nahoana no mifikitra mafy tsy iala ety an-tany ny olombelona

21. ikaretsaka ( 28/11/2007 23:49)
tsy niteny aho fa mba eitreritra sendra nandalo ny ahy iny
22. fijo ( 28/11/2007 23:54)
ka izay dia efa diso ko,eo ny tanana haingana
23. soanja ( 29/11/2007 03:40)
dokotany:

Na mahantra na manankarena na bodista na kristiana na .... dia hotriny tsy mahafoy ity tany ity daholo.
Ao ny mikarakara sy mitandrintandrina vatana mafy mba ho ela velona.
Ao ny mahasahy mandany volabe amin'ny fitazoman'aina (artificiel) na hita fa tsy ho avotra intsony aza.
Raha hitan'ny manampahaizana ilay fanafody mirakla "tsy mahamety maty", iza no tsy hiazakazaka hividy ?
Ka ny fanontaniana dia izao :
- fohy loatra ve ilay 80 taona natao iainana eto an-tany ?
- tsy fahatokisana fa hisy ny paradisa ve ?
- sa ahoana ?

Tsy fantatro avy ny zavatra efa noresahin'ny namana fa ny ahy dia tsy ity tany ity akory no te hifikirana fa ny olombelona dia biby misaina.
Koa raha zavatra fantany fa mbola tsy nalehany ary ny lasa mbola tsy nisy nanome fanazavana ny zavamisy any dia tsy maintsy misy ny tahotra noho ilay toera-na-zava-tsy-fantatra.
Ny tahotra no manjaka raha fahafatesana no resahina. Ny antony matetika anefa dia ny fahafantarana fa ianao IRERY dia IRERY no handalo io fialana aina mankany amin'ny fahafatesana io fa tsy hisy namana hafa hahatsapa izany. Ny fahalalana fa irery ianao no mandalo io traikefa io no tahotra ho an'ny rehetra.
Izay no mahatonga ny Mpino miresaka foana fa na dia irery aza imaso no fahafatesana dia tsy irery ianao raha manana an'i Jesoa fa izy no hitantana anao hamonjy ilay toerana hiandrasany anao. Ny fananana finoana matanjaka no hery lehibe tsy ahatahorana ny fahafatesana.
Natao hokarakaraina anefa ny vatana raha nomen'Andriamanitra fa tsy natao hosimbaina. Nasaina hitory ny teniny isika raha mandalo amin'ity fiainana ity.
Noho izany tsy hoe ny fahatahorana ho faty no mahatonga ny mpino miezaka ny ho velona fa ny fahatsapana fa mbola betsaka ny adidy sy andraikitra fantany fa mbola mila vitainy. Izay no mahatonga hoe rehefa tonga ny fotoana dia vonona "ny olo-masina" iray hiatrika an'i Jesoa ary tsy misy fahatahorana izy satria efa fantany ny miandry azy any amparadisa.

24. fijo ( 29/11/2007 23:34)
fa ny olombelona dia biby misaina
io kristianina iray manaiky fa biby ny olombelona

izao e,nisy rangahy izay niteny hoe"za tsy matahotra fahafatesana,fa iriko mba tsy ho eo aho rehefa tonga izy"
za koa torak'izay
25. soanja ( 30/11/2007 01:07)
fijo:

fa ny olombelona dia biby misaina
io kristianina iray manaiky fa biby ny olombelona

izao e,nisy rangahy izay niteny hoe"za tsy matahotra fahafatesana,fa iriko mba tsy ho eo aho rehefa tonga izy"
za koa torak'izay

Misy Kristianina ve tokoa ry Fijo mihevitra fa tsy biby izy? aha mahavariana tokoa izany???? Mila miverina mianatra daholo izay mihevitra fa tsy biby misaina izy. Zany hoe afaka tsy misaina aloha le olona saingy resaka ahafa indray iny. Fa efa nomen;ilay nahary daholo izay ilaintsika hanatsara na hanaratsiana ny fiaintsika. Antsika ny safidy!

26. ikaretsaka ( 30/11/2007 04:09)
dia tsy haiko ry soanja.. fa matoa i lefijo nilaza an'io dia ao raha!

ze sahy maty ihany no mifono lambamena
27. fijo ( 30/11/2007 21:39)
Misy Kristianina ve tokoa ry Fijo mihevitra fa tsy biby izy?

hoadray,jereo fa rajakolahy no niantsoan'i gasynamana ahy,noho ny filazako fa isan'ny biby isika ,fa biby misaina....izay no avy dia nanamarinako ity eto raha vao tazako hoe nisy kristianina misainatoa ahy
28. soanja ( 01/12/2007 20:40)
Zaza aloha dia biby tanteraka. Voaporofo izany fa tsy resaka ambony latabatra fotsiny.

Ny hoe misaina toa ahy ve ny alika kosa dia hilaza aho fa tsia satria ilay nahary ahy dia nametraka zavatra hafa ankoatr'ireo nitovy taria amiko. Dia ny fisian'ny saina sy ny fanahy! Io anefa dia mbola azo adihadiahana koa ara-tsiansa fa ny fananako ny tanako sy ny tongotro malaika ary ny masoko mavitrika no mahatonga ny fisainako ho mavitrika kokoa, fa tsy hoe akory hoe ka ambany ny biby.

Ny fanambaniana ny biby no mahatonga ny olombelona sasany tsy manaiky ny hitovy taria amin'ny biby. Saingy ny biby tompoko dia manana ny haja sy ny voninahiny mifandraika aminy tokoa ary hajaiko ny fahafahany isan-karazany izay tsy hananako.

Mifanaja ihany hoa no vahaolana eto amin'ity planeta tany ity dia mihodina tsara isika mianakavy.

29. soanja ( 01/12/2007 21:02)
soanja:

Zah no tiko lazaina eo fa tsy zaza azafady.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0104