Fa maninona no victime foana ny filoham-pirenena?

1. ronaldo09 ( 22/10/2007 12:34)
Ny tena mahaga amin'ny rehetra dia toa voteny foana ny filoham-pirenena raha misy zava mitranga na trangan-javatra eo amin'ny firenena zany hoe raha trangan-javatra ratsy !Raha misy ny mpanao politika voasambotra dia ny filoha no enjehin'ny olona fa tsy ny mpamoaka ny didy fampisamborana ,raha misy fikatsoana zany hoe tsy fandehanjavatra eo amin'ny firenena dia lazaina avy hatrany fa ny filoha no nahatonga an'io ...Ny mahagaga anefa raha vao misy zavatra tsara dia ny minisitra no deraina na ny ben'ny tanana ary indraindray aza ny solombavabahoaka mihitsy fa toa hadino ny filoham-pirenena ,koa manontany aho eto fa ny filoha irery ve no olona eo amin'ny fitondrana ary voatery ho fantany ve ny zava-drehetra miseho rehetra raha toa ka tsy amplazana izy ,ary indraindray anie ry zareo ny ny minisitra sasany manaonao zavatra zay ihany ary avy eo ny filoha no mitanty ny vokany....
Eo amin'ny fisamborana na fanagadrana olona toa ireo mpanohitra milaza ny rehetra fa ny filoha no nanagadra andranona na andranona ,ohatra Pety ,Voninahitsy ,Depiote Haja sns...nefa anie tokony hojerena hoe :inona ny antony?Zao zao votsitra ary afaka i Rolland Ratsiraka lazao amiko hoe ny filoha no nanafaka azy ...Tsy hisy ny hilaza izay fa vao nosamborina izy de lasa ny resaka fa ny filoha no nanome baiko...
Ka izao e:Maninona no victime ny filoha????
novalian'i Jeankely ny 22/11/2007 13:07
2. Jeankely ( 22/10/2007 13:27)
Ny mpanao politika no manenjika azy sy miresaka azy betsaka fa tsy ny vahoaka. Tsy victime eo anatrehan'ny vahoaka izy fa ny olona mitady fika anjerana azy no miresaka satria tampona tsy mahita rirany noho ny heriny kely sy ny voalazanao fa mpanohitra tsy mahavita azy. Tsy victime mihintsy fa vao mainka miakatra.
3. hajasoatiana ( 22/10/2007 19:26)
Tena marina sy tsy azo lavina kosa aloha fa ny filohampirenena no manome baiko hanagadrana olona indrindra fa ireo mpanao politika mpanohitra fa raha tena dinihana amin'ny saina dia hita sy tsapa fa tsy misy demokrasia izany eto madagasikara fa didy jadona sy izay tiako atao no atao fa ohatra iray amin'izany dia fa maninona ohatra no esorina fahatany fotsiny ny panneau publicitairen'ny domapub sy injet eraky ny tananan'antananarivo? dia sahy milaza ve ianareo fa tsy ravalomanana no ao ambadikireny rehetra ireny fa baiko avy aminy ny mahatonga ny commune urbaine antananarivo hanao ireny fihetsika ireny satria saribakoliny ireny tsinona. Toy izany koa ny HCC izay mbola voabaikony satria nahoana moa no tsy mba misy nohenoina mihitsy ny fitarainana rehetra napetraka tany @ Hcc kanefa ny fitarainana tany amin'ireo toerana tsy hitanareo hafahafa ve izany? Mbola maro ny ohatra fa aza mba jamba e
4. xxx ( 23/10/2007 04:39)
tsara kokoa ho antsika ve ny didy jadona? inona izany demokrasia izany? Toa dradradradraina ery nefa toa tsy hita taratr akory n'aiza n'aiza? Sao dia mba nofy.
5. Jeankely ( 23/10/2007 06:54)
Ka inona no tena marina tsy mahy inoninona ve izy sa mahay ka afaka misahana ny rehetra ary izy daholo no ao ambadikin'ny rehetra e? Aiza no tena tiana ambara fa mifanjevo. Tsory fa mahay izy ary tafahoatra ka tiany baikona ny rehetra. Potika hatreo ilay fanontaniana hoe tsy nianatra izy. Milaza mahay daholo ry Manampahaizana ao Be Olomanga nefa avy eo milaza fa Baikon'ny tsy mahay inoninona. Mba menatra.
6. menalamba ( 23/10/2007 13:23)
Tô tankina tsisy niteny ..,???:roll: Norovitin'i jeankely mihintsy ny harato léaka!!!
7. xxx ( 23/10/2007 14:12)
Mahay izy kah, tsy any no olana. Ny olana dia ity fitiavan'ny sasany seza ka mimenomenona etsy sy eroa. iza hono nefa ireo mimenomenona? Jereo fa ny be kibo sy ny be hatoka avokoa, very fihinanana.
Jereo ireny ny orin'asany fa manananika tsara mifaninana amin'i Colas. Jereo fa rarakivy ny frantsay sy ny framacons rehetra, tsisy trafic mandeha intsony. Raha hisy ihany ny trafic, ny monopole, ny fournisera fitaovampanjakana, tsy aleo ve mba ny entreprise gasy e. Saingy ny olana dia izao, rehefa lasan'ny Alma ny marché anakiray dia ny malagasy be hatoka sy be kibo indray no tezitra ary miandany ny amin'ny hanpomezana an'i Colas an'izany, izany hoe manohana frantsay, eeeeh zanantany marina!
8. lamie ( 23/10/2007 18:35)
mipetraka ny fanontaniana ry "tezitra,tsaramaso"!itony dinika itony no tokony ilàna azy ireo.:-D:-D:lol::lol:
9. hajasoatiana ( 23/10/2007 20:15)
Nareo ve mihevitra fa raha nasiany ny fanalalahana fa tsy nasiany fanakatsakana fa nataony mitovy daholo ny orinasa rehetra tsy efa voasongona ny orinasan'ny filohampirenena io? Ohatra fotsiny izao tamin'ny resaka fanafarana vary tamin'ny andro nampiakatra ny vidimbary teo, moa nisy nahavita nanafatra vary ve ankoatran'ny magro satria inona ny antony, kivy ny olona @ fingampingana sy sakatsakana nataony teo amin'ny fanafarana vary nefa mody hoe afaka manao daholo dia ireny niaranahalala ireny ny vokany fa tsy misy afaka nanao na inona na inona rehefa nataony 2500fmg ny vary nefa naharitra hafiriana moa ilay izy, ary moa ve afapo ny vahoaka malagasy. Fa izao kosa aloha e niarahana nanaiky fa isika malagasy dia toy ny ombintsarety anaovan'ny ravalo azy fa aiza no misy an'izany hoe ialana @ fahantrana izany dia filet de securite no atao nefa le filet de securite zavatra tsy misy dikany akory. Tsy ohatry ny mampihomehy ve izany? FA raha tena navela hisy ny fanalalahana amin'ny lafiny rehetra na haino amanjery io na orinasa sy ny sisa mety handroso ihany aloha isika na tsy teo aza ravalo e fa zany hoe ny olona moa indrindra fa eto tana efa nisotro an'ilay aleoko maty ka na angerezan'ny ravalo sy hitsakitsahan'ny ravalo eo antampondohany aza mbola sahy miteny ihany hoe mahay mikakà ravalo.
10. xxx ( 23/10/2007 20:21)
Nareo ve mihevitra fa raha nasiany ny fanalalahana fa tsy nasiany fanakatsakana fa nataony mitovy daholo ny orinasa rehetra tsy efa voasongona ny orinasan'ny filohampirenena io?


Tsy dia siora loatra ny amin'izay aho! ny azy efa favy hatramin'izay tsy nisy nahasongona, ny fahalalahana aza efa nisy taloha (fanalalahana hahafahan'ny hafa manapotika azy), ny exoneration noesorina taminy, ny classiko norarana tsy natao ambony etallage fa ny star izay an'ny Frantsay no atao matanjaka kokoa, ny Mpamantsy vola manindry mba ho ny Colas no hahazo ny marché rehetra, mba ho ny Chemonics no hanao ny raharaha avy amin'ny Usaid rehetra, sns. Nefa dia io izy io miha-mahery io, afaka miatrika ny fanatontoloana sy ny fihavian'ireo vahiny izay sahy.
Tsy hitako izay olana raha ny entreprise malagasy ihany no mahazo ny marché malagasy na mandrakotra ny tsena, irney vola mipetraka any amin'ny malagasy mampitombo ny PIB fa raha ny vola azon'ny orin'asa vahiny dia mody any amin'ny taniny, mampihena ny PIb ary mampitombo ny PNB-ndry zareo.
11. Jeankely ( 24/10/2007 01:54)
Ho an'i Hajasoatiana dia tsy ampy ny resaka resahinao. Amin'ny resaka varotra dia fizahavana tombony no himasoan'ny rehetra ary rariny izany fa tsy diso akory. Ny mpanafatra vary rehetra hatramin'izay dia ny tombony ho azy no zaviny ary zarany aza tsy ampy ny entana mba ahafahany mametraka izay vidiny tiany hampiakarana azy. Tongava any @ Ministeran'ny varotra fa nivory miaraka @'ireo tia hanaftra foana ireo ary resaka fakana tombony no tsy hifanarahana satria arak'io voalaza io hoe fizahavana tombony ny an'ny mapnafatra fa tsy resaka asa soa akory. Tsy diso ny Mpanafatra mitady tombony ary tsy diso koa fa tena manana ny rariny ny Fanjakana mandray andraikitra na tsy mbola mahavaha ara-dalana aza. Ny mpivarobary eo an-tanana fotsiny jerena fa zarany ianao tsy ahita ary manaiky mividy ny azy lafobe satria tsena io. Ny marina afafy fa aza be resaka.
12. LazaDaddy ( 24/10/2007 02:08)
Fa maninona no victime foana ny filoham-pirenena?
angaha rehefa miresaka ny ataony dia midika hoe manao azy ho "victime"? Sa ny ataony mihitsy no tsy manjary?
13. Jeankely ( 24/10/2007 02:28)
Ny ataon'ny mapnenjika no tena tsy manjary satria tsy mahavaha olana. Tsy victime mihintsy izy fa mahazo hery sy mahita hevitra hafa aza. Tsy sahala ny Profesora voan'ny ampaisomanta.
14. Herimiafina ( 26/10/2007 04:50)
Rehefa dinihina izany dia iza no trimo be ary iza no farabekibo ary iza no ikotomalemy ato anatin'ity tantara ity? ho hitanao tsy ho ela ny tohiny....=)):@
15. Jeankely ( 26/10/2007 08:08)
Tsy maintsy ny ho avy no hitsara. Ny lasa mipetraka ary tsy hadinoina na oviana na oviana fa hamporisihina mihintsy ny olona hitahiry izay tratra rehetra. Madagasikara ahitana tantara hafa kely isankarazany.
16. bazylou ( 14/11/2007 00:44)
satria olona tsy mazava izy mianakavy
17. fijo ( 14/11/2007 21:06)
isika gasy dia manana fisaina adiso izay.mihevitra isika fa rehefa tsy mandeha ny firenena,dia ny filoh ano soloina dia vita.

tsy vitan'izay io,fa na hanolo filoha isambolana aza isika,ka isika nefa mbola manao tsolotra ery amin'ny mairie sy atsy ambadika atsy,tsy hisy raharaha vanona eo.
18. xxx ( 15/11/2007 10:43)
Ianareo izay milaza fa hoe " maninona no victime foana ny filoha", izao no holazaiko anareo, ny zavatra rehetra miseho eto amin'ny firenena misy antsika dia didy mivoaka avy any amin'ny Filoha avokoa:
1- Ny nanendahana ny panneau an'ny Injet
2- Fanenjehana ny societe isankarazany izay tena matanjaka tokoa eto amin'ny nosy misy antsika
Manaraka izany,namoaka didy izy fa hiakatra indray ny charge amin'ny karama izay raisinao isambolana, ary koa ny fampiakarana ny jiro 15%,ny TVA hiverina 20%, dia mbola sahy milaza ihany ve ianao ry ingahy jeankely fa tsy avy amin'ny filoha izany rehetra izany, marina fa nampandroso ny firenena izy nefa dia diniho tsara fa ny lalana dia tsy azo hoanina , sa angamba kosa be vola be ianareo ka ny miditra any ambavanareo ihany no hampiasa saina anareo? tsy mba mitsonjo akory ireo mahantra eny amoronarabe? Sahinao ve no milaza fa mijery ireny ireny ny filoha?Mba valio za raha sahinao no milaza fa tsy avy amin'ny filoha izany rehetra izany ary ny demokrasia hirahirainareo lava io aza dia tsy misy raha eto amintsika satria raha fahalalahana azza dia tsy misy eto dago.
19. bazylou ( 15/11/2007 20:10)
satria kondrana izy
20. xxx ( 16/11/2007 08:44)
Ie matikambo ny hoe tsy misy mahavita afa tsy izy, ary tsy mazaka ny ho voatsindrin'ny olona ka raha vao mahita olona mahavita be be kokoa noho izy dia finganina.Ianao ry jeankely rehefa tsy mipetraka eto dago dia tsy mahita ny ataony eto amin'ny didy jadona dia akombony ny vava fa aza be wawawa eo ah, tsy maharaka film fa calme fotsiny fa ny hahasoa anao any amin'izay toerana misy anao any atao. Betsaka ireo societe fantatro fa finganiny satria misy activité tiany atao mitovy amin'ireo societe ireo nefa matanjaka kokoa ka tsy hitany izay anaovana azy.Fialonana sy fitiavantena ny an'ny filoha malkagasy fa tsy misy fitsimbinana ny vahoaka malagasy , raha toa ianareo ka mbola mahita fa mety izao fiainana izao dia mbola anisan'ireo mbola mpisolelaka aminy izany ianareo ka mbola voavidiny amin'ny ambogadiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0669