Hataon'Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
21. Rasiligaoma
(
01/03/2008 05:08)
marina daholo izany ry niryna fa ilay mofon'aina naparitany ny resaka eto ry niryna (sy ny fihinanana ilay Nofo sy ra) fa aza avilana ho HS e
IO no asaina traiter-nao fa aza ovaina
Ahoana ny fahazoanao azy io?
Ahoana ny fiainanao azy?
Jesoa: "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo".
IO no asaina traiter-nao fa aza ovaina
Ahoana ny fahazoanao azy io?
Ahoana ny fiainanao azy?
22. Fody
(
01/03/2008 13:48)
Eny ary ndao alaina hoe vatany iny . De inona amin'ny vatan'i Kristy zany iny azafady? tongony, aferony sa inona? inona no tsy hahasari-teny an'iny. Raha misotro aho dia divay no tsapako. Raha atao ny analyse de ahita aho fa divay iny. Tsy hivadika ra mihitsy akory!
Voalohany aloha dia mahaiza manavaka ny antsoina hoe: "substence sy ny atao hoe matière".
Raha nilaza i Jesoa fa vatany ny mofo, ary Ràny ny divay, rehefa avy nohamasininy, dia mbola mofo sy divay ihany no hita teo fa tsy Rà sy Nofo akory. Nefa dia tena nolazainy fa Vatany ny mofo ary Ràny ny divay.
Izany hoe: ny substence ny mofo sy ny divay no niova ho substence ny Vatana aman-dràn'i Kristy. Izay fihovana izay dia tsy nanova ny matière velively, fa nijanona amin'ny endriky ny mofo sy divay ihany izy.
Noho izany: ny mofo sy divay dia tena Vatana aman-dràn'i Kristy, ary feno an'i Kristy manontolo (Velona)
Ny finoana ihany hoa no mitondra an'io. Tsy voatery ara-bakiteny ny finoana ary tsy voatery ho sarisary koa. Afaka mifandimpatra ary afaka mifandray. Ny zavadehibe dia ny Fitiavan'Andriamanitra antsika!
Tsy miankina amin'ny finoan'ny olona no maha-masina na tsia ny Mofo sy ny Divay, ny maha Vatana aman-dràn'i Kristy azy na tsia, fa masina iny, ary tena vatana aman-dràn'i Kristy satria Izy Andriamanitra no manamasina sy manova azy.
Ny tsy finoana dia tsy mampiova ny Eokaristia tsy ho Vatana aman-dràn'i Kristy
Raha tsy diso aho dia nisy fiafarany io teny io hoe : "ataovy izao ho fahatsiarovana ahy!"
Raha te hahatsiaro azy fotsiny isika dia mazava ny teniny satria tsy voatery hatao foana io fa rehefa tonga ny fotoana iray hahatsiarovana azy. Toy ny Noely izay nahaterahany sy ny hafa maro mifandraika amin'izany.
Tsy diso ianao fa misy teny tokoa eo hoe: "Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy".
Na io teny io aza anefa dia mbola manamafy izay voalaza izay.
Ny dikan'ny teny hoe: Fahatsiarovana ho an'ny Jody dia misy roa.
1 - Fahatsiarovana toy io voalazanao io (fahatsiarovana tsingerin-taona)
2 - Ny iray kosa dia mahatonga ilay tranga ho present amin'ny fomba realy. Ilazana fa Kristy dia Ankehitriny (Present) fa tsy lasa akory (Passé).
Ary amin'ny fotoanan'ny lamesa dia i Kristy no manolotra ny sorona sy atao sorona.
Hanampy anao hahazo misimisy kokoa ny misterin'ny Eokaristia dia halalino ny atao hoe: Paka Jody aloha.
Misaotra anao
23. Fody
(
01/03/2008 13:51)
Hataon'Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
Amin'ny alalan'ny Eokaristia.
Voavaly ny Fanontaniana, fa mbola mitohy ny ady hevitra.
Misaotra.
Amin'ny alalan'ny Eokaristia.
Voavaly ny Fanontaniana, fa mbola mitohy ny ady hevitra.
Misaotra.
24. ikaretsaka
(
01/03/2008 14:31)
izaho vao saika hanipika ny maha samihafa ny matiere sy ny substance io sy ny hoe mahaiza aloha mamantatra sy manavaka ireo .. kay efa nohazavain'i fody..
misaotra betsaka fody a
misaotra betsaka fody a
25. soanja
(
01/03/2008 17:37)
Fody:
Hataon'Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
Amin'ny alalan'ny Eokaristia.
Voavaly ny Fanontaniana, fa mbola mitohy ny ady hevitra.
Misaotra.
Sarotra amin'ny tsy mpino an'io ny hahalala sy hahatsapa fa io no izy sy ny valiny. Saingy samy manana ny fandraisany azy ny olombelona ary izay no lesoka nefa koa hatsarana ananantsika!
26. ikaretsaka
(
01/03/2008 18:00)
ka le izy anie ry soanja voaova e... na mino ianoa na tsy mino
ohatran'ny hoe io soanja io ... io misy io.. na hino aho na tsy hino dia io soanja!
Tsy miankina amin'ny finoan'ny olona no maha-masina na tsia ny Mofo sy ny Divay, ny maha Vatana aman-dràn'i Kristy azy na tsia, fa masina iny, ary tena vatana aman-dràn'i Kristy satria Izy Andriamanitra no manamasina sy manova azy.
Ny tsy finoana dia tsy mampiova ny Eokaristia tsy ho Vatana aman-dràn'i Kristy
ohatran'ny hoe io soanja io ... io misy io.. na hino aho na tsy hino dia io soanja!
27. fijo
(
04/03/2008 23:55)
ary lasa fizika indray no hanazavana ilay finoana eto?????sady asiana fizika ilay izy no atsofoka ihany le finoana eny ampovoany eny.
rehefa mofo dia mofo ary rehefa dovay dia dovay fa fandrebirebena olona ny sisa.
rehefa mofo dia mofo ary rehefa dovay dia dovay fa fandrebirebena olona ny sisa.
29. fijo
(
05/03/2008 22:49)
ka io saina no manao azy.
ny mofo iray izao azontsika lazain ahoe io boda,na io jesoa ,na io fijo.hevitra fotsiny iny.fa mofo io.
ny mofo iray izao azontsika lazain ahoe io boda,na io jesoa ,na io fijo.hevitra fotsiny iny.fa mofo io.
