Malaza ho tia fihavanana ny malagasy nefa...

1. ni81 ( 18/02/2008 20:06)
Fandre matetika io teny io, kanefa eto @ sera² dia mila tsy ho hita intsony izany indraindray fa lasa mifampiandry kendry tohana hifandramatra fa tsy hiady hevitra na hifanoro no atao. Any @ serasera gasy hafa moa dia misy mihitsy mifampihantsy @ resaka firazanana sy fihaviana na dia misy fitsipika milaza aza fa tsy azo atao ny itsy na iroa. Toa lasa manao mpitari-bato vilam-bava...
novalian'i ni81 ny 21/02/2008 07:05
2. simplex ( 18/02/2008 20:51)

:D:D:D

in no atao ho anao aloha e, kafe, dite sa ranom-boakazo? :P
3. ni81 ( 18/02/2008 21:17)
Ranom-boakazao raha mety!
4. ni81 ( 18/02/2008 21:18)
ranom-boakazo raha mety!
5. rabingogilabanga ( 18/02/2008 21:19)
-miandry an'ise tsara mihintsy aho...
-aza mba tratrako any @... , ise io le aza!
-tonga dia ho ...

....

-ho toriako fitiavana e!
6. penina ( 18/02/2008 21:25)
ni81:
Fandre matetika io teny io


Fa saingy ny gasy ihany no toa mpiteny azy. Azo atao hoe doka tena ihany. Dokafy hanitsaka.

Fahiny ela be izany, fa vao nanonmboka ny fanandevozana teto Madagasikara dia efa nanomboka tsy hita intsony io. Ny eoropeanina no nitarika ny fanandevozana teo amin'ny samy malagasy. Ry zareo no nampianatra ny fomba fiandrianana: ny saranga sns. Avy eo ry zareo no nanasaratsaraka hanjakany.

Ary mandrak'ankehitriny dia manaiky ny tarazo mapetraky ry zareo isika.
7. tess ( 18/02/2008 21:36)
Malaza ho tia fihavanana ny malagasy nefa...

taratra ivelany fotsiny :-/

andao marina isotro rano kely alou!
8. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:33)
ni81:
Malaza ho tia fihavanana ny malagasy
izany tokoa ve?
penina:
Fa saingy ny gasy ihany no toa mpiteny azy. Azo atao hoe doka tena ihany. Dokafy hanitsaka
9. ainaheri ( 19/02/2008 04:23)
Ny fitandrovana ny fihavanana amiko, miankina @ ara-materialy sy ny toe-tsain'ny tsi11,matetika ny oul sasany masahy manao tsinotsinona olona refa mba misy kely any ampelatanany,ao ko mo ny sasany efa toetra raiki-tapisaka hany ka zara lasa fahazaran-dratsy manao ny tsy tokony atao(hevitro za samirery)
10. mitia04 ( 19/02/2008 04:37)
ny karàna ry zareo no tena tia fihavanana a, jéréo angé reny karàna reny e, ra vo misy solafaka d iny fa hanaovana cotisation haingana d hanokafana quincaillerie haingana lé voa mafy, nareo vé efa nahita gasy nifanao an'izany? iméhézana aza zé mianjera, na mody hoe "mamangy am fahoriana" d vita!
11. penina ( 19/02/2008 04:52)
mitia04:
ny karàna ry zareo no tena tia fihavanana a

Fa apoakany amin'ny baomba fotsiny ny piraiminisiny.
12. mitia04 ( 19/02/2008 04:57)
penina kounkou a! aiza ary no ahalalako an'izany! kou fihavanana no resaka koa!:-D
13. penina ( 19/02/2008 05:12)
:-D

Izao ary eh, korotana be izao any Pakistan dia tsy maintsy mifampitsinjo ny karana satria raha voadaka miala ao Madagasikara dia tsy misy atokona.
14. ni81 ( 19/02/2008 07:00)
Ka ahoana ary izany no mba fahitanareo ilay nolazaiko hoe: ao @ sera² gasy hafa dia misy toa manao fihantsiana mitanisa firazanana sns :!:
15. LazaDaddy ( 19/02/2008 07:08)
ni81> angaha misy menatra amin'ny firazanany sa inona no tianao ambara sao tsy azoko?
16. ni81 ( 19/02/2008 07:24)
Tsy hoe menatra @ firazanana, tsy misy pb amiko io!Tsy any ilay tiako ahatongavana fa mba misy fiteny tsy tokony ho lazaina intsony @ zao taonjato izao fa maratra ny sain'ireo voatonona tao!
17. simplex ( 19/02/2008 13:16)

Ny tena marina, lasa ohatry ny ohabolana izy io e, ampiasaina @ ilana azy, indrindra rehefa hikabary :)

Na tsy marina aza d mba atao sotoavina e, hampitaina @ zanaka amam-para ;-)
18. Kapistra ( 19/02/2008 17:19)
Malaza eran-tany mihintsy io an!
Tena tia fihavanana ny malagasy,tsy ny fifanejehana kely @ net akory no hilazana azy hoe tsy tia fihavanana fa jereo amin'ny maso lehibebe kokoa 'zany hoe ny ankapoben-javatra no jerena ,tena marina ny voalazan'i penina ery ambony;
Foko 18 nandritra ny taona maro tsy niady ;niezaka nampiady ny vazaha fa tsy tafavoaka mihintsy 'lay izy.Mety nisy kely ihany ny fifanenjehana majinijinika nohon'ny resaka politika fa ny malagasy dia olona tena tia fihavanana.Miaiky 'zany izao tontolo izao.
ny vola fotsiny no manahirana amin'ny malagasy ,ka eo no teraka ny fialonana kely,'zany hoe ory hava-manana.Dia ny samy manana sy ny samy mahantra no mifankatia bebe kokoa.Mbola maro no azo hambara fa efa lavabe ny resaka ka mialatsiny indrindra
19. naughtyboy ( 19/02/2008 17:37)
miray hevitra @ simplex oe ampitaina @ zanaka amampara:wink:tsisy hafa 2 mahaizy (indentity )oul 1 zay any no mahamalagasy ankoatry reo hafa efa voalaza sy ny tsy voatanisa..
20. Veloo ( 19/02/2008 18:15)
Malaza ho tia fihavanana ny malagasy nefa


otrany efa mivadika ny pejy @ io...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2712