coup de foudre

1. Kwasi ( 21/10/2007 13:31)
Efa mba ela ihany ny niainanako sy nifaneraserako t@ vhv fa mbola tsy nahatsapa hoe voan'izany coups de foudre izany aho le.:)
Misy milaza amiko hoe mbola tsy tena tia hono aho raha tsy mbola azon'izany, sy ny hoe voa mafy hono aho. Misy indray ny manao hoe zaran'ialahy aza tsy voan'izany mandadilady @ sipa izany ka oy a oy, ampian'ny tsy fahitantory sns.
Dia mba manontany anareo efa tratran'izany CF izany aho hoe mba tantarao hoe ny experience niainanareo an'izany? sao dia mba efa teo ihany aho fa izaho no tsy kopy.
novalian'i sarobidy ny 07/11/2007 13:20
2. achrafhanna ( 21/10/2007 13:53)
Zany coup de foudre zany hono,tena
mampandadilady,tsy hoan'ny lehilahy ihany!
fa ny viavy ihany kou de tena ataon'izy io
mamay!nefa refa tafaraka ny tia sy ny manina
inoako fa tena paradisa sur terre.aza hadino ny mitantara ny tohiny é!
3. Papoose ( 21/10/2007 19:38)
tsy tena tia hono aho raha tsy mbola azon'izany, sy ny hoe voa mafy hono aho.


za aloha mbola tsy tratran'io e! nefa tsy mahatsiaro voa mafy no sady ny coup de foudre amiko tsy voatery hidika hoe tena fitiavana!

Misy mantsy ny tratran'ireny miredareda vetivety le fitiavana dia maty tampoka dia zay!Ohatr'izay cousine-ko zay! mety tratran'ny coup de foudre angamba matoa roa volana izy roa no nifankafantatra dia natao mariage dia ray taona ny faharetan'ilay tokan-trano de nisaraka. Ny mariazy nefa dia tena nitapolaka!
Mety tena tia be tamboalohany tokoa fa raha zara raha haharitra dia hitako very maina toy ny mahazo azy @zao satria lasa tsy te hiherika lhl fa somary simba saina t@ experience-ny.
4. pissoa ( 21/10/2007 19:56)
mampalahelo zany :cry:

Tsy haiko raha tena misy izany coup de foudre. Raha misy fotsiny dia angamba mila mitandrina beeeeeeee izay tratra fa he zany izy hoe coup de foudre ! :-D:-D:-D
5. tess ( 21/10/2007 21:59)
de tena nandadilady mahitsy ve lay oul tratran'ny coup de foudre e:roll::°) izaho efa tratran'ny oul efa telo zay samy nilaza fa tratran'ny coup de foudre fa toa tsy nandady ry zareo knou! fa ça vaut pas le coup satria toa tsy maharitra:-P
6. xxx ( 21/10/2007 22:30)
Efa teo ihany leisy ialahy ry Kwasi fa saingy ririnindasa tsy tsaroana fotsiny an, vao mitosaka fotsiny ny hormone rehefa puberté iny dia tratran'izay daholo na lahy na vavy ka siora aho fa tratra koa ise fahiny. :P
7. ikaretsaka ( 22/10/2007 00:23)
mitselatra izany fia vita raha eo ambony harambato no mirefotra..
mahafaty koa ny hilatsaham-potaka raha tena paaaaaaa tampoka @ olona...
8. soanja ( 22/10/2007 05:49)
Hitan'ny Kwasi refa tratran'io Kwasi de very tsy mahalala izay atsimo sy avaratra. Manambady sa mbola mpitovo? Nisakafo sa mbola noana? sns sns e! Voky fitiavana nefa noana fitiavana eo no ho eo indray.
Misy anle Ravolahanta sy Rabeniomby iny no mesure jerena :lol::lol::lol: Richter mety tsy mandaitra tsony mantsy fa vaky tanteraka.:-D:-D:-D Aleo hofaty izay hofaty fa zah maty amraha tiako sns bla bla ronono e sy kalalao!!!

Fa izao ry Kwasi> Tsy voatery hiaina izany cf ny olombelona iray vao hoe zany ka olombelona fa nitia. Tsia, tsy misy tsaran'izany hoe nahatsapa fa tia sy tiana ao anaty filaminana izany. Izay no Fahasambarana eto an-tany aloha amiko e!!! asa ny hafa.
9. reve ( 22/10/2007 07:57)
tena misy ny coup de foudre fa tokony hifamaly izy io vo tena azo atao hoe voan'ny cf fa ny aza voany mandeha ila ihany fa de marina ny voalaza ny namana etsy ambony hoe de mandraingiraingy tokoa moa zany e!:P:D
10. sakaizakely ( 22/10/2007 08:11)
sao dia afangaron'i Kwasi @ grand amour ny coup de foudre ?

ny cf dia fijery mifanopy na tanana mifampikasoka dia mitselatra ho azy eo no ho eo tsy hay tohaina fa tondé afobe miredareda. Mety haharitra, mety tsia. Satria tsy maka fotoana hanadihadiana hoe ahoana marina ity olona ity fa dia tairina eo no ho eo. Miandry fotoana kely vao tonga saina, ndray² manenina dia faranana haingana ny tantara, ndray² vaky vava fa kay tsy ratsy ;-) dia afaka tohizina ilay izy

ny grand amour no mampa 8-) raha ohatra mbola tsy niainana
11. Kwasi ( 22/10/2007 09:21)
sakaizakely:
ny cf dia fijery mifanopy na tanana mifampikasoka dia mitselatra ho azy eo no ho eo tsy hay tohaina fa tondé afobe miredareda

soanja:
refa tratran'io Kwasi de very tsy mahalala izay atsimo sy avaratra


:D raha ireo indray izany aloha dia mbola tsy nahavoa ahy e.


...Mila mivatsy boussole ihany izany sao tratra tampoka eny an-dalana eny ka tsy mahita ny lalan-kodiana:-D
12. tsikikely ( 22/10/2007 16:36)
Coup de foudre, mitselatra ny voalohany(l), may ianao ny faharoa ^^fa ny fahatelo dia hoatra izay koa : vetivety ny fanadinoana:D.
13. vindy ( 24/10/2007 09:34)
Mamitaka io resaka coup de foudre io. zah efa tao mantsy. Une fois refa lasa ilay effet an'il coup de c'est l'enfer après; lasa tsy maintsy mitsabo an'ilay brulure fotsiny no atao. n'empeche hoe ilay effet voalohany kalou de agreable à vivre e.
Maztou ary mahita ny soa
14. Kwasi ( 24/10/2007 11:07)
vindy:
Une fois refa lasa ilay effet an'il coup de c'est l'enfer après; lasa tsy maintsy mitsabo an'ilay brulure fotsiny no atao

Fa ilay brulure ve ny olondroa voa daholo sa ny iray ihany?
15. koffman ( 24/10/2007 14:20)
sao dia afangaron'i Kwasi @ grand amour ny coup de foudre ?
)
tsy mitovy ireo ry kwasi an, mety ho tia olona enao nefa tsy amoureux aminy, na koa hoe mety ho amoureux enao nefa tsy tratran'ny coup de foudre. Ny coup de foudre mantsy taitaitra eny fotsiny enao nitselatra le oul de tinao be de niaraka nareo tsisy hoe ahoana na ahoana, mety ho 1 volana ny niarahanareo de samy leo, na samy nanenina, na samy nahita tsirony de maharitra.
averiko fa samy hafa be mintsy reo an!
16. Rakaina ( 01/11/2007 16:18)
Resaka coup de foudre io dé zvtra nandalo tamiko,teny ambony sambo andeha hamonjy poste za t@io.Avy any Antsohihy t@io de nifanena t@na vhvy iray izay izay atao oe anjely e!De nandé ary tsy hay izahay nahazo anay fa nifanantona ho azy ary dé izany ilay atao oe coup de foudre @azy satri na za na izy dia tsy nanampo oe hiafara @na zvtra tena tsra ny fiarahana!De ny niafarany mou de samy tonga saina oe tena adala tsika satri samy manambady zhay rou,nefa noho ilay oe foudre izay tsy azo ialana izay dé nanjary tantara tsy mety hadinoko eo @ fiainako izay!
Crdlt à tous!
17. booboo ( 05/11/2007 12:26)
Hu hu hu taiza ho aiza tao anaty sambo nareo no nifantona, dia t@ tady sa t@ inona ? :-D:-D:-D:-D
18. todisoa2 ( 06/11/2007 08:04)
Kwasi:

Efa mba ela ihany ny niainanako sy nifaneraserako t@ vhv fa mbola tsy nahatsapa hoe voan'izany coups de foudre izany aho le.:)
Misy milaza amiko hoe mbola tsy tena tia hono aho raha tsy mbola azon'izany, sy ny hoe voa mafy hono aho. Misy indray ny manao hoe zaran'ialahy aza tsy voan'izany mandadilady @ sipa izany ka oy a oy, ampian'ny tsy fahitantory sns.
Dia mba manontany anareo efa tratran'izany CF izany aho hoe mba tantarao hoe ny experience niainanareo an'izany? sao dia mba efa teo ihany aho fa izaho no tsy kopy.


Faut pas compliquer la ie ô ô....=))
19. sarobidy ( 07/11/2007 13:20)
za klo tsa mbola tratra ko de tsitako zay tantaraina an'i toi ry kwasi :oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1076