Toetra tsara sy ratsy misy fanafany ve ?

1. niryna ( 30/11/2007 15:51)
Samy manana toetra ratsy na tsara avy isika rehetra fa arakarak'ilay izy no mampibahana azy kokoa ao amintsika.Ny tsara moa dia efa tsara izany izy ka mila tohizana sy hampitomboana hatrany ,ilay ratsy indray dia efa fantatra fa ratsy kanefa mbola atao ihany.
Tsy tian-tsika ilay izy,mety ho afaka ve raha miezaka ny hanala azy sa hoe efa toetra ratsiko io ka tsy mety miala amiko intsony?

Ohatra: izaho dia zavatra tsara foana no mibahana ato antsaiko na hovaiko ho lafi-tsarany daholo ilay izy raha tonga ato an-tsaiko ilay toetra ratsy.
Raha vao jereko ilay olona dia fantatro hoe misy mampalahelo azy na misy olana ary dia resahiko raha mpiara-miasa na toy izany ohatra.
Toy izany koa aho ,faly lava ,mitsiky lava,manao zavatra amin'ny fo foana fa rehefa misy zavatra mahazo ahy,na tezitra na marary na mampalahelo dia tsy haiko ny manafina an'iny fa tonga dia fantatry ny rehetra foana.:oops::D
Misy olona izay avoakan'ny vavany dia maizina daholo e,mankahala,manana fanankianana foana,toa ratsy daholo ny olona eo aminy,mahita lesoka an'ny hafa foana,mahita tenenina amin'ny hafa foana,toa filamatra foana izy.Ireny olona ireny dia mila fanampiana,misy fomba azonao hanampiana azy ireny ve?
Misaotra ny rehetra
(l)niryna
2. Veloo ( 30/11/2007 17:10)
Tsy tian-tsika ilay izy,mety ho afaka ve raha miezaka ny hanala azy

eny mety afaka tokoa moa izany mila finiavana beuuuuuuu mihitsy, mizatra manao ny tsara dia mety ka
nyrina a bien sur avec l'aide de Dieu
3. niryna ( 30/11/2007 18:14)
Veloo:

Tsy tian-tsika ilay izy,mety ho afaka ve raha miezaka ny hanala azy

eny mety afaka tokoa moa izany mila finiavana beuuuuuuu mihitsy, mizatra manao ny tsara dia mety ka
nyrina a bien sur avec l'aide de Dieu

misaotra .Ka misy olona miteny hoe efa izay ny toetrako
4. diamondra27 ( 01/12/2007 08:02)
ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy azo ovaina

@zao fotoana anefa de hita fa azoovaina daholo na toetra na ny tarehy(atao siriorizia estetika)

donc miankina @ le olona ihany io na te-hiova @ le toetrany izay na tsia fa ianao afaka miteny azy foana fa raha izy tsy te-hiala @ le izy satria zay no mhasambatra azy( oh:le manome fanafitohinana, mpitsikera sns, mpandrangitra )

alefaso eny foana aloha ze azonao atao, demirary bon courage zany e!

niryna: mba mivavaha ho ahy fa za koa zany zao de te-hampitombo ze kely hananako we: mba aoka ho teny feno fahasoavana, fifaliana, fampandrosoana, fampaherezana foana ny avoakan'ny vavako :-*
5. niryna ( 01/12/2007 11:44)
diamondra27:

niryna: mba mivavaha ho ahy fa za koa zany zao de te-hampitombo ze kely hananako we: mba aoka ho teny feno fahasoavana, fifaliana, fampandrosoana, fampaherezana foana ny avoakan'ny vavako :-*

Ho amin'Atra mandrakariva anie ny fahasoavana.Izy anie hanome anao hery sy fahalala,hambitombo anao amin'ny finoana Azy hatrany.Hiaraka aminao hatrany Izy ka hampitombo aminao avo zato heny izay fahaizana noratovonao ka nomenao sy nozarainao ireo manodidina anao.Izy Irery hatrany no hanome,fahasoavana,
fafaliana,fampandrosoana ary fampaherezana aminao ka hanindry ny teny avoakan'ny vavanao mba ho teny mamy sy masina ary mahasoa ho an'ireo izay rehetra mihaino ny tenin'Atra avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina izay nomeny anao. Homba anao mandrakariva ny Tompo ary ny fiadanana no ho deraintsika rehetra avy amin'ny alalan'i Kristy Tompo Mahery,manova ny zavatra rehetra,miahy ny zavatra rehetra ary manafaka ny olon-drehetra hiala ny asan'ny herin'ny maizina rehetra. Amin'ny anaran'i Kristy Tompo no anaovako izany vavaka izany Amena
6. niryna ( 01/12/2007 11:46)
Veloo:

Tsy tian-tsika ilay izy,mety ho afaka ve raha miezaka ny hanala azy

eny mety afaka tokoa moa izany mila finiavana beuuuuuuu mihitsy, mizatra manao ny tsara dia mety ka
nyrina a bien sur avec l'aide de Dieu

Misy olona tsara fanahy ,manampy ny mpiara-monina aminy,tsy tia ady na manome fanafitohinana ny olona kanefa tsy mpino izy ireo.

7. niryna ( 01/12/2007 12:08)
diamondra27:

ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy azo ovaina

@zao fotoana anefa de hita fa azoovaina daholo na toetra na ny tarehy(atao siriorizia estetika)

donc miankina @ le olona ihany io na te-hiova @ le toetrany izay na tsia fa ianao afaka miteny azy foana fa raha izy tsy te-hiala @ le izy satria zay no mhasambatra azy( oh:le manome fanafitohinana, mpitsikera sns, mpandrangitra )

alefaso eny foana aloha ze azonao atao, demirary bon courage zany e!

niryna: mba mivavaha ho ahy fa za koa zany zao de te-hampitombo ze kely hananako we: mba aoka ho teny feno fahasoavana, fifaliana, fampandrosoana, fampaherezana foana ny avoakan'ny vavako :-*

Misaotra aky a amin'ny toro-hevitra sy fizarana ny fahasoavana izay nomen'Atra andry a :-*
Tena mandreraka be aloha ny miaraka miasa ny olona be fitsarana e.Izay avoakan'ny vavany rehetra dia fitarainana,fankahalana,feno fahalotoana no miredareda ao ambavany.
Ohatra hoe ireto olona ireto tsy mba miasa mihitsy fa izahay daholo no manao ny asany:arrow: dia valiako hoe tsara aky izany a,rehefa soratan'ny union ve ka miady ny craft misy anareo tsy aharesy hianareo satria ataonareo daholo ny asan'ireo craft iray hafa.
Dia tonga indray ny teny hoe ireo mainty ireo(Amerikana mainty hono izany na izay olona mainty dia antsoiny izany daholo )tena kamobe,matory fotsiny no ataony.Satria ilay vehivavy sinoa fa tsy ho voatery hoe ny sinoa rehetra akory a,fotsy izy ny iray mainty :arrow: dia valiako hoe ,na mainty na fotsy rehefa kamo dia kamo fa tsy misy loko ,rehefa amin'ny farany ve izy ireo tsy ho tratran'ny patron ihany,sady izao koa anie e,izaho aky tsy mila baikona izany ary tsy mibaiko ahy ny patron-ko satria fantatro daholo ny asa tokony ataoko no sady mamorona zavatra hafa aza aho ka tsy mijery ahy na mibaibaiko ahy izy a :D .Andramo koy izany hoy aho sady izao koa anie e,na tsy mijery aza ny lehibe hoy aho aminy dia mijery antsika kristy,ataovy hoe manao asa ho an'i kristy isika.:P

Dia toy izany hatrany foana, fa ilay ao anatin'ny tenantsika mihitsy angamba no misy zavatra tena tiana hipoaka,hanalana ilay fahatezerana na alahelo ka any amin'ny hafa no mahazo sy voatsikera lava :lol::lol:

Dia ao indray ny miteny miaraka amin'ny teny ratsy sady mankahala ny hafa fa efa mpanan-karena ilay zalahy io ka tsy miraharaha asa intsony sady mandeha daholo ny teny ratsy:arrow: valiko hoe misaotra an'Atra isika fa nomeny asa tsara na dia tsy tiantsika aza izany indraindray ka hanomezantsika fitsikerana ny hafa foana. Mbola nomeny hery sy tanjaka tsara isika ka afaka manao ny asantsika amin'ny fo madio. Mila mivavaka ho azy isika hoy aho mantsy azy avy eo,sy mila mivavaka ny tenantsika koa mba tsy hitsaratsara olona fahatany.
Tsy sahy miteny ratsy intsony fa lasa mivadika fanajana indray ilay izy,lasa mahazo madame foana izay aleha fa toa tsy sahy miantso ny anarako mivantana ny olona.Io aloha dia manontany tena aho e,ary tsy misy sahy mifosa olona izany intsony aty amiko,sady miezaka aho ny tsy anao izany intsony na dia tsy tiako aza izany .Na tsy mifosa na manaratsy ny hafa aza isika kanefa mihaino sy manaiky hanarian'ny hafa ireo fakofako avy any an-tsainy dia lasa mitovy toetra aminy koa ary mpifosa ihany izany amiko.:twisted: :D

Miezaka ny hanana toetra positif hatrany aho ary hovaiko toy izany foana ny ahy rehefa mitamberina ato an-tsaiko ny ratsy.Tsy mora fa mila ezaka sy vavaka ary famakiana ny tenin'ATra andro aman'alina mba andray izay teny nomeny sy hampiasa izany amin'ny fiainana.
Mahereza (l) niryna

8. diamondra27 ( 01/12/2007 12:23)
niryna: AMEN akia a! misaotra be de be t@ le vavaka

ka 'zay ange no tena filamatra @ty fiainana 'ty e! ny hanao ny tsraa fa rehefa hitanao fa ratsy ny ataon'ny olona dia "il faut savoir quitter la table" hono e!

indraindray kosa aloha dia mila manao écoute ianao fa iza aza no mba hihaino le olona mila vonjy raha tsy henoinao izy fa rehefa hita fa tsy manaraka ny toro-hevitra izy dia hajanona koa ny fihainoana azy.
Fa mila détermination ianao hoe: tsy hoe: rehefa mihaino le olona ianao dia hanao ny ataony.
Jereo 'zao Jesosy niaraka t@ jentilisa,sns tsy midika zany fa jentilisa izy na mpijangajanga sns...
Dia mba ataovy toy izay koa lay fiainana.

Ny fampianarana azonay koa dia izao hoe: rehefa any ampiasana hono , satria njy moa niresaka le olona kamo teny ampiasa testy ambony, de raha misy olona mpitatitra we: zao sy zao i anona iny,ka izy zany manana olana @ilay olona de tonga de lazaina hono we: za tsy afaka ny hihaino anao fa tsy hahavaly ny fanontanianao nahamaha ny olanao sy ilay olona lazainao fa miresaha @ sefo.
Fa rehefa ni-pratiquer-na tokoa le teoria tena tsy nanohy tsony le olona be tatitra satria ngamba ozy we : sao de elle va m'envoyer ballader encore

de courage foana e!

9. diamondra27 ( 01/12/2007 12:24)
mise à part ny resaka efa nandeha de azo tanisaina daholo ve ny azo lazaina we: toetra ratsy aloha.
Ny ratsy amiko mety tsara aminao ange ohatra et vice versa
10. niryna ( 02/12/2007 06:57)

isika rehetra aky a.
Tsy sahy niteny intsony ilay vehivavy ka,tsy dia tiako sy tsy fanaoko mantsy ny miresaka sy manaratsy na mihaino ireny olona ireny.Nisy iray izay nitady toerana hametrahana ny fiarany hono izy fa vaky ny fitaratra dia matahotra izy fa sao misy mangalatra ao.Tsy nety nanome an'ilay garage hono ny nephew-ny.Hoy aho hoe tsy azonao terena ny olona rehefa tsy manome.Dia nandeha amin'izay ny hoe izaho dadatoa sy ny karazany ary hoy aho hoe fony mbola kely ve io nephew-nao io mba nandray anjara na dia niantso azy fotsiny hianao? Tsy nahay niaraka hatramin'ny mbola kely izahay mianaka hoy izy.Dia izay izany no mety antony tsy nanomezana anao. Mety marina indray izany hoy izy.:D fa mbola tezitra be ihany izy .
11. niryna ( 02/12/2007 06:58)
diamondra27:

mise à part ny resaka efa nandeha de azo tanisaina daholo ve ny azo lazaina we: toetra ratsy aloha.
Ny ratsy amiko mety tsara aminao ange ohatra et vice versa

:D:D rehefa toetra ratsy ve aky tsy mitovy daholo ihany a,rehefa toetra tsara dia toy izany ihany koa.

12. diamondra27 ( 03/12/2007 07:44)
ohatran'io mora tezitra rehefa tenenina io zao de efa toetra ratsy amiko fa tsy haiko kho an'ny hafa.
Nefa tokony raha mba tenenina dia misaina aloha we: misy fahamarinany ve 'zany voalaza 'zany sa tsia? dia raha mahatsiaro fa diso dia mba miova @ hevitra fa tsy tezitra @ ilay olona niteny.

Raha ny fahitako azy aloha dia tena mila faharetana ilay miteny olona fa raha samy tsy mivaky loha dia tsy handany andro mba hanoro anao eo ny olona koa.

Raha miaraka @ olona (mpiara-miasa na voisinesns hafa) be menomenona sy negatif ireny tokoa aloha mandreraka be e!
misy koa le mimenomenona @ tenany fa tsy nety hono ny nataony, eo @ FM ndray no ahitàna izany.
13. soanja ( 04/12/2007 04:56)
niryna:

Samy manana toetra ratsy na tsara avy isika rehetra fa arakarak'ilay izy no mampibahana azy kokoa ao amintsika.Ny tsara moa dia efa tsara izany izy ka mila tohizana sy hampitomboana hatrany ,ilay ratsy indray dia efa fantatra fa ratsy kanefa mbola atao ihany.
Tsy tian-tsika ilay izy,mety ho afaka ve raha miezaka ny hanala azy sa hoe efa toetra ratsiko io ka tsy mety miala amiko intsony?

Ohatra: izaho dia zavatra tsara foana no mibahana ato antsaiko na hovaiko ho lafi-tsarany daholo ilay izy raha tonga ato an-tsaiko ilay toetra ratsy.
Raha vao jereko ilay olona dia fantatro hoe misy mampalahelo azy na misy olana ary dia resahiko raha mpiara-miasa na toy izany ohatra.
Toy izany koa aho ,faly lava ,mitsiky lava,manao zavatra amin'ny fo foana fa rehefa misy zavatra mahazo ahy,na tezitra na marary na mampalahelo dia tsy haiko ny manafina an'iny fa tonga dia fantatry ny rehetra foana.:oops::D
Misy olona izay avoakan'ny vavany dia maizina daholo e,mankahala,manana fanankianana foana,toa ratsy daholo ny olona eo aminy,mahita lesoka an'ny hafa foana,mahita tenenina amin'ny hafa foana,toa filamatra foana izy.Ireny olona ireny dia mila fanampiana,misy fomba azonao hanampiana azy ireny ve?
Misaotra ny rehetra
(l)niryna

Ny toetra ratsy na tsara dia avy aminao ilay mitazana azy/ mandray azy no mahita sy afaka mitsara azy mifanaraka amin'ny takianao.

Ny olona ao anatin'ilay toetra iray anefa dia tsy hahalala mihitsy hoe ratsy ny toetrany na tsara satria miaina an'izany izy. Amiko matoa tsy miova ilay olona isanandro fa iny foana no toetrany dia iny izany no heverina fa izy aminy ka mety aminy. Raha misy fiantrakany amin'ny hafa anefa izany nefa tsy mbola naka lesona izy na nanova dia amin'izay fotoana izay manepotra na mandindona azy ilay toetra ka tsy manana control izy amin'izany. Aretina ihany no filaza izany saingy amin'ny lafiny hafa mihitsy.

Ny hany ahafahana manova ny toetra iray ho tsara na ho ratsy dia ny fandinihan-tena. Ny famerenana ny an-tsaina ny zavanisy sy nitranga ary mamaritra ny azo ovana sy tokony hatao teo amin'ny fifandraisana na ny vokany. Ny fahalalanao fa izao no toetra entinao dia midika fa mahatsapa tena ianao ary mahalala manisy fefy izay mety hanimba anao sy ny lesona amin'ity fiainana ity.

Tsy misy tongalafatra ny olombelona saingy ny mahalala ny momba azy ihany no afaka mifandray amin'ny hafa tsy misy raorao na amim-pahamendrehana.

14. niryna ( 04/12/2007 06:10)

Be dohika sa be mokondoha sa tsy mihevitra azy fa diso izy.Tena fadiana tokoa ny miaraka amin'ireny olona negatif ireny fa mifindra.
15. niryna ( 04/12/2007 06:12)
soanja:

misaotra aky a:-*
16. nandrianina1 ( 03/01/2008 13:02)
niryna:

Tsy tian-tsika ilay izy,mety ho afaka ve raha miezaka ny hanala azy sa hoe efa toetra ratsiko io ka tsy mety miala amiko intsony?

Misy olona izay avoakan'ny vavany dia maizina daholo e,mankahala,manana fanankianana foana,toa ratsy daholo ny olona eo aminy,mahita lesoka an'ny hafa foana,mahita tenenina amin'ny hafa foana,toa filamatra foana izy.Ireny olona ireny dia mila fanampiana,misy fomba azonao hanampiana azy ireny ve?
Misaotra ny rehetra
(l)niryna

averiko @ niryna ity fa ndry ihany no nilaza an'ity
raha tsy Atra mihitsy no manova ny fony tsy hiova izy.

17. nandrianina1 ( 03/01/2008 13:05)
tsy teo io no voalaza fa tany @ forum hafa an

de ampiko hoe arahina vavaka bedabeu avy @tsika(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3838