fanasana voaray! Mutuelle de Madagascar,

1. sipagasy ( 09/12/2007 09:10)
Asa raha mba hainareo ity fa tena manampy tokoa @ andro iray ann, sao mantsy ho tratry ny patsa 1 tsy omby vava isika indray andro any e!!! aleo misoroka dieny izao sady tena mirary ny latsak'emboka takiana @ izany, ialàna ihany koa @ fahasahiranan'ny havana tavela manjary mizaka adidy tsy satry e!

Miarahaba Tompoko,
Fifaliana lehibe ho an'ny Mutuelle de Madagascar ny manasa anareo amin'ny fety karakarainy isan-taona.
Ny fotoana :
Alahady 16 désambra manomboka @ 2 ora sy sasany tolak'andro ka hatramin'ny 10 ora alina.
Ny toerana :
13-15 place Etienne Pernet
Paris 15ème
Métro Felix Faure.

Koranam-pianakaviana (kalon'ny fahiny, dihy malagasy, tononkalo, karaoke, saynete, variétes, ary totorebika , sns,...)
Ny orchestre Macadence'car no hanafàna ny fotoana.

Azonao jerena ao @ tranokalan'ny mutuelle ny fandaharana :
http://www.mutuelledemadagascar.com

Fandraisana anjara
10 € ho an'ny lehibe (17 taona miakatra)
5 € : 12 taona -16 taona

Misy tombolà :
loka voalohany : billet AR Paris Antananarivo na Marseille Paris

Vary sy laoka miampy rogay sy dessert (8€ , metimety kokoa raha mamandrika sakafo alohan'ny 12 désambra)
ravitoto sy henankisoa na
voanjobory sy henomby na
akoho @ coco

Aza misalasala mitondra ny ankohonanao, manasa ny tapaka sy namana hiara-hikorana amin'ny fianakaviam-ben'ny Mutuelle de Madagascar.
Eo ampiandrandràna ny hifankahita aminareo tsy ho ela, dia mametraka ny veloma finaritra.
Amin'ny anaran'ny mpiandraikitry ny Mutuelle de Madagascar
Ny Filoha
Dera Ramandraivonona.

Telephones : 01 60 29 53 49 06 01 97 30 62 06 09 04 40 67

Mba ampitampîtampitao amin'ny fianakaviana ary ny tapaka sy namana ity filazana ity. Misaotra indrindra.

Koa tongava maro aza e!!!!:-*(l):-*
2. madazikart ( 10/12/2007 11:26)
Izaho ho any haka sary sy mba hiala voly kely. Efa mpandeha @ lanonan'ny Mutuelle aho fa mahafinaritra foana!
3. fahamarinana ( 10/12/2007 12:26)
:arrow:Ié ilaina tokoa aloha ilay mutuelle e sady hitako mba mirary ihany ilay izy.
Dia mirary reveillon tsara ho an'izay ho any.Zahay moa aty alavitra..(l)
4. fahamarinana ( 10/12/2007 12:27)
:arrow:diso kely,tsy réveillon fa soirée no tiako tenenina.Efa te ho vacance koa za zany!!!(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2338