Taom-baovao an'ny Sinoa .Tsara ho fantatra.

1. niryna ( 08/02/2008 06:56)
Mankalaza ny taom-baovao ny Sinoa rehetra eran-tany ny andro 07 /02/08.
Andron'ny voalavo amin'ity taona ity Na " Year of rat"
http://www.umaine.edu/hudsonmuseum/images/yearoftherat.jpg

Maharitra dimy ambin'ny folo andro izany fety izany ka ny andro sasakalin'iny ry zareo dia mankalaza ny fety miaraka ny fianakaviana,manao fisaorana,ary mivavaka sy manome voninahitra ny lanitra sy ny tany,ireo Atry maro sy ireo fianakaviana nialoha lalana na efa maty.
Ny sasakalina dia misy tsy mihinana sakafo fa manadio ny vatana iray manontolo.

Andro voalohany : maro no tsy mihinana sakafo,indrindra ny hena noho ny finoana fa mety aha ela velona azy ny tsy fihinana an'io amin'io andro io sady mino koa izy fa hanana fifaliana amin'ny fiainana koa izany.


Andro faharoa: Ny sinoa dia mivavaka ny razany sy ireo karazana andriamanitra marobe Ary tena tia alika mihitsy ry zareo ary dia omeny sakafo tsara ny alika amin'io andro io.Ny finoany ihany koa no milaza fa io no andro fankalazana ny nahaterahan'ny alika rehetra.

Andro fahatelo sy fahaefatra dia natokana ho an'ireo vinato lahy rehetra manome voninahitra an'ireo rafozany.

Andro fahadimy dia mijanona ao an-trano daholo ny olona miandry an'ilay Andriamanitry ny Harena.Tsy misy olona mamangy na mitsidika fianakaviana amin'io andro io,araka ny finoany fa miteraka vitan-dratsy ho azy ireo avy izany.

novalian'i niryna ny 10/02/2008 06:42
2. niryna ( 08/02/2008 07:11)
Andro faha-enina: mamangy ny fianakaviany sy ny namany ny rehetra ary dia mivavaka any amin'ny tempoly mba ahazo harena sy fahasalamana

Andro fahafito dia natakana ho an'ireo mpamboly izay mampiseho ny vokany ary dia manao karazana zava-pisotro amin'ireo vokatra ireo izy.Mihinana trondro manta ho mariky ny fahombiazana teo amin'ny fiainana.

Ny andro fahavalo dia ireo olona avy any Fuji na ny Fujiana dia manao fihaoanana manokana amin'ny fianakaviany ary misakafo alina ka mivavaka ny andriamanitry ny lanitra (Tian Gong)

Ny andro fahasivy dia manao rakitra ho an'ny
The ninth day is to make offerings to the Jade Emperor.
http://images.china.cn/images1/200704/391139.jpg

Ny andro fahafolo ka hatramin'ny roa ambin'ny folo dia manasa ny namana sy ny fianakaviana

Ny andro faha telo ambin'ny folo,noho ny sakafo marobe nifandimby nohanina nandritra ny andro maro dia sakafo maivana no hohanina.

Ny faha efatra ambin'ny folo andro dia manomboka manomana ny andro malaza ,ny fankalazana ny arendrina izay atao ny andro faha dimy ambin'ny folo alina.

Misy filaharana eraky ny tananana ary mandeha ny tsipoapoaka na atoandro na alina amin'io andro io.

3. niryna ( 08/02/2008 07:24)
Feno fandravahana ny trano fandraisam-bahiny:
Feno voninkazo ny tranom-bahiny ary voninkazo velona miaraka amin'ny voasary sy ny mandarine(oranges sy tangerines) ,ary feno karazana vatomamy ihany koa. Ny rindrina misoratsoratra teny mamy. Ary teny misy resaka volana,kintana,harena,fifaliana,lava andro hiainana sns..izay amin'ny taratasy mena.

Ny voninkazo sy ny zava-maniry :
Araky ny finoan'ireo sinoa dia mariky ny fahaterahana indray ny zava-maniry izay mivelatra.Ary ny voninkazo dia mariky ny harena sy ny toerana ambony amin'ny asa izay atao.Ka dia manambitana izany trano misy zava-maniry mamony amin'io taom-baovao io.
Plants and Flowers


Oranges sy ny Tangerines na mandarine
Ny finoandry zareo dia milaza fa tsy maintsy mitondra ireo avy ny olona izay mamangy fianakaviana mandritra ireo 15 andro ankalazana io fety io.
Ary mariky ny fifaliana mitafotafo no antony anaovana an'izany.
4. niryna ( 08/02/2008 07:50)
Amin'ny andro voalohany dia tsy mahazo manasa loha ny olona fa manoto vitana mandritra ny taom-baovao izany.Manao akanjo mena ny olona ho mariky ny hazavan'ny masoandro sy ny fahazavana amin'ny ho avy rehetra.
Ny finoandry zareo koa dia manamafy fa izay toetra ataonao amin'iny andro voalohany iny dia hoentinao mandritra ny taona.

Mbola finoana ihany koa dia tsy mahazo miarahaba olona ao amin'ny efitrano fatoriana ka na marary aza dia ao amin'ny fandriambahiny ihany no arabaina mba tsy hiarovana ny vitandratsy
Tsy mampiasa antsy na hety ry zareo amin'io andro taom-bavao io fa manapaka ny harena hono.
5. tywa68 ( 08/02/2008 08:27)
Dia misy koa fomba ratsy ataon'i sinoa :x
http://www.furisdead.com/feat/ChineseFurFarms/
6. ainaheri ( 08/02/2008 13:17)
tena sahy lery ka,ra za manao an'reny ,1 alina tontolo angamba tsy maita tory kozy e
7. rabingogilabanga ( 09/02/2008 16:39)
你好, 你好!谢谢!再见!明天见!
8. niryna ( 10/02/2008 06:33)
tywa68:

Dia misy koa fomba ratsy ataon'i sinoa :x
http://www.furisdead.com/feat/ChineseFurFarms/

mampalahelo ilay ataon'ilay olona.
Ka na mividy trondro koa aza ny tena tonga dia kapohany velona ilay lohan'ilay trondro kely :x .Tsy hita eritreretana ilay izy sady izaho koa moa tsy mbola namono akoho izany hatramin'izay fa toa mampalahelo ahy ilay izy na dia hoe mila mivavaka hoy i mamanay izay rehefa mamono akoho izy.
Eny e ,maro ny firenena mamono biby.

9. niryna ( 10/02/2008 06:33)
ainaheri:

tena sahy lery ka,ra za manao an'reny ,1 alina tontolo angamba tsy maita tory kozy e

hitakou,tsy matahotra izay hatahorako :D

10. niryna ( 10/02/2008 06:34)
rabingogilabanga:

你好, 你好!谢谢!再见!明天见!


inona daholo ireo?
11. niryna ( 10/02/2008 06:42)
toy izao kosa ny filaharana ataondry zareo isan-taona :D
http://cache.eb.com/eb/image?id=82572&rendTypeId=4
http://cache.eb.com/eb/image?id=66217&rendTypeId=4
http://www.blogsouthwest.com/wp-content/uploads/2007/04/of505903911.jpeg
http://www.powellstreet.com/images/2007-chinese-new-year-parade-fans-image.gif
http://203.147.135.209/asset/1/images/CNY-2008-full.jpg
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4343