Ahoana no fankalazan'ny olona any aminareo ny krismasy?

1. niryna ( 23/12/2007 07:26)
Mety misy firenena izay hipetrahanareo angamba tsy mankalaza an'io fetin'ny kristy io e!
Raha mankalaza ny any aminareo dia ahoana no ataony?
Ny aty aminay dia herin'andro alohan'ny Alahady Krismasy dia ampianarina tantaran'i Jesosy Kristy ny ankizy,dia ampianarina hira.
Misy ankizy atao hoe Josefa sy Maria ary saribakoly kely atao hoe Jesosy.
Manao maska kely biby toy ny ampondra,rameva,liona,ondry kely marobe (ireo madinika indrindra )miampy ny anjely mpiandry ilay ondry.Dia misy ireo mpanjaka mitondra fanomezana an'i kristy.Dia manao ilay tantara arahina hira :D
Dia mandeha ny hira miaraka amin'ny chorale.
Ny andro sasakalina alohan'ny krismasy dia mankalaza krismasy ny olona ary ny maraina dia mihidy daholo ny fiangonana raha tsy hoe mitontona ny Alahady angaha.
Dia samy manao fety any an-tranony ny rehetra na mifanasa dia ao moa no mizara fanomezana ary io no tena adin-tsaina manaraka ny arabe aty be loatra ilay omena fanomezana.Ny any am-piasana indray dia ny patron no mandroso sakafo ny mpiasa ary izay sakafo tsy lany dia omeny entina mody.
Ny fandefasana carte postale koa no mafotaka satria isika gasy maro fianankaviana ,ankoatry ny namana.
Ny eny amin'ny tranon'ny olona indray dia feno firaka mahafinaritra ,jiro mirehitra mahafinaritra ary mampivelombelom-bolo ny mahita azy,ny mampalahelo dia malahelo ny havana any amintsika.:oops:,mitamberina kely ireny fahazazana manao herinandro masina ireny sy ilay mitety fianakaviana miarahaba hoe "Tratry ny krismasy"
Vita tompoko, anareo indray izao no mitantara
novalian'i niryna ny 26/12/2007 04:14
2. yuka ( 23/12/2007 12:43)
ny aty aminay lasa fitaovana atao dokam-barotra no betsaka,fa miravaka tsara kosa aloha ze touerana aleha e!:°):°):°)
3. Stretch ( 25/12/2007 14:01)
mafinaritra fa mba 3 andro be zao tsy miasa ,:°)
4. niryna ( 26/12/2007 04:11)
yuka:

ny aty aminay lasa fitaovana atao dokam-barotra no betsaka,fa miravaka tsara kosa aloha ze touerana aleha e!:°):°):°)



:roll::cry:
5. niryna ( 26/12/2007 04:14)
Stretch:

mafinaritra fa mba 3 andro be zao tsy miasa ,:°)

Tsara kosa izany koa,ny anay aloha dia ny fiarahana ny fianakaviana no mahafinaritra e.
Mbola misy indray ity,andro mangatsiaka moa izao ary manangona ankanjo mafana ny orin'asa na efa misy fasiana azy eo ary dia mandrotsaka daholo izay te-hanome.Misy fanangonana kilalao ihany koa ka izay te-hanome sy malala-tanana dia mandrotsaka any amin'ny toerana natao hizarana kilalao ho an'ireo ankizy mahantra.Misy koa ny ankizy manoratra taratasy ary alefany any amin'ny paositra ho an'i dadabe noely ka raha misy adiresy feno sy mifanaraka izay zavatra voahangona eo dia alefany miverina any amin'ilay zaza nangata-javatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2933