nahoana no mifikitra mafy tsy iala ety an-tany ny olombelona

1. dokotany ( 25/11/2007 07:24)
Na mahantra na manankarena na bodista na kristiana na .... dia hotriny tsy mahafoy ity tany ity daholo.
Ao ny mikarakara sy mitandrintandrina vatana mafy mba ho ela velona.
Ao ny mahasahy mandany volabe amin'ny fitazoman'aina (artificiel) na hita fa tsy ho avotra intsony aza.
Raha hitan'ny manampahaizana ilay fanafody mirakla "tsy mahamety maty", iza no tsy hiazakazaka hividy ?
Ka ny fanontaniana dia izao :
- fohy loatra ve ilay 80 taona natao iainana eto an-tany ?
- tsy fahatokisana fa hisy ny paradisa ve ?
- sa ahoana ?
novalian'i soanja ny 01/12/2007 21:02
2. Ylly ( 25/11/2007 10:47)
amiko aloha dia nomen'Andriamanitra aina isika ary mazava ho azy fa ianao kosa ve dia hijanona @ izao fotsiny fa tsy hikojakoja ny vatanao?ny tsy afaka manao an'izany aza efa tsy fidiny r'isé !

amiko raha ohatra ka mikojakoja ny vatanao ve ianao , na ohatra hoe marary ka manao izay ahasitranao dia midika ve izany hoe mifikitra mafy tsy hiala ety an-tany ?

tsy anjarantsika izany mifikitra izany fa manao izay azontsika hatao fotsiny isika , rehefa tonga ny ora hiantson'ny Ray antsika dia vonona isika.

Fiainana nomen'Andriamanitra antsika io koa ve r'isé dia avela @ zao fotsiny fa tsy hanararaotra ? sady efa samy mahafantatra na iza na iza fa misy fetrany avokoa ny zava-drehetra.
3. kiadi ( 25/11/2007 13:42)
fanotaninana kidaladala nenao
4. mignone ( 25/11/2007 17:09)
kiadi >:-D:-D
angaha io azo fikirina ry dokotany ? aleo mi profite tsara aloha :-P
5. ikaretsaka ( 25/11/2007 18:38)
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.
6. niryna ( 26/11/2007 07:24)
Amin'ny maha olona antsika dia tokony hanao izay ahasoa isika,ny manimba ny vatana amin'ny toetra tsy mendrika no raran'Atra fa tsy niteny kosa aloha izy hoe aza manao exercice e.Mampa-tsara fo,manampy sy mampatanjaka,mampitombo ny andro hiainana hoy ny olona ny mitsiky lava sy ny manana fo falifaly foana,ny dikany dia raha mimoto-dava sy manana fankahalana olona sy tezitezy dava isika dia mivoaka amin'ny tarehy izany.Lasa mikentrona ilay tarehy.Tsy misy afaka ny hanampy ny ainy anefa na dia hoe manana vola hitazoma izany aza.Mbola tsy tonga ny androny.
Manaja ny ray aman-dreniny hoy ny soratra masina raha te ho lava andro hiainana.
Ireo kristiana antitra tokoa aloha dia tena mateza ary manjary lasa tanora lalandava,mety izy ireo tsy miahiahy na tsy matahotra izay fahoriana na manana tebiteby intsony fa manana an'i Kristy izay mpandahatra ny zavatra rehetra ary mahafantatra fa izay voasoratra dia voasoratra,izay mitranga dia efa fantan'ny Tompo.
Mila mieritreritra ny toerana hipetrahantsika ho mandrakizay anefa isika satria ity tany ity hoy ny soratra masina dia tany fandalovana fotsiny.Raha kristiana izany dia mila manomana ny fiainana aorian'ny fahafatesana satria iny no ho mandrakizay.
Hiaraka an'i kristy,ho any am-paradisa (an-danitra)
Ho avy i Kristy,tsy misy mahalala izay andro ahatongavany fa ny Ray ihany ,mila manomana izany isika,mila mibebaka,mila manatona an'Atra ,ary mila manatanteraka ny sitrapony dia ny fizarana ny tenin'Atra sy ny didy lehibe izay nomeny dia ny hitiavantsika an'Atra amin'ny fo ,ny saina ary ny fanahy iray manontolo.Ary ny fifankatiavantsika ny rehetra fa izany no marika sy hilazana fa zanak'Atra isika.Raha milaza isika fa kristiana kanefa feno fankahalana ny manodidina dia tsy misy fitiavana izany ao am-po koa ahoana no hinoana ilay Atra tsy hita maso izay milaza fa mila mitia Azy amin'ny rehetra?

Mino fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.Ny asa no manaraka dia ny fitoriana ny filazantsarany fa ho tsaraina isika rehefa tonga ilay fotoana(Izay hafafy no ho jinjaina na voa tsara na voa ratsy).
Ho Azy Irery hatrany anie ny voninahitra ^:^.
7. Fody ( 26/11/2007 21:04)
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.

Mba mahagaga ihany.
Inona no noeritreretin'i Md Ignace fony izy niteny ireto: "Magis", "Ad Maorem Dei Gloriam", ny teto an-tany ihany ve?

Raha nanao ilay vavaka hoe: Raiso Tompo ary zakao... (ES 234), moa ny teto an-tany ihany ve no nosaintsainy, sa nihevitra ny fiainan-ko avy izy? Raha ny teto an-tany ihany no noheveriny, nahoana izy no namerimberina tamin'i François Xavier hoe: soa inona no ho azonao... raha ho very ny fanahinao? sns...

Sa izy, Md Ignace, no natao hanao an'izany fa tsy ianareo zezoita namany? Sa ianao tsy zezoita fa misandoka fotsiny?

Azafady mba valio ireo fanontaniana ireo!

Misaotra!
8. ikaretsaka ( 26/11/2007 21:40)
fa misy tenin'i Md Ignace koa manao hoe
Ao @ Principe et fondement

L'homme est créé pour louer,
respecter et servir Dieu notre Seigneur
et par là sauver son âme,
et les autres choses sur la face de la terre
sont créées pour l'homme,

et pour l'aideer
dans la poursuite de la fin
pour laquelle il est créé.

D'où il suit que l'homme doit user de ces choses
dans la mesure où elles l'aident pour sa fin
et qu'il doit s'en dégager
dans la mesure où elles sont, pour lui, un obstacle à cette fin.!

Nieritreritra ny fiainan-ko avy izy fa :
Ny fampiasana ireo zavatry ny tany ireo aloha.. no ampiasaina... hitadiavana ny sitrapon'A/tra

eto an-tany no hanompoana an'andriamanitra fa tsy Andriamanitra no anompoana ny eto an-tany!

Tonoky hiverina hanao exercices ise izany
9. ikaretsaka ( 26/11/2007 21:46)
dia aza raisina an-tendrony ilay izy:

Toy Izao no ni interpreter'i Mompera Teilhard an'io:

Nous ne pouvons nous perdre en Dieu qu'en prolongeant au-delà d'elles-mêmes les déterminations les plus individuelles des êtres : voilà la règle fondamentale à laquelle on distingue toujours le vrai mystique de ses contrefaçons…
Le mysticisme chrétien, comparé aux principales formes revêtues historiquement par l'esprit religieux humain, on peut dire qu'il extrait, sans en prendre les éléments mauvais ou suspects, tout ce qui circule de plus doux et de plus fort dans toutes les mystiques humaines. En lui se manifeste un étonnant équilibre entre l'agir et le pâtir, entre la possession du Monde et son abandon, entre le goût des choses et leur mépris. Pourquoi nous étonnerions-nous de cette harmonie mouvante ? N'est-elle pas la réaction spontanée, naturelle, de l'âme aux excitations d'un milieu qui est exactement, par nature et par grâce, celui en qui elle est faite pour vivre et se développer?

(Milieu d\Divin (p120.....)
10. ikaretsaka ( 26/11/2007 22:00)
miampy ny exercices 101-109 fody an:wink:
Un spirituel Ignatien ne pratique pas la fuite du monde , il s'immerge dans le domaine du Créateur et cherche à y implanter le Christ; il ne sépare pas le Dieu de la nature du Dieu de la grâce. Il n'est pas nécessaire de prouver ici que les Exercices accordent une grande place aux créatures,
11. pissoa ( 26/11/2007 22:08)
Ika : vakio tsara ny tenin'i Fody fa toa tsy nanilika ny "eto an-tany" mihitsy izy, fa nampatsiahy fotsiny hoe tsy ny eto antany ihany no tokony hampi-vakl.

I Ika no nilaza hoe tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra, izany hoe nanilika ny any an-danitra ... fa i Ika ihany avy eo no manoratra hoe :
Nieritreritra ny fiainan-ko avy izy fa :
Ny fampiasana ireo zavatry ny tany ireo aloha.. no ampiasaina... hitadiavana ny sitrapon'A/tra
ka angamba ny dikan'ilay hoe tsy hivakl izay any an-danitra no tokony hazavaina bebe kokoa raha izaho :°)
12. ikaretsaka ( 26/11/2007 22:30)
hay lokanga tsy niady tady fa azafady ..:oops:
ny tiako lazaina amin'ilay hoe tsy mivakl dia hoe tsy tokony mbola izao isika hieritreritra izay ho mety ho paozin'ny any sahady, fa tsara raha ny course aloha no hifantohana ..

ny ahy izany ny principe tsisy hafa amin'ny hoe tsy mbola arrive akory ve ny course dia efa ny podium no andrandraina... nefa tsy fantatra izay hitranga ao aloha ao! na hiakatra ny crampe na ahoana... amiko dia tsara vitaina aloha ny course, lalaovy ny karatra fa aza tonga de any @ prix sy ny mise no asiana ny loha (hiakatra de hanofahofa voninkazo aho izao dia horohana sipa manja be de hahazo medaly) ... marina fa tanjona ny hahazo prix sy ny mises, fa ataovy lo ny games, fa tsy ilaozana manofinofy eo fotsiny, depa eo fa!!
Tuned amin'izay?
lasa ary ny lamoziky!:wink:
13. fijo ( 27/11/2007 23:44)
sendra ny mpandray an tendrony tao indray ialahy hannnn,
ny eto aloha aerena ry zareo fa aza mbola manonofy sy misiditsidina an,vitao tsara ny eto.ze tsy mbola hita any ,aleo hoavy raha misy avy eo.
14. ikaretsaka ( 28/11/2007 01:15)
tsy hita e
15. Rasiligaoma ( 28/11/2007 03:29)
ka angamba ny dikan'ilay hoe tsy hivakl izay any an-danitra no tokony hazavaina bebe kokoa raha izaho

ny tian'i Ika lazaina raha nojereko daholo ny zavatra nolazainy tato dia ilay fisainana hoe mieritreritra ny zava mety hitranga any an-danitra any sahady!
dia ny tiany hotsipihina hoe ataovy aloha izay ahatongavana any dia rehefa any mijery izay zavatra miseho any, fa tsy izao sahady dia miassume sy mamisavisa izay any!
16. Mandefitra ( 28/11/2007 06:16)
ty misy hafatra ho antsika mpiserasera eto @ fivavahana sy finoana :
Kol 4 :6 Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
17. Rasiligaoma ( 28/11/2007 06:26)
fa iza moa no niteny tsy amin'ny fahasoavana ato hatramin'izay?
matoa mifampiteny ato anie dia mifananatra sy mifampizara ary mifampilaza ny heviny sy ny kely mba hainy ary manitsy ny hafa e. fifanasoavana izany! fifampizarana izany!
izay tsy mahay sobiky,mahay fatram-bary!
tato kosa tsy nisy ningosy reny sy anabavy izany! na nifampiteny ratsy sy nifanompa! na hevitra roa samihafa sy mifanipaka aza! sa efa nisy?
Hoy ny ntaolo razantsika hoe "ny aretina no mampaharary, fa tsy ny teny"!
18. fijo ( 28/11/2007 23:08)
rasiligaoma an,efa fantatra hatry ny ela anie fa izay no fihevitr'ika e.fa ny mpandray antendrony no nandika vilana.
efa ela no tsapa teto,fa izahay roalahy dia samy misaina fa ny eto aloha no tokony hatreana tsara.
ny tsy itovizanay dia izy mbola mino fa hisy toiny avy eo,za tsy mino.
nefa dia mbola misy tsy mahalala izay ihany.le teny hoe"tsy mivakl"no nanitarana sioka.izay rehefa zatra mitsikera foana .
19. ikaretsaka ( 28/11/2007 23:22)
ka ika lava be dia halandrivotra ko..
nefa miala aby rehefa andefasany rivotra..
mifona aho jesoa!:oops:
20. fijo ( 28/11/2007 23:46)
hi hi i vao miha ialahy ahita loza amin'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088