Mangalatra.

1. niryna ( 30/11/2007 14:49)
Tena efa reraky ny fiainana ny olona ka rehetra tratrany ireny mpangalatra ireny dia ataony mahita faisana tokoa. Inona no efa hitanao nataon'ny hafa azy ireny?
Izaho efa nahita toerana aty amintsika ihany no nisy azy.Efa nifanaraka ny fokonolona fa izay tratra mangala tra dia ahatona eo ambony hazo ary dia nataon'izy ireo tokoa ilay izy.Nidina aloha ny isan'ny mpangalatra tamin'izany e.
novalian'i niryna ny 01/12/2007 07:09
2. ikaretsaka ( 30/11/2007 16:57)
ny anay t@ mbola kely rehefa tratra mangala paiso dia asain'ilay tompony hanina daholo ny paiso rehetra nalaina..
ny tena efa voky teny ambony paiso fa ilay nentina saika mba atao reserve sy mba zaraina amin'ny ankizy ao antanana.. kanjo asaina sesefana..
leoleo paiso mihitsy aloha elaela
3. niryna ( 30/11/2007 18:08)
ikaretsaka:

ny anay t@ mbola kely rehefa tratra mangala paiso dia asain'ilay tompony hanina daholo ny paiso rehetra nalaina..
ny tena efa voky teny ambony paiso fa ilay nentina saika mba atao reserve sy mba zaraina amin'ny ankizy ao antanana.. kanjo asaina sesefana..
leoleo paiso mihitsy aloha elaela


=)) leom-boanana izany hianao ka tsy te-hierika zava-boribory intsony?
4. niryna ( 30/11/2007 18:12)
Misy olona tsy vokatry ny fahantrana ilay izy fa fahazarana.
Nisy fotoana izahay nivarotra ka ilay tompon-trano ihany no nangalatra tao aminay.Nararaka ny lafarina ary rehefa alina ny andro,feno dian-tongotra ilay lalan-tsara.
Tsy nisy azonay natao fa fantatra fotsiny fa ry zareo no miditra fa manana fanalahidy iray izy.
Taty aoriana naheno izahay fa mpanao fanafody ry zareo ary nisy olona voan'ny tsatoka na tsy haiko ilay filaza azy fa nisy olona nangalatra mananasy teo amin'ny tanimbolony ary dia voan'ny fanafody ka tavela teo mandra-maraina fa tsy afaka niala. :twisted:
5. sitlo ( 30/11/2007 18:52)
Tany ambanivohitray, nisy mpangalatra mpandatsa-baratra sy tsy mety maratra. Tsy laitran'ny antsy, famaky, basy.
Dia io nahantona tamin'ny hazo io no nahafaty azy.
6. niryna ( 01/12/2007 05:17)
sitlo:

Tany ambanivohitray, nisy mpangalatra mpandatsa-baratra sy tsy mety maratra. Tsy laitran\'ny antsy, famaky, basy.
Dia io nahantona tamin\'ny hazo io no nahafaty azy.


Nisy olona iray izay mpangalatra tena tsy misy ohatra izany.Tsy mety tratra mihitsy izy ary raha tratra aza dia miditra kely any am-ponja dia manjavona indray.Tapitra nalainy daholo ny entan\'ny manodidina ary rehefa nojerevana ny tranony tsy nisy tao fa ny an\'ny olona avy any amin\'ny toerana hafa no hita tao.Lany aiky mihitsy ny polisy ary toa lazain-dry zareo fa manao fanafody izy ka mivadika biby izany,voan\'ny fandraikirekena ny olona ary dia tsy mahita kanefa izy efa tafiditra ao an-trano.Natahotra azy izahay tamin\'ny mbola kely,ny antony aloha dia tsy fantatro,mety hoe ilay izy manao fanafody angamba Tsy nisy azo natao taminy fa taty aoriana izy maty dia izay.
7. sarobidy ( 01/12/2007 07:04)
Aty aminay aloha tena feno olon-dratsy mihitsy e! de efa fantatry ny fokonolana hoe rehefa tratra le pangalatra ka alefa any am pôlisy de vetivety de votsotra.
De mifanaraka ny fokonolona hoe rehefa tratra de faizina atao mivoaka ra, atao mijali² mihitsy fa tsy vonoina, izay vao alefa any am pôlisy.
8. niryna ( 01/12/2007 07:09)
Ny olona aty rehefa mangalatra dia ny zanany no am-piasainy maka ,na ilay posiposin-jaza no asiany zavatra tsikelikely.Indray andro izay aho niditra ity fivarotana,nahita vehivavy iray nitondra zaza ary tapitra nampidiriny tsikelikely tao anatin'ilay posiposy daholo ny entana nalainy.
Nahita ankizy lahy ihany koa aho teo amin'ny 12 taona teo,nangatsiaka ny andro ary dia nalainy daholo ny ba kiraro,short fanao anatiny ary akanjo tee-shirt.Vao nivoaka izy dia naneno ny varavarana ary dia nasorina tsirairay ilay entana noentiny.Ontsa ny foko nijery ity zaza,ilay tsy fananany no tena nahatonga azy hangalatra. Matetika dia alefan'ny mpivarotra fotsiny ilay ankizy.
Ny vehivavy manafina entana ao anaty nono koa moa dia aoka fotsiny,vahiny ilay ramatoa,tsy nahalala angamba izy fa misy metal detector daholo izay zavatra amidin'ilay mpivarotra.Sady notazominy ary hitan'ny rehetra namoaka ilay ba kiraro,slipy ary soutient tao anatin'ny nonony. Ny fiafaran'ilay ramatoa aloha dia tsy fantatro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2969