raha bevohoka ve ny reny voan'ny cancer dia manaranaka?

1. xxx ( 29/11/2007 07:25)
Izaho dia olona efa nodidina (nisy tumeur tato anatiko).
Voalazan'ny dokotera fa efa tamin'za mbola kely dia efa nitsiry izy ity, ka izao hita tety ivelany izao.
Nisy vongakena ngeza be tato anatiko, ka henoko nivonto ny farany no nahatonga ahy nanantona "spécialiste".
Natao ny échographie ka voatery aho nodidina d'urgence.
Efa nahatratra 1kg ity aretiko vao hita, nitombo tsikelikely tato anatiko.
Tao aorian'io dia nampanantonana "encologue" ny tenako hanaramaso ny toe-batako.
Voalazan'ity "professeur" fa tsy mitsy taratr'aretina intsony ato anatiko rehefa avy notarafina, fa raha manahy aho dia ho atao "radiothérapie" maivamaivana. Nefa hoy izy hoe tsy tsara anefa ny fanaovana azy io ho an'ny vatana raha tsy tena hoe marary le olona. Ka dia tsy nataoko.
Mitaintaina ihany aho amin'izao fotoana.
Ny mamako mantsy bevohoka ahy no narary voan'ny "cancer" ka asa no izany no nahatonga ahy narary na coïncidence.
novalian'i niryna ny 05/12/2007 05:37
2. meva2 ( 30/11/2007 08:04)
Bjr,
momban'ilay fahasalaman'ny mamanao t@ izy bevoka dia tsy afaka ny hamaly anao aho, fa raha mba misy tiako ho lazaina dia ny hoe, aza ny lasa no atao mampiady saina na koa ireo fanontaniana mety tsy ho voavaly fa kosa ny hoavy sy izay mety hahatsara ny fahasalamanao no ataovy mby ao an-tsaina;
Raha momba ilay radiotherapie indray dia mahagaga ihany ilay proposition an'ilay dokotera indrindra fa intervention mavesatra izy io ka tsy afaka ataotao fotsiny amin'izao, surtout izy nilaza fa tsy misy intsony ilay otrik'aretina.Aza misalasala mamatraka fanontaniana na mijery avis an'ny spécialistes hafa.
3. xxx ( 30/11/2007 08:29)
misaotra ^:^
tsy manianiany ny émot_ako fa tena misaotra a
4. niryna ( 01/12/2007 06:53)
xxx:

Izaho dia olona efa nodidina (nisy tumeur tato anatiko).
Voalazan'ny dokotera fa efa tamin'za mbola kely dia efa nitsiry izy ity, ka izao hita tety ivelany izao.
Nisy vongakena ngeza be tato anatiko, ka henoko nivonto ny farany no nahatonga ahy nanantona "spécialiste".
Natao ny échographie ka voatery aho nodidina d'urgence.
Efa nahatratra 1kg ity aretiko vao hita, nitombo tsikelikely tato anatiko.
Tao aorian'io dia nampanantonana "encologue" ny tenako hanaramaso ny toe-batako.
Voalazan'ity "professeur" fa tsy mitsy taratr'aretina intsony ato anatiko rehefa avy notarafina, fa raha manahy aho dia ho atao "radiothérapie" maivamaivana. Nefa hoy izy hoe tsy tsara anefa ny fanaovana azy io ho an'ny vatana raha tsy tena hoe marary le olona. Ka dia tsy nataoko.
Mitaintaina ihany aho amin'izao fotoana.
Ny mamako mantsy bevohoka ahy no narary voan'ny "cancer" ka asa no izany no nahatonga ahy narary na coïncidence.




Ny cancer nono aloha dia matetika ny mpitsabo manontany raha efa nisy voa ny fianakaviana e,midika izany fa mety manaranaka ilay izy.
Raha matahotra hianao mikasika ilay cancer nono dia ity misy toro-hevitra kely
niryna:

Voalazan'ny dokotera fa misy fiantraikany amin'ny fahasalamana sy ny vatana ary ny saina daholo ny adin-tsaina amin'ny fiainana. Ohatra hoe tsy mahazaka onjam-piainana dia mitazona iny alahelo iny ao am-po ao,tsy mizara ilay fahoriana,tsy mamela heloka olona fa mbola marary mafy ilay ratra nahazo ary dia tsy afaka ny hamela na iza na iza mihitsy. Ny olona voan'ny cancer dia tsy mahazo manao tezitezitra fa mampitombo ny alahelo sy ny adin-tsaina izany (stress) ka vetivetika ny fihombon'ilay aretina.
Io misy karazana exercices atao mba ahafantarana fa misy zavatra na mamatovato ny ao anatin'ny nono.



niryna:

http://www.stevens-tech.edu/womensresources/resources/Breast%20Self%20Exam.JPG
Isam-bolana ity fijerevana nono ity no tokony atao.
1- mijoro eo anoloan'ny fitaratra ary manao tomba-maso ny nono , ny loha-nono raha miova loko.Ny fihovany,ny habeny no tena antony hijerena azy io.Rehefa mampiakatra ny tanana avo hianao dia mahatsapa fa miha-henjana ilay nono satria misy ozatra mifandrirotra amin'ilay fampiakarana ny tanana,tsy maninona izany fa fomban-javatra ihany.
2-Jereo tsara indray eo amin'ny fitaratra ary mety mahita fihovana hianao na mitovy ny tamin'iray volana farany nojerevanao azy teo ihany.
3-Matetika dia eo am-pandriana matory iny hianao no mitsapa ny nono manodidina,ny ambany helika ny vato nono,ny tena tsara dia rehefa mandro iny ka hosorana savony ilay nono dia tsapaina toy io ambony io.
4- Atao ambony ny tanana iray,havia ohatra dia ny ratsan-tanana telo no manomboka mitsapa ny nono,manao boribory (jereo ny sary),ary somary potserina moramora rehefa mitsapa ilay manodidina,diniho tsara mandritra ny fotoana anaovanao izany raha misy zavatra mamatovato na marary izay tsapainao.
5-Atao miainga ambony toy izany ihany koa ny tanana havanana iray ary ny ratsan-tanana telo havia indray no mamerina toy ny fanazavana 4-
6- Raha eo am-pandriana indray moa dia asiana serviette kely eo ambanin'ny atoka na ny tanana havia no atao solon'ny ondana dia averina amin'ny tanana havanana ilay 4-
Andramo fa manampy be io ary rehefa zatra isika dia mahita tombotsoa amin'izany.Raha misy zavatra manembantsembana anao ao dia afaka manatona dokotera mialoha hianao mba ho tsaboina,na misy fihovana ny lokon'ny nono dia manontany ihany koa ny antony.
Mahereza,atao isam-bolana io "self breast exam "io na fijerevana ny nono izay hianao irery ihany dia efa mahavita azy. :D



5. xxx ( 01/12/2007 09:26)
Merci Niryna
6. niryna ( 05/12/2007 05:37)
xxx:

Merci Niryna

Tsy misy fisaorana ka,jereo ao amin'ilay sujet hoe "ny cancer,antony ,ny fomba atao sy ny tsy tokony.(fahasalamana ihany no misy an'io)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1929