonao fôna io reefa tena mamaky enao, ary mety ty hazavainy eo no ho eo, fa afarafara aty, ity ohatra mety hanazava anao an'le rà sy vatana:
IKorintiana 11:24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny(ilay mofo), ka hoy Izy: Ity no tenako izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy.

IKorintiana 11:25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo. IKORINTIANA 11

7. Rasiligaoma ( 29/02/2008 08:40)
miverina foana ilay mofo sy divay lasa vatana sy ra eto ko..
voalaza mazava imbetsaka io hoe mofo lasa vatana dia divay lasa ra io ka na tendrony na inona dia efa mazava kosa izany e

" transubstantiation" hoy Ika izay dia ahoana amin'izay
8. soanja ( 29/02/2008 16:46)
Raha mandinika i Fody dia raha miresaka i Jesoa ka voasoratra ao anaty baiboly dia 95% n'io dia fanoharana avokoa.
Sahirana mihitsy izy nampita tamin'ny olona sy ny mpianany ny maha Zanak'Andriamanitra azy nefa dia amin'ny alalan'ny fomba hafa ny ilazany azy dia mahatonga ny Mpianany aza tsy mahazo ny tiany ampitaina.

Koa tsy misy afaka hilaza isika fa eto aleo raisiny ara-bakiteny ary eto raiso ho fanoharana. Tsy manome izay ny baiboly. Fa izao tsara raha mino an'i Jesoa fa vatana izy ao anatinao. Tsara izany. Tsy hitako ny olana.
Ny finoan'ny hafa kosa milaza fa tsy voatery horaisiko ho vatana ny eokaristia fa symbol dia tsy afaka hanome tsiny ny hafa ianao satria izay ny fijeriny ary io no inoany.

Ny finoana dia miankina amin'ny tsirairay avokoa ny fiasany. Ny zava-dehibe dia ny fanehoana azy ety ivelany mba ho filamatry ny hafa ary ny hananana fanantenana amin;ny fiainan-ko avy.

Hoy i Thomas Aquina izay hoe " Fantatra avy amin'ny alalan'ny asa vitany ny Fanahin'ny olona iray" na hoe amin'ny anglisy " THE SOUL IS KNOWN BY ITS ACTS"
9. ikaretsaka ( 29/02/2008 16:57)
ka le izy anie ry soanja nataony acts e...
rehefa manao fanoharana i jesoa dia manao foana hoe "toy ny " na "tahaky ny"

fa ity nalainy mihitsy le mofo de nalainy ny divay....

zavatra samihafa be izany
10. Fody ( 29/02/2008 17:09)
Manampy azy dia izao:
Raha fanoharana no nataon'i Jesoa, na niteny amam-panoharana izy, dia tsy ho nanamafy mihitsy hoe: "tena fihinana ny vatako, ary tena fisotro ny ràko"

Tanteraka ara-bakinteny io. Ary raha tsy tanteraka ara-bakinteny io dia tsy marina ny Filazana fa Sorona tokoa izy. Satria ny ondry natao sorona dia nohanin'ny olona tamin'ny paka Jody.

Tsy resaka finoana na tsy finoana ny Eokaristia no asina ny olana, fa ny fiekena fa tena vatan'i Kristy ary tena Ràny ny Mofo natolony, sy ny Divay. Izay nilazany hoe: Vatako ity... Ràko ity.
Tsy misy milaza ao hoe: raiso toy ny hoe vatako ity, sy toy ny hoe Ràko ity.

Misaotra.
11. ikaretsaka ( 29/02/2008 17:12)
misaotra an'i fody koa..
Tsy misy milaza ao hoe: raiso toy ny hoe vatako ity, sy toy ny hoe Ràko ity.

mitovy hevitra isika amin'iny
12. soanja ( 29/02/2008 17:54)
Fody:

Manampy azy dia izao:
Raha fanoharana no nataon'i Jesoa, na niteny amam-panoharana izy, dia tsy ho nanamafy mihitsy hoe: "tena fihinana ny vatako, ary tena fisotro ny ràko"

Tanteraka ara-bakinteny io. Ary raha tsy tanteraka ara-bakinteny io dia tsy marina ny Filazana fa Sorona tokoa izy. Satria ny ondry natao sorona dia nohanin'ny olona tamin'ny paka Jody.

Tsy resaka finoana na tsy finoana ny Eokaristia no asina ny olana, fa ny fiekena fa tena vatan'i Kristy ary tena Ràny ny Mofo natolony, sy ny Divay. Izay nilazany hoe: Vatako ity... Ràko ity.
Tsy misy milaza ao hoe: raiso toy ny hoe vatako ity, sy toy ny hoe Ràko ity.

Misaotra.


Eny ary ndao alaina hoe vatany iny . De inona amin'ny vatan'i Kristy zany iny azafady? tongony, aferony sa inona? inona no tsy hahasari-teny an'iny. Raha misotro aho dia divay no tsapako. Raha atao ny analyse de ahita aho fa divay iny. Tsy hivadika ra mihitsy akory!
Ny finoana ihany hoa no mitondra an'io. Tsy voatery ara-bakiteny ny finoana ary tsy voatery ho sarisary koa. Afaka mifandimpatra ary afaka mifandray. Ny zavadehibe dia ny Fitiavan'Andriamanitra antsika!


13. ikaretsaka ( 29/02/2008 18:11)
mila mijery akaiky ilay principen'ny corp[s mystique ianao ranabavy...
vatany 1 manontolo iny!
14. rakapy ( 29/02/2008 19:15)
Izay ve no atao hoe finoana? DIVAY IO FA HINOY HOE RAN"i JESOSY???na dia mafaitra ao am-bava aza?
Ka mety azo adika koa izany hoe tsy misy ny paradisa fa HINOY hoe misy??? Sa?
15. fijo ( 29/02/2008 21:27)
ekena rakapy.

mba dinio anie e,lery eo,de mizara mofo de miteny hoe ity ny vatako.izany hoe lery sady nofo no mizara mofo.de hoe ity no tena vatako.
lasa mofo indray izany lery fa tsy andriamanitra intsony raha raisina amin'ilay hoe:"Tsy misy resaka sarin-teny eo na kely aza, "
amiko na ianareo manaiky ilay "mandray an'i Krsity ao anaty. "araka ny voalazan'i soanja,na ianareo diso fandray
16. fijo ( 29/02/2008 21:29)
blagy kely:
za misotro na ny rany tsy voahasina"dovay mena" na izy efa voahasina "rhum"
17. pissoa ( 29/02/2008 22:33)
Nope, toa rehefa raisina amin'ilay hoe "tsy misy resaka sarin-teny" ilay izy ry Fijo vao maika mampiseho ny mahaAndriamanitra Azy : ny hitoerana amin'ny olona sy ilay mofo dia efa mila fahefana "divine" kely farafaharatsiny :-D:-D:-D
18. ikaretsaka ( 29/02/2008 22:39)
izay mantsy .. izay le maha "divine' an'i lery izay hoe sady afaka nofo no mizara mofo lasa nofo izay


19. soanja ( 01/03/2008 03:26)
Raha tsy diso aho dia nisy fiafarany io teny io hoe : "ataovy izao ho fahatsiarovana ahy!"

Raha te hahatsiaro azy fotsiny isika dia mazava ny teniny satria tsy voatery hatao foana io fa rehefa tonga ny fotoana iray hahatsiarovana azy. Toy ny Noely izay nahaterahany sy ny hafa maro mifandraika amin'izany.

Mba hazavao anie ny saiko raha possible ry Ika fa tsy azoko tokoa ilay resaka mistika azafady Ranadahy.
20. niryna ( 01/03/2008 04:47)
Ny soratra masina dia manambara zavatra fito hilazan'i kristy Azy raha nanomboka nanao ny asan'Atra Izy ..ary dia nasehony tamin'ny teny hoe .."Izaho no...."
ka iray amin'ireo ny hoe "Izaho no mofon'aina "
*1- "Izaho no mofon'aina"; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.Jaona 6:35 :arrow: 53 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.

Ara-panahy io fa tsy ara-nofo intsony.Ny nofontsika vokisana sakafo na mofo ary ny fanahintsika kosa dia vokisana ny tenin'Atra ka mofon'aina no hilazana azy.

*2-" Izaho no fahazavan'izao tontolo izao"; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina. Jaona 8:12
*3-" Izaho no vavahady"; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9
*"4- Izaho no Mpiandry Tsara"; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.Izaho no mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, Jaona 10:11,14
*5-"Izaho no fananganana ny maty sy fiainana"; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25
*6-"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Jaona 14:6
*7- Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.".." Izaho no voaloboka, hianareo no sampany". Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:1,5
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2824