Mivavaka: Inona no ilana azy?
1. Ylly
(
16/01/2008 11:49)
Mivavaka: Inona no ilana azy?
Mahery sy mahomby ny vavaka.
Rehefa mivavaka amin’ilay Andriamanitra Tsitoha izay nanao ny lanitra sy ny tany isika: dia toy ny mandeha mihitsy any amin’ireo faritra izay tena manohitra an’I Kristy. Misidina ka mihetsika amin’ny anaran’I Tompo isika ka mandingana ambonin’ireo sisin-tany samy hafa izay tsy azo hitoriana ny Filazantsara .. Tsy mijanona eo an-tafontrano fotsiny akory ny vavaka ataontsika fa mivantana avy hatrany eo amin’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana dia eo amin’izay itoeran’Andriamanitra.
Fitaovam-piadiana mahery indrindra ny vavaka.
Amin’ny maha kristianina antsika dia , tafiditra ao anatin’ilay ady ara-panahy isika araka izay ampahatsiahivin’ny teny ao amin’ny Efesiana 6:12 antsika:
"Fa iska tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra fa amin’ny fanapahana sy ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”.
Ary mitohy eo amin’ny andininy faha 18 izany:
”Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra..”
Ny vavaka no fiadiana mahomby indrindra handresena ny devoly. Andriamanitra ihany koa dia mangataka antsika mba hivavahantsika ho an’ireo mpanenjika (Lioka 6:28 ,Romana 12:14). Nantsoina isika mba tsy hamaly ny ratsy amin’ny ratsy fa ny mifanohitra amin’izany dia ny hanaovantsika izay tsara eo imason’ny olona rehetra.
Ny vavaka ihany koa dia manova ilay olona mivavaka
Tsy ho entina manova izao tontolo izao fotsiny akory ny vavaka, fa manova ihany koa ilay olona mivavaka. Izy.
Ianao ary ve ilay valim-bavaka avy amin’Andriamanitra ho an’ireo kristianina an-tapitrisany any amin’ny firenen-tsamihafa misy fanenjehana any?

novalian'i veromahefa ny 18/01/2008 10:57
2. cutie
(
16/01/2008 13:23)
mivavaka aho satria
miloatra avy ao am-po
ny tonom-bavako maneho ny fanajako sy fankatoavako
ny Tompoko Tsitoha
nitahy hatrizay
hatramin' ny taloha sy ho mandrakizay
fiv:
mivavaka aho satria tena mino
mino sy mankato
manaja sady tia an' Andriamanitro
mivavaka aho satria tena faly
faly sy manantena ny avotra
omena mandrakizay doria
mibahana ato am-poko
fanahin' i Kristy, mitaiza tsy miato
ka mahafaly ery
manesika ahy hivoatra
hiasa be kokoa
ka ataony tafaohatra ny hasoavako

3. mimi
(
16/01/2008 13:50)
Ny ilana ny vavaka ve ? Amiko raha mbola velona sy miaina isika tsirairay izany hoe raha mbola manana tombon'andro sy minitra hiainana dia ilaina ny vavaka satria avy amin'Andriamanitra no mbola hivelomantsika. Sarotra ho an'ny tsy mahatsapa ny fisian'Andriamanitra sy tsy mino azy anefa ny manana saina manaiky hoe ilaina ny vavaka . Firesahana sy fisaorana an'Andriamanitra izany e ! ary fametrahana ny fiainanao iray manontolo mandrakariva
eo am-pelatanany an'isany ilana vavaka izany satria raha ny herin'ny tenan-tsika samirery dia azo lazaina hoe zava-poana ihany . Manamafy ny efa voalaza etsy ambony ihany aho e!

4. niryna
(
16/01/2008 14:25)
Misaotra Yilly a,bravo cutie a,ary hisaorana koa mimi a
Ny atao hoe mivavaka dia isika miresaka amin'ATra tsy Toha nahefa ny zavatra rehetra,midera azy fa tsara izy,manandratra ny anarany ho avo indrindra ary misaotra azy noho ny fahasoavana nomeny antsika isan'andro.
Miresaka amintsika ATra avy amin'ny alalan'ny soratra masina,avy amin'ny alalan'ny fianarana sy ny fiahainoana ireo mitory amintsika.
Mivavaka? Inona no ilana azy?
Raha mila azy ilay olona fa raha tsy mila azy dia hafa indray io.
Amiko mivavaka aho mba ho velona ny fanahiko,satria ny vatana ny hanina no sakafony ary ny fivavahana kosa dia ny fanahy no velominy.
Ilaina ny mivavaka noho ny fahalalantsika fa :
-isika dia miaina ara-panahy ihany koa ka ny fanahintsika no tiantsika hifandray amin'ny fanahin'Atra .
-fangata-pitahina aminy
-fangatahana famelan-keloka aminy
-fisaorana sy fihobiana ny anarany
-fankalazana ny anarany fa tsara izy
-fifonana aminy ary fanekena fa any amin'ny irery no misy famonjena.
-fahalalana fa manasitrana ny fanahintsika izy ary mamela ny helontsika sy manadio antsika

5. veromahefa
(
16/01/2008 14:35)
Mila mivavaka isika satria mahatsiaro fa manota mandrakariva.
Eo no hanomezana voninahitra an'Andriamanitra, hisaorana Azy ny amin'ny zavatra ataony eo amin'ny fiainantsika, hamborahana ny tsy mety natao ka angatahana fifonana; hangatahana ny Fanahy Masina mba hitari-dalàna antsika;hanavaozana ny fanoloran-tena ho Azy.
Ny vavaka koa dia isan'ireo fomba hamantarantsika ny Sitrapon'Andriamanitra.
NY VAVAKA MANOVA ZAVATRA, hoy ilay hira izay izay

7. ikaretsaka
(
16/01/2008 14:56)
dia "rehefa miaina sy mi desire ianao dia mivavaka" hoy i Md Augustin
->> raha mila miaina sy maniry (mi desire) ianao dia =mivavaka izany

8. rijadolly
(
16/01/2008 15:51)
=D=D=D=D
+ ny mivavaka koa dia fomba iray entina hifankazarana amin'Ilay Tsitoa.

9. diamondra27
(
16/01/2008 16:12)
veromahefa:
Mila mivavaka isika satria mahatsiaro fa manota mandrakariva.
Eo no hanomezana voninahitra an'Andriamanitra, hisaorana Azy ny amin'ny zavatra ataony eo amin'ny fiainantsika, hamborahana ny tsy mety natao ka angatahana fifonana; hangatahana ny Fanahy Masina mba hitari-dalàna antsika;hanavaozana ny fanoloran-tena ho Azy.
Ny vavaka koa dia isan'ireo fomba hamantarantsika ny Sitrapon'Andriamanitra.
NY VAVAKA MANOVA ZAVATRA, hoy ilay hira izay izay
________________________
ity akia le izy a!
http://www.dailymotion.com/relevance/search/manova+zavatra/video/x3po68_ny-haizimpito-manarona_music
mazotoa mihaino daholo :-*:-*
tena marina io hira io raha ampiarinao am fiainanao
10. diamondra27
(
16/01/2008 16:15)
vavaka: resaka amin'Atra toy ny fomba firesakao amin'ny dada, mamanao sns
tsy mila recitation fa ze tianao lazaina amin'Atra de lazaina
Ny mahasamy hafa azy dia Atra mahalala ny ao anatinao sy ny momba anao rehetra fa ny olombelona tsy mahalala

11. ikaretsaka
(
16/01/2008 16:18)
rijadolly:
=D=D=D=D
+ ny mivavaka koa dia fomba iray entina hifankazarana amin'Ilay Tsitoa.
poikany! mifankazatra amin'ilay tsitoha foana isika na inona na inona ataontsika ko!:roll: fa tsy hoe rehefa "mivavaka" ihany
12. rijadolly
(
16/01/2008 16:30)
ikaretsaka:Marina ny tenin'sé ka tena marina za tsy manda^:^^:^^:^^:^ ho tanteraka tokoa anie izany,fa hoy aho hoe:
poikany! mifankazatra amin'ilay tsitoha foana isika na inona na inona ataontsika ko! fa tsy hoe rehefa "mivavaka" ihany
+ ny mivavaka koa dia fomba iray entina hifankazarana amin'Ilay Tsitoa.
14. fijo
(
16/01/2008 21:19)
mivavaka ianareo satria matahotra ny tsy hay.(ny ankamaroany moa izany e)
15. ikaretsaka
(
16/01/2008 21:43)
izay kao marina...
matahotra "ny herin'ny maizina" letsy ny filazany azy ry fijo an

19. ikaretsaka
(
16/01/2008 22:08)
d'efa omany indray izanyny voanjo. pop corn sy ny coca sy ny labiera fa film ity ko!