Fahatezerana:fiantraikany @ fo ,vatana ary ny saina ?

1. niryna ( 12/01/2008 03:19)
Hoy ilay olona izay hoe :Tezitra ny lehibe-ko dia aty amiko izy no manapatra izay hatezerany.Tonga tany an-trano aho dia ny vadiko no anamparako ny ny hatezerako.Nihazakazaka eraky ny trano ny ankizy dia iny no mahazo felaka tsy nampoizina.Nandalo tampoka ny alika dia iny no nahazo daka tamin'ilay zaza.Nikiakika nandraingiraingy ny alika ka ny saka matory tery no nenjehiny. Maty aho ra voalavo fa eo ampelantanan-tsaka ainao. :cry::cry:

Inona no fiantraikan'ny fahatezerana raha ara nofo,vatana ,saina ary ny fo ?
Eo amin'ny fiaraha-monina sy ny mpianankavy?
Ny teny hono toy ny rano ka raha raraka tsy azo raofina.

Misy vahaolana ve ireny olona mora tezi-dava sady tsy mba mitsiky ireny fa mimoto-dava sy tsy azo tairina ?
Maninona no darohana ny vady?
Maninona no asiana totohondry ny rindrina?
Rehefa avy manao an'izany ve dia afaka ilay fahatezerana sa mbola ao anaty ihany ?

Inona tokoa no mahatonga ny olona mora tezitra e ?

misaotra antsika rehetra
(l)niryna
novalian'i niryna ny 19/01/2008 04:31
2. yuka ( 12/01/2008 13:11)
tezitra be za fa enao be fanotaniana be foana:°)
3. dongadonga ( 12/01/2008 21:28)
ny (l)no mitondra fa tsy ny saina kou:!::!::lol:
4. niryna ( 13/01/2008 05:33)
yuka:

tezitra be za fa enao be fanotaniana be foana:°)



o^oo^o
5. niryna ( 13/01/2008 05:34)
dongadonga:

ny (l)no mitondra fa tsy ny saina kou:!::!::lol:



:D
6. dongadonga ( 15/01/2008 19:39)
sa mety ve raha hatambatra sady mitondra saina de mibaiko ny fo(l) :lol:
7. tracy ( 15/01/2008 20:34)
ny olona mora tezitra hono de tsy ampy magnesium:-D:-D
8. niryna ( 17/01/2008 05:20)
dongadonga:

sa mety ve raha hatambatra sady mitondra saina de mibaiko ny fo(l) :lol:

izay avy ao amin'ny fo no mivoaka amin'ny vava sy ny fihetsika rehetra kou,ary ny fo anie no centre e,ny fo no mifaly dia faly sy mirana ny tarehy sy ny saina,ny fo no mibaiko ilay sainy ho tezitra dia milonjolonjo mihetsiketsika ny loha,mimototra ny molotra ary matroka ny takolaka :D

9. niryna ( 17/01/2008 05:24)
tracy:

ny olona mora tezitra hono de tsy ampy magnesium:-D:-D

Hay va re e.Matetika ny olona mora tezitra dia tsy maha-control ilay zavatra mahazo azy,na raha mahita zavatra na hirika kely izy ka mitovitovy ny olana aminy izao no ataontsika eto ohatra io an,dia tonga dia mirefotra manala tena na manarona tena.Raha resahina mangina anefa izy dia mety hitomany na hilaza ny fahoriana mahazo azy.Ilay fahatezerana izany dia mety misy zavatra tianao atao kanefa tsy vita na tsy tanteraka noho ny antony maro,misy koa tezitra ka tsy te hamboraka ilay olana aminy dia ny tenany no mamoaka ilay hatezerana ary raha anontaniana ihany koa dia tsy mety miteny na tsy mety mamboraka.Tsara ry ireto raha manala ny hatezerana amin'ny fitantarana ny hafa dia mitomany fa tsy tazomy ao am-po iny fa vao maika grave -be 8O:D

10. niryna ( 17/01/2008 05:25)
Taha tezitra tokoa inona no fiantraikany amin'ny
vatana?
ny fo?
ary ny saina?
Inona no tsampanao rehefa tena tezitra be iny hianao?
11. olomboavonjy ( 17/01/2008 11:46)
aleo mihintsy mifanazava samy milaza izay ao ampony fa tsy hoe mifanisy akory a de avy eo mifamela tsy hoe eo no ho eo fa rehefa avy mieritreritra tsara 1 volana na 1 ora na tsy haikoe .efa nataoko io ka de hitako ny fiantraikany fa nahatsiaro voavonjy aho e:-*
12. niryna ( 17/01/2008 18:15)
olomboavonjy:

aleo mihintsy mifanazava samy milaza izay ao ampony fa tsy hoe mifanisy akory a de avy eo mifamela tsy hoe eo no ho eo fa rehefa avy mieritreritra tsara 1 volana na 1 ora na tsy haikoe .efa nataoko io ka de hitako ny fiantraikany fa nahatsiaro voavonjy aho e:-*


Aza atao hiletiky ny masoandro hono ny fahatezeranao!
Ilay fotoana mihitsy no olana satria misy vetivety dia mifona sy mangataka famelana misy alina eo ny andro sy ny volana fa tsy mety mifamela fa mbola tezitra eny foana :D ,mangindidy ny lela te hiresaka kanefa mimonjy eny ilay olona :D:D
13. ikaretsaka ( 17/01/2008 19:10)
niryna> izay le ilaina ilay heo meditation...
hi maitriser-na izay fiantraikany izay
zen zen:wink:
14. niryna ( 18/01/2008 06:55)
ikaretsaka:

niryna> izay le ilaina ilay heo meditation...
hi maitriser-na izay fiantraikany izay
zen zen:wink:

vitan'ny meditation fotsiny ve ,mila mifanazava amin'ilay olona na mamela azy raha tsy eo akaikinao izy :roll:

15. olomboavonjy ( 18/01/2008 14:53)
iakaretsaka sy niryna raha tezitra mafy @ vendeuse na vendeur na mpitondra firenena 1 nareo de in no atao :x:snif:
16. niryna ( 19/01/2008 04:31)
olomboavonjy:

iakaretsaka sy niryna raha tezitra mafy @ vendeuse na vendeur na mpitondra firenena 1 nareo de in no atao :x:snif:

Zavatra nitranga io taty ,namerina zavatra aho ary efa nilahatra elabe,teo anoloany teo kanefa tsy hitan'ny masony hono.Variana aho,somary saidaotra ,hoy ilay namako hoe tsy mahita hono izy izany.:roll: Dia mahavariana ahy tokoa izy izany hoy aho,ary dia nandefitra aho.Tsy nahita izy,izaho anefa nilahatra teo anoloany teo dia tsy itany. Tsy voatery hiady hianao na manana ny marina aza fa mila fehizina ny vava ary amboarina ny fo.
Tratra ihany koa ilay namako ary dia nahatsiaro ny nahazo ahy :D
Ilay mpitondra firenena indray aloha dia ny fantatro fotsiny dia anjarantsika tsirairay no mivavaka azy ireny mba omen'Atra fahendrena sy fahamarinana hitondra sy hitari-dalana amin'ny rariny sy ny hitsiny e.Raha manao izany daholo isika dia ho tonga amin'ilay fiteny hoe "ny vavaky ny maro mahataka-danitra"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4152