bassin etroit rehefa hiteraka

1. xxx ( 02/02/2008 20:48)
ahoana kay le hoe bassin etroit de tsy maintsy atao cesarienne de mety misy fiantraikany ve rehefa avy mididy sa tsy misy atahorana
2. soanja ( 03/02/2008 15:53)
xxx:

ahoana kay le hoe bassin etroit de tsy maintsy atao cesarienne de mety misy fiantraikany ve rehefa avy mididy sa tsy misy atahorana


Tsy misy atahorana rehefa miteraka ka mila didina ka. Efa mahay tsara an'io ny dokotera. Ny hoe fiantraikany alo de tokony tsy hisy ara-pahasalamana fa dia mitsabo fery no betsaka refa avy eo. Mitandrina tsara, tsy manao hetsika be loatra mandritra ny fotoana voafetra. Tsy maintsy misy faritra hita hoe nodidina eo amin'ny kibo alo.


3. Rafotsy ( 03/02/2008 16:32)
xxx:

ahoana kay le hoe bassin etroit de tsy maintsy atao cesarienne de mety misy fiantraikany ve rehefa avy mididy sa tsy misy atahorana

Tsy forcé hoe césarienne kalou fa araka ny haben'ilay zaza ihany e ! Ny dernière echographie en principe no hangalany ny décision , kanefa na izany aza , raha vao mihetsika , dia raisindreo tahaka ny olona ho didina : tsy mahazo misotro rano , tsy mahazo mihinana !
Zah perso efa natao césarienne in - 3 , sahala ny intervention rehetra ihany saingy ny anésthésie no malefaka kely , satria grave hono raha tonga @ ilay zaza !
Mahazotoa e ary manaova mora e !:-*:-*


4. sakaizakely ( 04/02/2008 09:09)
fiantraikany amin\'ny inona moa ? amin\'ilay zaza sa amin\'ny fahasalamanao ?


momba ilay bassin etroit io ve ahoana no nahitana azy ?

raha ny tokony izy dia 1 volana latsaka alohan\'ny hiterahana no fanaovana radio du bassin dia eo no ahitana arakaraky ny refin\'ny lohan\'ilay zaza raha ho tafavoaka raha tsia

any dago mantsy hono mandeha ilay resaka hoe miray tsikombakomba ny reninjaza (SF) sy ny dokotera dia mody mamorona complications ilay SF de ataony hoe tsy maintsy césarienne, dia alefany any am lay dokotera miray tetika aminy ianao. Volabe manko no aloa @ césarienne toy izay mampiteraka tsotra any antrano. Dia mifampizara ilay vola izy roa tonta.
Izany hoe tsy tena voamarina ny fanaovana césarienne indraindray ka mila famakafakana tsara.

Ny hoe fiantraikany dia toy ny fandidiana rehetra ihany, misy fiantraikany foana na dia hoe kely fotsiny ihany aza

Ny tranonjaza voadidy io dia somary fragilisé noho ny tsy nodidiana, noho izany mila miandry 1 taona any hatanjaka tsara ny holatra izay vao afaka mitoejaza indray.

Ny fiantraikany hafa dia mety hoe voatery hatao césa koa ny zaza manaraka satria matetika dia atahorana sao tsy mahatanty contractions rehefa miteraka iny


Ary am maha fandidiana azy izay dia somary mafimafy ihany mandrapahasitran\'ny fery. Raha mahazo morphine 3-4 andro eo dia mba azoazo tsy hita loatra aza, fa indraindray mety misy complications kely dia mety marary maharitra

Tsy ho afaka mitsangana vetivety fa 2-3 herinandro eo vao tena afaka


Raha misy fanontaniana hafa dia aza misalasala
5. ravakamalala ( 04/02/2008 21:57)
ny henoko koa dia hoe tsy mahazo mihoatra ny 3 ny césarienne atao am vehivavy! tonga dia voafetra araka izany ny isan ny zaza!

nefa kosa possible ny hiterahana "voie basse " na dia avy manao césarienne aza!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2457