AZA MBA MARINA LOATRA hoy ny Baiboly !!!

21. Rasiligaoma ( 22/01/2008 05:07)
nomena safidy isika ry LD nefa raha asaina mianiana ianao any amin'ny tany silamo dia eo ambny coran ianao no asaina mianiana, dia inona no ilazana azy amin'izay kay
na misy tsy kristianina ilay ampianianina eo ambony baiboly ireny rehefa mandeha loi, dia inona ny ilazana ireny?

safidy sa tsia?
eo indray isika ary
22. LazaDaddy ( 22/01/2008 05:55)
niala kely indray aloha ny solon'anarana ikaretsaka fa niditra i rasiligaoma :)

Rasiligaomaretsaka> mampihomehy ahy ilay ohatra nomenao sy ikaretsaka raha olona mihevitra ho "Kristianina" no milaza an'io :).

Fantatrao ve ny tantaran'ireo mpino mahatoky toa an'i Shadrach, Mishak, sy Abednego? Ooops! Tantara ao amin'ny Baiboly aloha ilay izy ka ilaina vakiana ny Baiboly raha te ahafantatra azy :)

=> Faithfulness :)
23. ikaretsaka ( 22/01/2008 14:16)
LD> fanamarihana : samihafa tanteraka aloha i ikaretsaka sy i rasiligaoma, ary ankizy bedebe mandalo ato an-trano..... tsy misy bizinesiko mihitsy izay ataony ary tsy misy bizinesiny izay ataoko rehefa mandalo ato amiko izy. iray fikambanana izahay rehetra ary mandalo ato amin'ny communaute-ko ato izy rehefa hanohy ny diany na mianavaratra na mianatsimo, dia mibojy ny wi fi -nay ato indraindray, tsy izy irery fa izay sendra mandalo ato dia manao toy io aby, betsaka ny namana efa tafahoana amin'ny disapora sy fihaonana ireny no mahafantatra hoe olona 2 samihafa izahay 2 lahy, afaka mijoro @ izany izy ireo

raha zavatra tsy misy idiram-pivavahana lalina be kosa ve (ohatra hoe hijoro fa nahita fa nangalatra akoho i koto ohatra) ka any @ tany karana ohatra! dia tsy hijoro ianao fa tsy baiboly no hianiananao?
8O
fanatisme izany fa tsy fitandroana ny fiaraha monina, sy fijoroana @ marina , na ny fampianarana sy ny didy hoe aza mangalatra sy aza mandainga.. fotsiny aza!:wink:

(ohatran'ny superficial be izany hoa ny hevitr'ise" tato ho ato e! tsy i LD mpandinika sy manam-pahaizana izany intsony "ise" fa lasa karazan'ny sovalim-botiry.... azafady sy aza atao mahatezitra fa ny ahy avantako izay moa rehefa miteny )
24. LazaDaddy ( 22/01/2008 20:36)
ikaretsaka> mampitsiky hatrany ny zavatra ambaran'ise. Rehefa tsy mianiana dia tsy mianiana ...na Baiboly io na Coran, na inona na inona, ary na fiarahamonina manery na iza :)

Ilay tantaran'i Shadrach, Mishak, sy Abednego nambarako mamiseho ny maha "mpanompo mahatoky" azy (faithful). Saingy araka ny efa voalazako moa dia tantara ao amin'ny Baiboly io ka ilaina vakiana ny Baiboly raha te ahafantatra azy :)
25. ikaretsaka ( 22/01/2008 21:02)
efa hita anie ny tantaran'i daniela fa aza ovain'i se ny resaka e.. fa ny fiainana andavanandro no resahiko..

Reality check 1:
raha atao mipetraka any libya ve hoa i LD ka nisy crime (namono olona ohatra) ka i LD no nahita ilay namono sy asaina mijoro alohan'ny fitsarana...
dia tsy hanao ve i LD satria Coran no hametrahana tanana?:roll:
eo ny fanontaniana izao!
Mitsikia amin'izay:D dia valio ny fanontaniana:wink:
26. LazaDaddy ( 22/01/2008 21:06)
Azon'ikaretsaka ve izany hoe mianiana? Aza afangaro amin'ny fijoroana amin'ny marina...sao hitady ny marina mihoatra noho ny marina koa ise :)
27. ikaretsaka ( 22/01/2008 21:14)
ka inona no atao rehefa mianiana, sy mijoro amin'ny marina.. any @ ireny toerana courthouse ireny?
eo isika izao!:-P
28. midjoh ( 24/01/2008 10:23)
niryna:

Izaho aloha dia fantatro fa ampy ahy ny baiboly e,na misy milaza tsy ampy aza,maninona no tsy omena eto izany ampy izany fa reraka fotsiny eo amin'ny fitsikerana sy ny fanoherana.Mba mahatsapa ve ireny olona ireny e?Tsy fantany fa mampalahelo izy ireny:cry:


Raha hampitahanao fotsiny ny baiboly katôlika sy ny Prostestanta dia hita fa misy boky ao @ ny an'ny katôlika tsy ao amin'ny protestanta nefa ny an'ny katôlika mbola tena tsy ampy lavitra mihitsy raha hampitahaina @ an'ny Judaisma. (manotania pasteur na mopera raha otra ka tsy mino)

Ka inona no porofo mbola tadiavinao amin'izany ? 8O


29. midjoh ( 24/01/2008 10:39)
Ikaretsaka sy LazaDaddy > Andriamanitra iray ihany no Hinoan'ireo antoko mpinoana ireo : Silamo sy Kristianina fa fotsiny ny Silamo tsy mino fa Jesoa Kristy dia Andriamanitra zany hoe tsy manaiky ny "Andriamanitra tokana fa olona telo na Trinité masina"

Ka eto tsy resaka fahamarinana eo an'ivon'ny finoana fa fahamarinana manoloana ny zavatra atao.

Izy io manko dia efa nolaliniko ihany ka ny fahazahoako azy dia hoe "Ekena ihany ny Hanaovanao RATSY" Satria, ratsy misy anie ny mpanao ratsy tsy misy "automatique" ny mpanao tsara e ! Ka tsy ho foana ny mpanao ratsy raha tsy foana ihany koa ny mpanao tsara.

Sady na inona ataonao na inona ataonao dia afaka kianina foana enao amin'ny alalan'ny teny ao anaty baiboly. Ka izay no hitenenako hoe tsy possible izany tsy hanaovana ratsy izany satria ahitana kiana foana izay ataonao raha mbola "mi-se référer" ao anaty baiboly ny olombelona.

AIZA VE KA NA DIA NY TENA MARINA AZA MBOLA VOAKIANA IHANY E !:(

Asa raha azonareo ny tiako ambara ?
30. rabilabila ( 24/01/2008 10:42)
hi!hi!hi!
31. ikaretsaka ( 24/01/2008 12:12)
misy tsy manao izany ..euh tsary mino an zany ry midjoh ..
nefa tena mitombina tsara ny hevitrao..
anontanio anie LD e
32. deric ( 25/01/2008 06:15)
Tsotra e!
Tsy midika io hoe manaova lainga, fa tsy voatery hoborahanao avokoa ny zavatra rehetra.
ohatra:raha misy manontany anao hoe "manam-bola ve ianao?", dia azo valiana tsotra hoe "manana" fa tsy voatery hianao hilaza ny isam-bolanao.
Ohatra koa hoe: Lazain'ny baiboly fa tsy nahalala an'i MAria i Josefa mandra-piterahany an'i Jesosy; saingy tsy nolaizainy amin'ny antsipiriany hoe: dia nanao firaisana amin'izay izy roa taorian'ny niterahany an'i Jesosy.
33. prime ( 25/01/2008 13:05)
midjoh> misy "nuances d'excès" ao ambadika ilay loatra fa tsy azo raisina à l'extrême hoe dia manaova ny ratsy izany satria manimba ny tena...
34. fijo ( 25/01/2008 23:42)
mahaiza mandanjalanja izay atao.izay no tiana lazaina angamba
35. midjoh ( 02/02/2008 08:00)
Ny dikany hoe "mandanjalanja" anie ka : azonao atao daholo ny zavt rehetra e! izany hoe ny ratsy sy ny tsara.

Ka noho izany tsy misy mpanota eto amboniny tany ary tsy misy marina ihany koa :-P
36. prime ( 04/02/2008 10:44)
Ny hoe tsy misy marina na dia iray aza dia voamarin'ny tenin'Andriamanitra araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy : "...Tsy misy marina na dia iray akory aza;" Romana 3:10

Fa ny hoe tsy misy mpanota dia mampandainga ny tenin'Andriamanitra araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy : "Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota." Mpitoriteny 7:20

midjoh> ny dikan'ny hoe "mandanjalanja" dia "mandinika sy mandalina am-pahendrena mba tsy ho diso fanapahan-kevitra" fa tsy hoe azo atao daholo... ahoana ary izany teny gasinareo izany???
37. ikaretsaka ( 04/02/2008 23:31)
izay izany... tsy misy marina .....
misaotra an'i prime @ le tsimpona
38. loick ( 05/02/2008 11:37)
izao no fazoko azy ohatra raha mitondra fiara ianao kanefa ianao no priorite kanefa misy sofera iray mihaona aminao ts mahalala izay tsy priorite ka nanapaka anao dia ho dominao ve izy satria ianao no marina tsy izay fa dia leferina ny fahamarinana fa tsy ny hoe ny ahy no marina(l)(l)(l):idea:
39. prime ( 05/02/2008 12:26)
Misaotra an'i loick...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078