AZA MBA MARINA LOATRA hoy ny Baiboly !!!

1. midjoh ( 19/01/2008 13:24)
Fa maninona misy zavatra CON-tradictoire otran'izao ny ao anaty baiboly e ? (tena hita mihitsy fa tsy ny tena ny baiboly tonga aty Dago na diso fandika ry zalà)

Maninona sakanana tsy ho marina koa ny olombelona izay hita fa efa tsy manao ny marina, na dia efa terena hanao ny marina aza.

tsy azoko ! :-w
novalian'i prime ny 05/02/2008 12:26
2. rabingogilabanga ( 19/01/2008 14:38)
lazao eto aloha ny andininy, nefa na izany aza:

angamba tokoa: nisy tsy voadika ara-pahamarinana ny andalany vitsivitsy ao @ ny baiboly...

NA IZANY AZA ny aza variana @ antsimpiriany, ny hafatrin'ny baiboly ho an'ny olombelona dia tsotra:

fahotana (isika rehetra), avy eo fitiavana (ho antsika rehetra), famelankeloka, jesosy, lanitra,

c tout, na izany aza dia

angamba: "Tsy zakan'ny olombelona vesaran'ny ota ny marina", hoy ny fihirana katolika...

angamba eo @ le hoe: loatra no tena resaka: satria ny marina loatra, tsy afaka mamela heloka, nefa tsy maintsy mamela heloka impitopolo impito ianao, sa ahoana?

angamba:le fait de hoe: i tompo no tena marina feno, nefa jereo ny nanaovan' ny sanedriona notarihin'ny kaiafa, azy sa?

sa...ahoana...,
possible...

3. lapino ( 19/01/2008 14:41)
AZA MBA MARINA LOATRA hoy ny Baiboly !!!
Aiza ao no misy an'izany ? :roll:
4. midjoh ( 19/01/2008 15:36)
"Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?"
Mpitoriteny 7:16
Ka ahôna ! :-w
5. vale ( 19/01/2008 15:40)
midjoh:

Fa maninona misy zavatra CON-tradictoire otran'izao ny ao anaty baiboly e ? (tena hita mihitsy fa tsy ny tena ny baiboly tonga aty Dago na diso fandika ry zalà)

Maninona sakanana tsy ho marina koa ny olombelona izay hita fa efa tsy manao ny marina, na dia efa terena hanao ny marina aza.

tsy azoko ! :-w
Manaova ny Marina, dia refa sendra nanota enao mifona, ary tsy memerina intsony, fa tsy oe hanafitohana namana, zah androany, na hangalatra, avy eo mibebaka de lundi lasa ndray. Zay fazoako anazy, fa rah na vakinao de AàZ aza iny, rehaf tsy hajainao in ny dikany, ny tena tsara eo anatrehan'Atra dia mijanona honnête, sy mahafoy ny ainy, ny fitiavany, fa misy tambiny fona , refa misy oul tia anao de mandehana, izay le oe mahafoiza ny ainao,araka ny hevitso:-P:D:wink:(l):-*:-*:-*


6. rijadolly ( 19/01/2008 18:51)
Ny ratsy no tokony ho faty amin'faharatsiany hoy isika amin'fitsarana tsy miangatra.Ny mahagaga anefa dia misy marina maty amin'fahatsarany ,fahamarinany,satria dia samy zava-poana ireny hoy ny Mpitoriteny.Misy koa izy ireny miseho ho marina,hendry loatra(tsy manota ny fijerintsika azy).Manimba tena ny olombelona mitoky tena fa manao ny fahamarinana sy hendry satria tsy misy olona na iray aza tsy manota dia tsy mibebaka izireny noho ny fatokisatenany. http://baiboly.org/toko.asp?boky=MPITORITENY&toko=7&andininy=15-20&dika=
midjoh:
Maninona sakanana tsy ho marina koa ny olombelona izay hita fa efa tsy manao ny marina, na dia efa terena hanao ny marina aza.
Tsy manakana izy ka fa ny miseho marina izay mamita-tena no teneniny.
7. ikaretsaka ( 19/01/2008 19:04)
izay anie no tsy hi relieko loatra amin'ity mandray ara bakiteny @ ity hoy ny baiboly hoy ny baibolinareo ity e..
dinihi par context hoa
8. kiranil ( 19/01/2008 22:40)
Ne sois pas juste à l'excès, et ne te montre pas trop sage: pourquoi te détruirais-tu?

Fahendrena io.

1- Raha mety ahafaty anao ny filazana fa : "Mr Hery dia manana maso anakiroa" dia aza tenenina fotsiny izany; na dia iarahana manaiky aza fa marina aza.

Aza tenenina hoy aho, fa tsy hoe mandainga na mamorina hoe "telo ny mason'i Hery".

Mitovy amin'ny hoe: "ny marina rehetra tsy filaza".

2- Misy koa ireo "miseho ho marina", namanamarin-tena hoe "tsy misy fahotana izany" na hoe "izaho tsy mpanota izany".

Eo anatrehan'Andriamanitra dia samy efa nanota daholo isika olombelona; fa ny maha samihafa azy dia misy ireo mihaiky ny fahotany ary nanaiky ny famelankeloka ao @ Jesosy Kristy, misy ireo mbola tsy nanaiky izany, fa mbola manamafy ny fony @ hoe :'izaho tsy mpanota izany sns.."--- vakio ny Romana 3 sy toko faha 4.


"Tsy misy marina na dia iray akory aza;

fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra;

nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy"


Asa na mazava.

Fehiny: Ny Soratra Masina tompoko dia mifameno fa tsy mifanohitra.



9. ikaretsaka ( 19/01/2008 23:10)
ary ny teny?
10. LazaDaddy ( 20/01/2008 02:37)
* Ne sois pas juste à l'excès
* do not be overrighteous[/b]

=> Aza mitady ho marina noho ny marina. Rehefa marina dia marina, ary rehefa diso dia diso, fa tsy misy marina tapatapany.

Noho izany raha heverinao fa misy "diso" ny "baiboly" eo am-pelatananao dia ario sy miova finoana fa tsy mahasoa ny mino zavatra tsy marina (na marina tapatapany). Amiko manokana aloha io dia marina :)
11. rijadolly ( 20/01/2008 03:27)
Misy fanampiny kely
Ny fisehosehona hoe manao marina na hoe zaho hendry dia mandratra,eny fa na dia ny manodidina aza dia voaratran'izany.Satria
-Mety diso fanatenana ny manodidina mahita tampoka ny fahadisoanao
(oh
tany Afrika:
"Efa nanomboka nahitra izahay dia nahatsapa fa Andriamanitry ny fotsihoditra ilay kristy,
-Mahatonga ny olona mitsara anao oh hoe aiza ny Andriamaniny?
12. ikaretsaka ( 20/01/2008 03:32)
LazaDaddy:

* Ne sois pas juste à l'excès
* do not be overrighteous[/b]

=> Aza mitady ho marina noho ny marina. Rehefa marina dia marina, ary rehefa diso dia diso, fa tsy misy marina tapatapany.

Noho izany raha heverinao fa misy "diso" ny "baiboly" eo am-pelatananao dia ario sy miova finoana fa tsy mahasoa ny mino zavatra tsy marina (na marina tapatapany). Amiko manokana aloha io dia marina :)


za tsy nanao hoe diso... fa nanao kosa hoe tsy ampy..
ka ny tsy ampy ve mbola ariana.. tsy aleo ampiana?


13. niryna ( 20/01/2008 06:16)
Izaho aloha dia fantatro fa ampy ahy ny baiboly e,na misy milaza tsy ampy aza,maninona no tsy omena eto izany ampy izany fa reraka fotsiny eo amin'ny fitsikerana sy ny fanoherana.Mba mahatsapa ve ireny olona ireny e?Tsy fantany fa mampalahelo izy ireny:cry:

5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.
8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny
tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,

9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;

12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.Rom 2

--------------------------------------------
Ny Mpitory 7:16 dia mitovy ny dikan-teny ao amin'ny Ohabolana 3:7 manao hoe:

Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.


7 Don`t be wise in your own eyes. Fear Lord, and depart from evil.

Ho an'ireo izay miantehitra ny tenany ihany ary ny asa ataony no lazainy fa ahazoana famonjena ,ireo dia ho very noho ny fahatokisan'ny tena fa tsy ny finoana an'i kristy miteny hoe izay mino no atao batisa,mino aloha izay ihany no tadiaviny fa tsy misy resaka asa izany.Ireo mpivavaka miteny an'ireo no tiana lazaina eto."Ity foana no teneniny raha efa naheno hianareo hoe ny finoana tsy amin'ny asa namany maty.".
Asa eto fanompoana an'Atra ary mila mino aloha dia avy eo manao ny asa.Fantatrareo no tiako lazaina fa tsy mety ho resy lahatra ry zareo dia izay no fantany fa mety aminy dia izay.
Izany no mahatonga ny fiteny ao amin'ny Ohabolana 3 manao hoe:

5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;


5 Trust in the Lord with all your heart, And don`t lean on your own understanding.

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,


6 In all your ways acknowledge him, And he will direct your paths.

:D
14. ikaretsaka ( 20/01/2008 14:34)
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

io ho'aho mahagaga ahy @ ilay tsimpona

dia raha tsimponina separately koa izao ny hoe
"fantaro ny zavatra rehetra, na ilay hoe andramo ka zahao"

dia hafahafa ihany..
15. kiranil ( 20/01/2008 21:45)
Ikaretsaka>
Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;


Mazava be izany teny izany. Tsy misy resaka tsimpon zany io. Ary tsy misy hevitra ambadika na iray aza.

Na ingahy mifidy ny ahatoky an'i Jehovah na tsia fotsiny dia izay.

Tsy midika akory hoe tsy tokony hanana fahalalana fa tokony ho tsarovana dia ny fahalalantsika olombelona dia voafetra; ary indraindray misy zavatra mety heverintsika fa marina nefa diso.

Ohatra: Mety milaza ny fahalalantsika na ny 'coco' antsika hoe 'tsy misy ny devoly'; dia mazava ho'azy fa diso izany tompoko raha eo anatrehan'Andriamanitra.

Asa na mazava.

Misaotra.


















16. niryna ( 20/01/2008 21:48)
kiranil:

Ikaretsaka>
Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;


Mazava be izany teny izany. Tsy misy resaka tsimpon zany io. Ary tsy misy hevitra ambadika na iray aza.

Na ingahy mifidy ny ahatoky an'i Jehovah na tsia fotsiny dia izay.

Tsy midika akory hoe tsy tokony hanana fahalalana fa tokony ho tsarovana dia ny fahalalantsika olombelona dia voafetra; ary indraindray misy zavatra mety heverintsika fa marina nefa diso.

Ohatra: Mety milaza ny fahalalantsika na ny 'coco' antsika hoe 'tsy misy ny devoly'; dia mazava ho'azy fa diso izany tompoko raha eo anatrehan'Andriamanitra.

Asa na mazava.

Misaotra.






















^:^ hosana any amin'ny avo indrindra.Izay fatra hamarana ihany no amaharana.Misaotra kiranil fa azonao ny tiako ambara.Izay no nampianarina azy ka raha tsy i kristy no hanova azy tsy ho fantany sy ho ekeny fa dia toheriny eny foana,mampalahelo
17. ikaretsaka ( 21/01/2008 03:21)
dia ahoana hoa ny momba ilay voateny koa hoe diniho sy jereo...
voalasa ao koa manko izay!

mahatonga anao hahatoky azy bebe kokoa ange ny fandinihinao ny momba azy nohon'ny hoe matokitoky zavatra tsy fantatra e..

betsaka (ianareo sy i niryna anisany) no milaza mino fa efa voaporofo teto rehefa mi demontre ny finoany fa miahotrahotra...
\matahotra ny mifanatrika amin'ny olona mampiasa saina mandalina ny finoana..

ary misy antony kao matoa atao taranja ny hoe fandalinam-pinoana ....
ao raha...
18. LazaDaddy ( 21/01/2008 09:21)
midjoh> voavaly ve ny fanontanianao e?

"Ne sois pas juste à l'excès".

Na ny teny hoe "juste" aza tsy mifanaraka amin'ny hoe "excès". Koa inoana fa azonao ny tian'ny voasoratra ambara: "Aza mitady fahamarinana mihoatra noho ny marina fa tsy misy izany" :)

Somary tohizako kely hoe...ohatra amin'izany ny "tsy anaovana fianihanana" fa rehefa "eny" dia "eny". Tsy manamarina na mampitombo ny fahamarinan'ny zavatra ambaranao velively ny "fianianana". Raiso ohatra ny mpanao politika :)
19. ikaretsaka ( 21/01/2008 15:03)
de tsy atao izany ilay mianiana eo ambony baib''s sy lakroa (sy sary masina) ireny ry LD rehefa any @ fitsarana?
20. LazaDaddy ( 22/01/2008 03:01)
"azo atao" sa "tsy azo atao"

ikaretsaka> nomena safidy malalaka ianao ka azonao atao daholo izay tianao atao rehetra na hianiana amin'ny Baiboly, na hanenjika ny Baiboly, na hino ny sampin'i dadarabe, na hanoko sampyle, na inona na inona...fa zakao ny vokany. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4744