ray aman-dreny mandrara fitiavanjanaka!!!!

1. vololomanitra91 ( 13/01/2008 07:25)
slt tout le monde!!! Ny ray aman-dreniko tena tsiako mintsy fa isaky ny misy olona miarakamiko de voararany fona izahay! Diso mijery harena be loatra ry zareo, miaigitraingitra! Nefa ny olona miarakamiko olona tsotra, tsy misotro toaka,tsy mifoka sigara! mpivavaka!!! sady maotina tsy manao kavina ila..... Dé tsy aiko mintsy oe maninona no tsy tin-drazareo e?? IZY KOU TY Dé oe olona mafiady be fara idina fa mba olona manana ny maha izy azy iany!!! Diso tiko loatra reto izy an!! NEFA IZAHAY VOARARA
novalian'i niryna ny 20/01/2008 22:41
2. Jeankely ( 13/01/2008 08:07)
Matoa mandrara ny Raiamandreny dia ny ho avinao no jereny amiko. Raha fitiavan-tena na tsy fitiavana ny ahasoa ny zanany dia mahagaga ihany izany. Ny zanaka ny hitany eo no lazainy tiany fa tsy fantany ny ahazo azy afaka 10 na 15 taona. Raha matotra kosa ianao ka mahafantatra sy tsy hiankina aman'olona any aoriana n'inona inona hitranga dia tairo ary hidiro. Izay sahy maty no mifono lamba mena. Tsy ianao ihany no voan'io fa eran-tany io tantara io. Mijoroa raha sahy fa tsy misy mahavaha an'io afatsy ianao ihany.
3. Bafota ( 13/01/2008 14:46)
Marina ny tenin'i Jeankely!fa mba jereo aloha ny ho avy sao tamam-pitia vaovao ka hoe ahy ny fahasambarana.Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aoriana handatsa.Inty koa no tsarovy: ny fitiavana misy karazany 2,ny voalohany fitiavana tsy misy maso fa baikon'ny fo,izany hoe fitiavana tena fitiavana tsy miankina na am'inona na am'inona fa fitiavana am'zao fotsiny.Ny faha-2 fitiavana misy maso baikon'ny saina,izany hoe rehefa tian'ny maso de eken'ny saina,rehefa tsy tian'ny maso dia laviny:oh atra hoe hena,rehefa tsy tian'ny maso de lazaina ho ratsy.Ny tiako ahatongavana dia hoe:tsy misy ray aman-dreny hanolo-bato mafana ho an-janany,fa misy zavatra takiany aminao ao mba ho an'ny ho avinao fa tsy takatrao,na fantany koa ny fitiavanao fa tsy miorina no tsy matotra,tsy te hanan-dratsy izy.Diniho tsara.Mahita ny rariny
4. endrika01 ( 13/01/2008 15:04)
iiiieeee,ny ray aman-dreny efa manana fahalalana
betsaka momba ny fanambadiana,matoa izy mifidy harena ,matoa hivady dia hiatrika fiainana,tsy vitan'ny teny mamy sy ny tiko ianao fa ilaina vola ihany koa,@ zao fiainan-tsarotra izao.
dia ilaina olomendrika ,fa raha fitiavan-tena be ny an Ray aman-dreny dia tsy lasa miitsy kah.(l)(l)(l)
5. Ilitakely ( 13/01/2008 15:29)
refa itanao fa mety ry vololomanitra d ataovy a!azavao azy reo fa diso evtra r zareo d mitandrema sô enao ndray no diso evtra.Tiko ny ah n Vevavy tsy mijeryn ivelany otranao zany,d maareta fitiavana nareo roa
6. xxx ( 13/01/2008 15:50)
materialista saholo ireto.....
ny fitiavana no mikoty amiko alohan'ny harena
misy ny ray amandreny diso fitetika loatra ....
ny fihezahanareo roa kely eo amin'ny fiainana no maha tafita anareo indray andro any fa tsy azo atao izany miantehatra amin'ny fananan'ny RAD izany....
7. lldd ( 13/01/2008 16:10)
ny hvtra omeko an sé dia izao :mody teneno i nenareo hoe itako mampiaraka ary idada oe dia ita eo ra mba misy fitiavana ao @.fa ra ohatra ka tsy miraharaha izy de tena tsy mankasitraka ny anaovanao sipa,,fa raha teztra na saropiaro izy de misy fitiavana ihany ao @..
8. pissoa ( 13/01/2008 16:36)
andray !!! tsy ampy tsony angaha ny olana eto an-tany kosa no hovolena olana tahaka izany ny ray aman-dreny e. Tandremo fa tsy mitovy amin'ny hoe olona mpiray tanana ny zanaka raha hiteny hoe hitako nampiaraka i Dada ... ka sao hanenenana e !
9. xxx ( 13/01/2008 18:29)
tsy hoe diso akory ilay hoe "ny fitiavana no mikoty" Kanefa :

Raha ny zavatra lazaina fa "fitiavana" amin'izao fotoana izao, dia toa fitia afo-mololo fotsiny, dia ilay misaraka afaka 1volana na 5 volana na 3 taona ireny. Na eto amin'ny serasera aza, raha vao misy olana resaka fitiavana dia tsy maintsy misy foana ny torohevitry ny namana hoe "misaraha". Eo amin'ny fiaraha-monina ohatra ny lasa voninahitra ho an'ny sasany ny "janga toetra". Kanefa tena marina koa fa betsaka ny fakam-panahy mampaditra. Isaky ny vao mihetsika izany dia fisarahana no mananontanona. Dia arakaraka ny olona, fa matetika dia mandratra mafy io fisarahana io.

Lanjao tsara aloha ny tena herin' izay holazaina fa "fitiavana". Ary tadidio fa "Toy ny tsipak'ombalahy ny ana-dRay aman-dReny : mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina"

:arrow: Mitovy hevitra tanteraka amin'i Jeankely
10. penina ( 13/01/2008 20:27)
Ny vola fitady.

Atao inona laibany nefa tsy misy fitiavana. Ary fantaro koa fa ny laibany dia efa mahalala fa, betsaka ny olona no mitady ny harenany amin'ny fomba rehetra. Koa raha vao tsapany izany dia hihena ny fitiavany.

Sure ve ianao (sy ny RAD-nao) fa tsy hanan-karena mihitsy ilay olona.

>>Nefa ny olona miaraka amiko olona tsotra, tsy misotro toaka,tsy mifoka sigara! mpivavaka!!! sady maotina tsy manao kavin'ila.....

Ny toetra tsara azo ovaina, hahaha.

Tena mbola mila miketriketrika be ianareo roa. Raha ny vola no olana dia "mora" vahana ihany. Mitadiava vola. "Mora" noho ny resaka volon-koditra sns. :wink:
11. soanja ( 14/01/2008 06:20)
Hay afaka roa taona zany indry miverena eto de tantarao anay izany fitiavan-dehibe izany.

Raha haindry ny mikajy ny tsara any amin'ilay olona dia tsy hisy atahorana akory fa ny Ray aman-dreny hanana ny heviny fa indry ihany no hitondra ny fiainandry.
Zany hoe, ny ray amandreny tsy azo tapenam-bava amin'ny heviny, saingy ny vokatra tsara azo amin'ny fiarahana ihany no hitondra hafaliana ho andry zareo. Izay hinoako fa isan'ny tanjona tiandry haseho eo amin'ny fiainana satria izay ilay vali-babena.

Mahereza ary!
12. Jeankely ( 14/01/2008 10:06)
Miverina kely aho satria misy tsy matiko lolo. Ny adidy sy andraikitry ny Raiamandreny dia satioanany fotsiny no nolazaiko fa maro. Anisan'izany ny fanabeazana sy fitsinjovana ny ho avin'ny zanany. Miala tsiny raha manohina na mandratra ny hafa ity teniko manaraka ity. Raha zolona tsy nahita fitaizana tsara na modely tsara avy amin'ny Raiamandreny dia tsy hisalasala ny hilaza fa diso fitetika ny Raiamandreny. Ny zanaka mpisaram-panambadiana na mpampirafy na ny ratsy hafa dia tsy misy modely azony avy @'ireo Raiamandreniny fa ny ratsy no heveriny. Aty ASIA aho no manoratra fa tsy ny Malagasy ihany no mahita olana @'io hoy aho ary ny an'ny Malagasy aza mbola MORAMORA raha oharina @'ny mahazo ny fomban'ny tany hafa izay mbola hiainana hatramin'izao hitako fa tsy hangano na vakiana amin'ny boky.
Ireo mipetraka Europe dia resaka hafa satria tsy olana amin'ny ny mitanisa ny Ex-femme sy Ex-Mari efa misy efatra na dimy ary ho an'ny Malagasy kosa sarotra ny miantehitra amin'ny olona tsy mahafehy na ny tokantranony aza. Na izany koa aza dia tsy tafita nankaiza ny fiainan'ny Malagasy angamba ho an'ny fijery mivilana ka tsy tokony harahina.
Izay tapakao io fa aza mitaraina kosa rehefa sendra ny taolana. Tafita ianao anao resy ianao tsy mpanaraka anan-Draiamandreny.
13. vololomanitra91 ( 14/01/2008 10:10)
Ny olana koa izao dé ilay olo-tiko lasa namita fianarana any ampitan-dranomasina any!!!! eny e! fa miresak@ intenet fona izahay! izy tsy mbola mahalala ankory fa mankahala azy ny RAD kou!!! NeFA izy dia efa manipy resakamoko oe rehefa tafaverina aty izy @ juin dé atao ny mariage nay! raha ny avy any @fianakaviny lou dia mankasitraka tsara ny fiaraha-nay 2 fa ny avy aty amiko kosa dia mbola misy vato misakana eo aminay! dé inona no tokony ataoko? aona no fomba ilazako azy fa tsytin'ny fianakaviko izy? Izaho anefa matahoatra sao mandratra ny fony izany fankahalan'ny fianakaviko azy izany!
TSY HITAKO IZAY ATAKO??????
14. Jeankely ( 14/01/2008 10:53)
Matotra ve sa tsy mahatoky tena sa miandry ny hafa hamaha ny olana e? Na mandroso na mijanona. Izay fidonany fidony fa mila olona manapakevitra. Marina ny tenin'ny Raiamndreninao satria olona tsy mbola mahavaha tena ianao ka ny sasany no heritretinao mahavaha ny olana anao samirery izay tsy hianan'ny sasany. Manapaha hevitra fa aza mihazohazo sahala ny tay tsy latsaka=))=))=))=))=))
15. niryna ( 14/01/2008 12:30)
vololomanitra91:

Ny olana koa izao dé ilay olo-tiko lasa namita fianarana any ampitan-dranomasina any!!!! eny e! fa miresak@ intenet fona izahay! izy tsy mbola mahalala ankory fa mankahala azy ny RAD kou!!! NeFA izy dia efa manipy resakamoko oe rehefa tafaverina aty izy @ juin dé atao ny mariage nay! raha ny avy any @fianakaviny lou dia mankasitraka tsara ny fiaraha-nay 2 fa ny avy aty amiko kosa dia mbola misy vato misakana eo aminay! dé inona no tokony ataoko? aona no fomba ilazako azy fa tsytin'ny fianakaviko izy? Izaho anefa matahoatra sao mandratra ny fony izany fankahalan'ny fianakaviko azy izany!
TSY HITAKO IZAY ATAKO??????

Izahay namanao rehetra eto dia samy manana ny heviny avy.Izay tia adala ary tsy afaka hanome tsiny ny rar koa isika.Mety misy fihetsika itany eo ka any amin'ny zavatra hafa izy ohatra no manala vokona.Na izany aza samy manana ny heviny io fa hianao izay hiaraka aminy ihany no manao fanampahankevitra.Mivavaha ary apetraho eo am-pelatanan'Atra ny fiarahanareo.Hitanao eo ihany na anjaranao na tsia ilay olona.Dia iny ,mivavaha alohany hiresahana azy foana.Araho kosa izay zavatra fantatry ny eritreritrao avy eo fa tsy anenina hianao.Ny miaraka amin'Atra dia tsy matahotra ny ho aviny satria efa eo am-pelantanany izany ary izay no maha-zanak'Atra azy.Asehony aminao izany na fihetsika na fiteny na fanoratra dia izay arahina.
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao fa ataony lavorary sy tanteraka izay irian'ny fonao.:D



16. vololomanitra91 ( 14/01/2008 18:50)
niryna!!!! misaotra betsaka @le torohevitra!!!!
17. reve ( 15/01/2008 18:55)
ndry zany no atao hoe rasoa natenaina e!
aza rarana ny ankizy ra hanambady e!
=))=))
efa lehibe izy ka aleo hifampitady e!
ndriko zany ra mandroso maty renibe
mihemotra maty ray be!
de ahoana ihany no atao e? :lol:
18. olomboavonjy ( 15/01/2008 19:08)
vololomanitra91 ny hevitra azoko tenenina anao de hoe asehoy @nireo raiamandreninao fa mifankatia tokoa ianareo roa ka vonona ny hiaritra ny mafy miaraka ka mba mangataka ny tsodrano avy a@ izy ireo .dé ho hitanaoo eo ny valiny fa mety hiova ny heviny
19. ikaretsaka ( 16/01/2008 17:44)
matoa voarara dia ao raha
ny anjara mahaleo ny sitra-po ho'zy le hira izay
20. niryna ( 20/01/2008 22:41)
vololomanitra91:

niryna!!!! misaotra betsaka @le torohevitra!!!!


:D tsy misy fisaorana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0536