Iza no tena tia hikolokolo ny vahoaka ho MPANARADIA

1. Jeankely ( 21/02/2008 03:25)
Fa inona no tena tiana ho tratrarina. Tiana handrodana ny fitondrana haingana ny vahoaka ary tsy ampahalalana azy akory hoe ho aiza na ho aiza sa ahoana? Resahina ny fahasahiranana ka midika ve fa tsisy fahasahiranana intsony rehefa manaraka ny hevitrao sa mbola miankina @ asan'ny tsirairay ihany koa sa efa tia hitaingina ny vahoaka indray. Samy milaza tia Tanindrazana ve nefa faly sy mibitaka @'ny tsy fahombiazana miseho na atao mihintsy izay tsy hivoahana. OMEO NY MARINA NY VAHOAKA ARY ATAOVY MAHALALA NY LALANA ASIANY NY TONGONY FA TSY ATAO VAROTR'OMBY ANATY AMBIATY.
novalian'i kanota ny 24/02/2008 11:22
2. rahiratra ( 21/02/2008 03:36)
Ny mpanao Politika Malagasy voakolokolo tamin'ny fomba lany andro dia ny seza no tena himasoana. Ny hampsolafaka ny mpifanandrana no hisongadinana ary iny no ahazoana seza. Tsy vaindohandraharaha ny ampivoarana ny firenena sy fampiakarana ny haavon'ny sain'ny olona fa zara aza ilay olona hiaino ary hanaraka izay lalana hitaritana azy satria mety haka na angataka seza koa raha mitombo fahalalana. Tena tiany mihintsy ny mijery ny vahoaka ho donto ary heveriny ho lalaovina sy entina @'izay reviny hatrany ny vahoaka.
3. Jeankely ( 21/02/2008 03:48)
Misaotra anao. Fa tsy misy dingana (step, Stage) ve ny firenena lasa lavitra ireo fa avy dia tafita sy mahita fivoarana tampoka sahala ny olona vao tonga andafy? Jerena sy resahina fotsiny dia vita daholo ny fotodrafitrasa rehetra ary vita manerana ny Nosy sy eran'ny Fokontany tsirairay sa mila kotrana mafy? Tsy mila harovana izay mpitondra lazaina tsy halehany fa ny fanontaniana dia hoe MBA HALEHANY VE NY MPAMPIRESAKA ARY NAHAVITA INONA? Rehefa mazava ny lalana hain'ny olona ny hatao fa ny resaka any amin'ny RAHONA angamba tsy mety.
4. kanota ( 24/02/2008 11:22)
Olona tia hitaingina ireo ary miova endrika fotsiny ny Bazylou, Tezitra sy ny Badboy. Samy hiraky ny lany andro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3752