Hafatra ho an'ny rehetra.

1. niryna ( 21/12/2007 06:48)
Miarahaba antsika rehetra aho,
Alefako eto amin'ny eritreritra ity ary any amin'ny fivavahana.Ny antony dia mety misy tsy mandray anjara any amin'ny fivavahana .
Naninona aho no nandefa azy eraky ny sehatra rehetra?
Amin'izay mba misy iray tafiditra.Izay no antony.
Nisy fifanandrifian-javatra maro tao ary nisy koa ny zavatra nisy nahazo ahy ary efa nolazaiko anareo ombieny ombieny aho fa tsy mamaly ny hafatra kanefa tsy afaka mamaly aho ary fotsifotsy fotsiny no mivoaka ary ny halavan'ny hafatry ny rehetra anefa dia misy fizarany,mandeha any amin'ny librairie aho ary mijery miaraka amin'ny pseudo ny namako dia mivoaka ny azy,ilay izy kanefa dia mifanome tsiny no betsaka.Tsy maninona fa afaka miteny daholo isika ka
Tsy teo amin'ny toerako hianareo fa zavatra nitranga matetika io ary misy mi-decode koa aza ny valiny.Samy nahalala izany daholo fa tsy nisy na iray aza niteny hoe efa nimenomenona foana izy fa tsy mba afaka mamaly.Tsia tsy nisy na iray aza.Fijo no nandefasako an'io voalohany indrindra ary nisy maro no nanontany foana hoe maninona no tsy mamaly hafatra aho.
Tsy te-hifamaly intsony aho fa izay ,nitranga ilay izy,nahalala daholo ireo nimenomenona,fanomezan-tsiny no betsaka,tsy maninona izany fa safidy io.
Nisy fifanandrifian-javatra tamin'ity indray mitoraka ity hoy i hery ary hialako tsiny ny nandefasako azy.Aza force-na ny olona na tsaraina fa maninona na toy izao na toy izao.
Averiko indray fa tsy tezitra aho ary afaka miteny izay tenenina izay te-hiteny hilazana ahy ao,tsy maninona izany.
Tsy izaho irery hoy aho no tratra an'io hafatra
Samy mila fanampiana daholo isika rehetra ary tsy misy ny tonga lafatra.
Izay no antony nahatonga ahy nanoratra an'iny.
Mazava angamba ny amin'iny,tsy asiko teny intsony.


Hafatra

,aza miheno sy mijery ny teny mafy ataon'ny sasany an,fa betsaka
koa zahay no mahazo hery sy mitombo finoana amin'ny fitoriana sy partage
ataonao eto amin'ny forum dia manantena ano hiverina tsy ho ela an..
Hafatra

Misaotra an'Andriamanitra fa nivaly koa ny vavaka nataoko dia ny
hiverenanao eto indray.Isan'ny fifaliana ho ahy foana ny manokatra ity
serasera resaka finoana sy fivavahana ity dia mijery ny fil sokafanao ho
anay.Dia ho tahian'ny Tompo hatrany e

Hafatra
Bjr niryna!
raha vao miala ange dia vao maika mahazo vahana ny hafa eh! ary izay mihitsy no
antony tsy ialako hatramin'izao satria misy olon-kafa mila ny ny fanampian'ny
hafa ihany koa.
mahereza eh!

hafatra
Bjr niryna!
mampalahelo izany, raha toa ka azonao atao dia alefaso aty amiko @ ity adresse
mail ity ilay zavatra nosoratanao dia ampidiriko.

Hafatra nifampiresahanay sy hery.
...........
hafatra
Aza atao mahagaga izany, efa tratra tahaka izany aho fa tsy ataoko mahakivy.
xxxx

Io koa misy santionany iray
LazaDaddy [ Valio ] 18-12-2007 22:54:12
Lohateny : Re : Ny silamo sy ny fanambadihana hataony sasany
salmo> izay mantsy ny hafatra nosoratako teo fa nisy nanala.

Ireo koa izao misy santionany milaza fa nisy namafa ny hafany.Milaza fotsiny
aho ry hery a,tsy manana alahelo anao aho,fa ny zavatra nisy no nahatonga ahy
nandefa azy ireny teo amin'ny sehatra rehetra,mba farafaharatsiny hoy aho misy
voaray na tafiditra.

Tsy manana alahelo an'iza na iza aho ary hialako tsiny izay mieritreritra an'izany.Afaka miteny sy mitsara izay tiany koa anefa ny tsirairay satria izay no eritreretiny fa marina sy mety aminy.
Fanampiana no nataoko teto,fitiavana no nozaraiko,fizarana ny tenin'Atra no nafafiko,ary ny fahazoana ny famonjena dia avy amin'i kristy no noresahiko maro teto.
Misy manontany any hoe fa maninona i niryna no tsy mamaly izao sy izao,izay mangina volamena ary raha teny mahasorena sy mankarary fo no alefa ho ahy tsy afaka ny hamaly izany aho.Satria tsy nahalala na nahita fa ninia nikimpy ny zavatra nahazo ahy sy efa nolazaiko ny sasany.

Efa voa matetika aho matoa aho nanao an'io araka ny nolazaiko hoe alefako ity amin'izay misy iray tonga.
Ataovy eo amin'ny toeranareo foana izay zavatra mitranga amin'ny olona fa aza tonga dia mitsaratsara foana raha efa mateti-pihavy ilay zavatra e.
Misaotra antsika rehetra ary hialako tsiny izay zavatra nitranga teto ka mety nanafitohina ny hafa sy hitsaratsaraina foana ihany koa.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika mianakavy ary samy ho tratry ny krismasy sambatra daholo.Kristy no loharanon'ity fety ity hankalazain'ny rehetra,"Christ is the reasons of the seasons" Koa omeo Azy ho tantanany ny fiainanao fa tsy anenina velively hianao raha manao izany.Matokia Azy fa tsy hanary na handao antsika Izy.
Misaotra Tompoko
Niryna
novalian'i endrika01 ny 06/01/2008 13:38
2. tslem ( 21/12/2007 07:30)
:roll: fa nisy inona???
tsy haiko na lava loatra ilay hafatru niryna dia tsy mazava amiko na izaho mitsy no tsy maharaka film
3. fahamarinana ( 21/12/2007 07:31)
:arrow:Misaotra indrindra an'ny nyrina nanome fanazavana dia mirary fety sambatra ho anao koa aho,homban'ny fahasoavan'ny Jesoa ary dia mino sy manantena aho fa mazava amin'ny rehetra ny antony aorian'ity hafatrao ity.:-*:-*(l)
4. fahamarinana ( 21/12/2007 07:33)
:arrow:diso foana akia aho rehefa manoratra ilay anarana,niryna.1000excuses(l)
5. Mannou ( 21/12/2007 08:06)
Mifona za alou fa tena otrany tsy azoko le ozy marina an
6. kelly13 ( 21/12/2007 10:44)
za kou tsy mahazo resaka :?
7. melody ( 21/12/2007 11:42)
tena tara train mihintsy izaho izany, inona daholo hono izany e, mitovy ilay resaka tao @ vavolombelona ve sa hafa mihintsy?:?
8. cutie ( 21/12/2007 13:57)
ie mitovy :)
9. xxx ( 21/12/2007 14:02)
zà maharaka ary mahazo tsara....de zay zany ry nyrina, tsy hifanomeza-tsiny zà kou nefa tsy nanome tsiny....:-P
10. Mannou ( 21/12/2007 14:32)
mandeana mijery anle dinika nataony hery ary am momba anys serasera ry reto d azonareo amzay an ! Za ko aza zao vo mahazo, hihiihihihi
11. sitlo ( 21/12/2007 14:37)
lava be
12. soanja ( 21/12/2007 15:05)
Ny olantsika mpitondra hevitra miavaka na mpanoratra miavaka mantsy dia mihevitra fa manam-pahavalo miafina na manimba antsika antsokosoko. Io ilay Satana resahinareo. Zay tsy heveriko fa misy.

Amiko anefa dia rehefa hanao zavatra miavaka isika na mifanohitra aza indrindra indrindra matetika amin'ny hevitry ny hafa dia isika ihany manangana izany efitra sy lefona hanindrona ho antsika izany.

Eny raha misy aza inzany dia tokony efa hivonona amin'izany isika rehetra manana an'io toetra io. Ampiakaro ny ampinga saingy aparitaho izay tsara hitanao fa aparitaka. Milamina, mitonia, matokia tanteraka eo ampanaovana izany.

Tadidio fa ny Tompo tsy manary fa isika no mandositra manalavitra azy.
13. melody ( 21/12/2007 15:06)
sitlo, vakio hoe dia mba fintino ho anay tsy maharaka ireto e... fantatro sitlo fa tia mamaky teny:wink:
cutie: sa indry no hanazava azy kely amiko, za akia kamo raha vao lava be ilay resaka (azafady ry zalahy)
14. cutie ( 21/12/2007 15:34)
melody
nandefa dinika i nyrina, de tsy tafiditra hono, na voafafa zany de ny ampitson'iny iny nandefa ndray de mbola toy izany ihany ,de ny farany nandefa dinika ndray izy de nampidiriny t@ forum rehetra le izy, nanontany (blablabala), manin nofafaina ny dinika sy ny sisa. Ny tsy hainy nefa de nisy fikorontanana t@ serasera de zay ny antony tsy nahitany ny dinika:-D
de zay
vita tompoko
melody :-*
15. Mannou ( 21/12/2007 15:46)
melody:

sitlo, vakio hoe dia mba fintino ho anay tsy maharaka ireto e... fantatro sitlo fa tia mamaky teny:wink:
cutie: sa indry no hanazava azy kely amiko, za akia kamo raha vao lava be ilay resaka (azafady ry zalahy)


tsy lava mintsy ny fanazavana nomeny hery ao am "momba ny takelaka" ao mikasika io resaka io ka.
16. tslem ( 21/12/2007 16:08)
Izao fotsiny ho ah: tsy mora ny manao zavatra ka tokony ho calme ny rehetra, ra sanatria ka misy tsy fahatomombanana dia tokony tsy hisendaotra fa dia miandry ny rariny fotsiny,zah zao mahatsapa fa tsy mahavita ary tsy hahavita ny vitan'ireo admin tompon'andraikitra ireo mihitsy na oviana na oviana (na haniry nify aza ny akoho hoy ny fiteny) dia aleo tsy mi kredy fotsiny dia mandeha io.Dia miandry ny rariny e!!!! :)
17. melody ( 21/12/2007 16:40)
cutie: misaotra akia nanazava a, ay ve? manantena ny filaminan'izany ary o!:-* ary inona indray ity tompoko ity e?:-D:-D:-D:-D
Mannou: misaotra ihany koa e, hojerevana eo rehefa avy eo:-*
18. cutie ( 21/12/2007 16:42)
melody
hihihi ohtran'ny manao tsianjery za mitantara azy de nasiana we vita tompoko ka :-D
19. melody ( 21/12/2007 16:45)
ay ve =))=))=))=))
20. cutie ( 21/12/2007 16:47)
:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.169