MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)

1. DadaRabe ( 20/02/2008 21:33)
Miarahaba,

Tsy ho lava resaka aho fa ny eritreritra manitikitika ny saiko no ambarako. Matetika aho rehefa miresaka aminareo namana, na mifanatrika , na an-telefaonina, na amin’ny internety ka miady hevitra momba ity Madagasikarantsika ity, dia maro ny lohahevitra tonga ao an-tsaiko. Ny tiako ho asongadina manokana satria izay no hitako lehibe indrindra dia ity ambarako manaraka ity.

« Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».

Raha ny mpitondra, ny mpanohitra, ny vahoaka no miasa noho ny fitiavana tanindrazana fa tsy noho ny fitiavan-tena dia izay no fiandohan’ny fandrosoana.

MILA FITIAVANA na ny resaka, na ny ady hevitra, na ny asa, na ny ezaka sy izay rehetra ataontsika ho an’ny tanindrazantsika. Vetivety foana dia ho very ilay tanjona raha toa ka miala ao am-pontsika ilay fitiavana.

…Dia ilay fitiavana mirehitra ao anatintsika lalina toy ny afo sy fanilo manazava ny lalantsika ;
…Dia ilay fitiavana mampidoboka ny fontsika ka mahatonga antsika hiroso am-piravoana ho amin’ny asan-tanindrazana ;
…Dia ilay fitiavana mandresy ny fitiavan-tena ka hahafahantsika mahafoy ny fiainantsika, eny hatramin’ny aintsika aza raha ilaina ho an’i Madagasikara.

Tsy hifanerena ny fitiavana fa vokatry ny fo !

« Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra ! »

DadaRabe
19/02/08
novalian'i DadaRabe ny 26/02/2008 23:44
2. soanja ( 23/02/2008 04:48)
DadaRabe:

manaiky anao ampitoniana ny tenako. :-*:-*:-*(l):):)

3. Rasiligaoma ( 23/02/2008 07:37)
tandremo sao ilay fitiavana iray fa iny tsy mety: le fitiavantena sy fitiavam-boninahitra sy dera
4. DadaRabe ( 23/02/2008 14:05)
Miarahaba,

Soanja> Mila tsy mangatsiaka ny fitiavana ho entina hiatrehina ny fiainana.

RAsiligaoma> MArina ny voalazanao ary hevitra voatsakotsako tsara toy ny siligaoma.
NA ny fitiavana madio sy vonona hiatrika ny asa masina aza dia mety hivadika ho fitiavam-boninahitra sy fitiavan-tena raha sanatria ka tsy mitandrina.

Tsy kely lalana ny ratsy !

DdRb
5. ikaretsaka ( 23/02/2008 18:41)
fitiavana daholo izany
6. DadaRabe ( 25/02/2008 23:54)
Fiainana ihany koa !

MAhereza foana é

DdRb
7. ikaretsaka ( 26/02/2008 00:16)
Mila mitandrina rehefa mampanjaka fitiavana izany
8. DadaRabe ( 26/02/2008 23:43)
ie, mila fitandremana fa ny fo ranomafana !

DdRb
9. DadaRabe ( 26/02/2008 23:44)
ASA SY FITIAVANA

Fa raha tsy misy intsony hitia ny mahagasy,
Afa-ts'izaho sy ianao dia izy koa angamba?
Dia hihombona isika, fa tsy hilasilasy,
Hamerina indray, 'lay habakaba-manga.

Dia hofongarintsika, 'reo very sy efa adino,
Nafenin'ireo lasa, ka zary taolambalo;
Hajorontsik'indray, ahatonga ny hafa hino,
Fa azontsika arodana, 'lay fefy mihalohalo.

Fa raha lasa izy, k'izaho sy ianao no sisa,
Dia atambatsika ny hery, tsy hiondrik’hitomany,
Na koa hifendrofendro na jenjin'hitanisa,
'Reo ady mbola atrehina, na sarotr'aza izany.

Mpirahalahy mianal'isika, k'ianao ataoko andry,
Izaho ho tokinao, hanivatsiva lalana,
Hifampahery fo, hanenjana ny sandry,
Raha toa ilain'izany, hanova ny lalàna.

Fa raha tsotsori-mamba, ka lasa koa ianao,
Kivy sy efa ketraka fa toa voatevateva,
Ka leon'ny lazon'ady, matahotr'ady vao,
Dia matokia ry lahy! bedaiko ilay faneva.

Fa ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana ny namana,
Ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana fananana,
Ny asan-tanindrazana, tsy an-tery na tambazana,
Fa ny asan-tanindrazana, dia "ASA SY FITIAVANA"

DadaRabe
Marseille
22/02/00 16:30
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3785