In-telo voadona ve de...?

1. fetrakens ( 15/11/2007 06:21)
Raha voadoana mihoatra ny in-telo hono ny tovovavy iray dia mety hisy fiatraikany amin'ny fiainan-tokantranony any aoriana izany! ahoana ny hevitrao?
novalian'i fetrakens ny 10/12/2007 10:41
2. xxx ( 15/11/2007 06:36)
voadona amin'ny inona io...
mety hankaleo azy rah ho voadona foana dia mety hampiova filamatra azy ko!
3. sarobidy ( 15/11/2007 06:42)
zay aloha e, miombon-kevitra am xxx a
4. rrnatacha ( 15/11/2007 10:14)
voadona ahoana tokoa moa izany?
Soa anie hono lavo ahay hamindra e! ka raha ho fiantraikany tsara moa maninona!. Sady mandia tany hono anie tsy maintsy mba solafaka ihany e! ka na dia voadona aza..., natao hanatsarana ny fiainana sy hakana lesona izany fa tsy tokony hahakivy na hankaleo.
5. reve ( 15/11/2007 10:36)
vo intelo ve no vodona de hoe.......ha!ha!ha!:lol:
mba vazivazy iny an! ny fiainana hono tsy mba manome fanomezana antsika zany "Jesoa" irery ihany no tsy mandona e! fa zao mety hisy fiantraikany tokoa zany ra toa ilay tovovavy ka somary marefo ara tsaina sy ara pitiavana zany hoe izy ty moa ry zareo mety ho lasa "psy" eto ny tena ra be resaka fa miankina am le olona iharany io e!
ny tenin'i "rrnatacha" io no amafisiko fa tena marina io. de mahereza e! aza kivy zany fa ny sasany ara maraina atoandro hariva, in 6 ao antin'ny herinan'andro vodona ihany tsy maninona fa bevoka fotsiny ref avy eo ! hi!hi!hi!:*:-*:P:}(l)
6. endrika01 ( 15/11/2007 12:11)
Moramoran\'i reve éry anié izy zanyé,raha marefo aloha lay sipa de vodona in-1de lasa nitsoraka é,le oe in-3 vao maika ara iny manome risika azy é
7. nmrkyo ( 15/11/2007 12:44)
Ra amiko ny fiainana,mato ianao voadoana,de nandona olona ko izay.Io le oe ny tody tsy misy fa ny atonao ihany no miverina aminao,nefa rehefa miverina di tsy zaka matetika de mitaraina oe voadona,ka aleo mifanaja na lahy io na vavy ra mahatspa fa maharary ny voadona rehefa tsy tia de aleo mitsotra
8. DESCARTES ( 15/11/2007 13:13)
:roll:Io zany azo oharina @fiampitàna arabe ry zareo a!Rehefa tsy mahay mijery tsara ianao dia mety ho voadona.Ka "morale de l'histoire"mahaiza mijery tsara izay olana hiarahana fa aza maimay fotsiny hoe misy mitory fitiavana dia...tsy matan-damba.Ny fiainana ihany koa mila entina am-bavavka fa tsy hoe sipa tsara tarehy be za dia tsy ho voafitaka.Koa raha hoe potraka ny sipa 1,raha manam-pinoana izy dia ho tafarina foana ary hilamina tsara ny toka-tranony any aoriana any.
9. soanja ( 15/11/2007 15:08)
Misy fiteny mihitsy any ka hoe raha voadona indraipa ianao dia miarina haingana, voadona indroa ianao mandiniha tsara izay nahavoa sy haleha, fa raha voadona in-telo kosa ianao dia manaova masera amzay fa izay no tsara indrindra ho anao. Iny tena sura fa tsy handratra mihitsy.:-*
10. xxx ( 15/11/2007 15:33)
Maninona no voadona in-3 (fa tsy in-1 na in-2 fotsiny) : satria tsy nahay naka lesona t@ dona voalohany sy faharoa
11. bonbongasy ( 15/11/2007 17:49)
na indray fotsiny aza no voadona de misy fiatraikany foana @ ho avy zany. Fa izao: mety ho ratsy, mety ho tsara koa! arakaraky ny tsirairay iany io, mahaiza mandray lesona
12. tsiambaratelo ( 15/11/2007 20:20)
F\'angaha tsy maintsy hoe voadona fona?Mihisaka kely fotsiny dia ampy e.Tsy hisy ny ho voadona,na ny mpandona
13. keyoann ( 15/11/2007 23:46)
xxx:

voadona amin'ny inona io...
mety hankaleo azy rah ho voadona foana dia mety hampiova filamatra azy ko!



tiako be le hevitrao sao mantsy voadonan ny fiara koa:-D:-D:-D
14. ikaretsaka ( 16/11/2007 00:59)
fetrakens:

Raha voadoana mihoatra ny in-telo hono ny tovovavy iray dia mety hisy fiatraikany amin'ny fiainan-tokantranony any aoriana izany! ahoana ny hevitrao?


efa henoko io ary efa hitako! cousine anay! fa lasa kizitin-dava izay le sipa de le lasa saropiaro be ireny, dia mamorona izao tsy misy rehetra izao.. dia lasa aretina mihitsy aza
dia nony nanontaniana izy dia hoe vokatr'ilay tahotra sao hoe voadoana indray hono, nefa le bandy ary le daiko be ireny
15. tsiftra ( 16/11/2007 14:06)
soanja:

Misy fiteny mihitsy any ka hoe raha voadona indraipa ianao dia miarina haingana, voadona indroa ianao mandiniha tsara izay nahavoa sy haleha, fa raha voadona in-telo kosa ianao dia manaova masera amzay fa izay no tsara indrindra ho anao. Iny tena sura fa tsy handratra mihitsy.:-*

lé izy koa anié:wink: mety teo aminy fahatanorana sy tena mbola tsy taminy fahamatorana no voadona noho ny fitiavana andrakandrana e!dia voatery anao masera ve le sipa @zay sa ...........
16. keyoann ( 16/11/2007 22:46)
tsara ihany aloa le voadona na in 100 aza satria midika zay fa mbola misy lesona tsy voarainao ao le fitiavana mantsy tsy ol iray ihany no mikolo azy fa olon-droa ka raha ohatra ianao voadona in-3 na mihoatra d manontania tena ihany hoe inn no andraikitro ao anatin izany sao dia izaho mihintsy no tokony hiova satria ny vy tsy mikitran irery
17. soanja ( 17/11/2007 00:49)
tsiftra:

soanja:

Misy fiteny mihitsy any ka hoe raha voadona indraipa ianao dia miarina haingana, voadona indroa ianao mandiniha tsara izay nahavoa sy haleha, fa raha voadona in-telo kosa ianao dia manaova masera amzay fa izay no tsara indrindra ho anao. Iny tena sura fa tsy handratra mihitsy.:-*

lé izy koa anié:wink: mety teo aminy fahatanorana sy tena mbola tsy taminy fahamatorana no voadona noho ny fitiavana andrakandrana e!dia voatery anao masera ve le sipa @zay sa ...........



Aza raisina tena matotra ny teniko momba ilay masera fa mba sarinteny ihany iny fa io voalazan'i Kenyann io no izy.

Ny resaka masera koa manko tsy vitan'izay hoe voadona fa mila fandinihina lalina ary sarotra lavitra nohon'ny manambady sy mahay lehilahy.


18. fetrakens ( 10/12/2007 10:41)
Tandremo ihany fa tsy voatery ho voadona vao lasa ho masera an! hi! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0587