asandrato ilay teny gasy re tompoko ô!

1. keyoann ( 03/11/2007 00:04)
Ho an ireo olona tompona orinasa mba asio vidiny ihany r ireto le tenin-drazana fa mampalahelo toa any @ teny fampiasa fahatelo no misy azy.
Ekena fa misy ny fanantontoloana fa na izany aza ataovy ho andrianina le izy dia ny teni-pirenena hafa sakelehina e!
novalian'i keyoann ny 04/11/2007 20:15
2. lemenakely ( 03/11/2007 07:50)
izaho koa mbô gaga
3. salmo1 ( 03/11/2007 08:33)
Izaho tsy sarotiny.
Raha misy malagasy na frantsay, na sinoa sns.... afaka mifanakalo hevitra amin'izay teny hazahoany hifandraisana, ohatra teny anglisy; tsy misy olana maintsy.

Izay tiany ihany koa io ah.
ohatra:
Raha misy Sinoa favo indrindra ra hanao sarisary trano hanatsarana any Antananarivo, tsy miteny gasy fa frantsay ihany no hainy, ohatra izany ah. Raha io Sinoa tsy miteny gasy io ve no hiasa ao Antananarivo? afaka hiasa any ve izy:?: Mety afaka hiasa ao Antananarino ihany izy satry Madagascar dia miteny français, ny akabeazany malagasy. Dia mazava wazy zany, fa ny tompony orin'asa fanaovana trano dia tokony hiteny frantsay rehefa ti hifankahazo tsara am-le sinoa.
;-)
4. MARTINE ( 03/11/2007 10:26)
Ozy fotsiny a oe: "Hajao ny tenanao hanajan'ny afa anao, hajao ny teninao anajany ny tenanano". Fototra izany ary miainga aminio daoly.
5. salmo1 ( 03/11/2007 12:05)
MARTINE: Ahoana kay zany manaja teny sy ny tsy manaja teny:?:

Rehefa tsy mahay miteny ve enao de zay no atao oe: ''tsy manaja teny'', ary rehefa mahay miteny kosa de zay no atao oe: ''manaja teny'' :lol:

Mba hazavao kely!
;-)



6. xxx ( 03/11/2007 12:09)
xxx:
Ozy fotsiny a oe: "Hajao ny tenanao hanajan'ny afa anao, hajao ny teninao anajany ny tenanano". Fototra izany ary miainga aminio daoly.
tsy marina izany
7. xxx ( 03/11/2007 15:20)
Mba gaga aminareo aho ! Hoy ianareo hoe hajao ny teny Malagasy kanefa na dia ny fanoratrareo azy eto amin'ity toerana ity aza toa misy diso tsipelina. Sa izaho no tsy mahay n'inona n'inona satria tsy maharaka ny fitsipika farany navoakan'ny Adademia Malagasy ?
8. ainga ( 03/11/2007 15:46)
Ny vahiny indray ve no andrasanareo hanaja ny teninareo ?
salmo1 : Ka noho io tsy fahaizan-tsika ny tenintsika io indrindra no tokony HIEZAHANTSIKA hampiasa azy amin'ny lafiny rehetra, amin'ny fotoana rehetra,rehefa any Madagasikara. Fomba fianarana azy io. Ary aoka tsy ho valiana hoe tsy ampy voambolana ny teny malagasy.
9. keyoann ( 04/11/2007 20:15)
salmo1:

Izaho tsy sarotiny.
Raha misy malagasy na frantsay, na sinoa sns.... afaka mifanakalo hevitra amin'izay teny hazahoany hifandraisana, ohatra teny anglisy; tsy misy olana maintsy.

Izay tiany ihany koa io ah.
ohatra:
Raha misy Sinoa favo indrindra ra hanao sarisary trano hanatsarana any Antananarivo, tsy miteny gasy fa frantsay ihany no hainy, ohatra izany ah. Raha io Sinoa tsy miteny gasy io ve no hiasa ao Antananarivo? afaka hiasa any ve izy:?: Mety afaka hiasa ao Antananarino ihany izy satry Madagascar dia miteny français, ny akabeazany malagasy. Dia mazava wazy zany, fa ny tompony orin'asa fanaovana trano dia tokony hiteny frantsay rehefa ti hifankahazo tsara am-le sinoa.
;-)



ka za anie tsy manakana ny vahiny tsy hifandray fa ny tiako lazaina dia tsy tokony ho atao ambanin-javatra ilay teny malagasy satria .
Ohatra misy vokatra malagasy izao dia tsy ahitana teny gasy satria ve ny ankamaroan'ny malagasy tsy mahavidy azy ireny?
Tsy haiko aloa nareo raha ohatr' ahy fa mampalahelo fa mihavery ilay mahamalagasy antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1767