2008 Mankany

1. soanja ( 20/10/2007 14:13)
Hisy azy indray na hanana ny mahasamihafa azy ny taona 2008 mankany raha politika sy toekarena erantany no resahina.

Betsaka ny zavatra mivaingana hiova loko nohon'ny:
i Sarkozy indray no ao Frantsa, olombaovao ny ao Angeltera. Manova fihetsika ny ao Alemana, i wall street sy ny fiovany, i Sina ho lasa matanjaka indrindra, UN antitra i Koffi Annan , voan'ny miala fa ampy i Bush nampiditra anay tamikizo: lehilahy mandreraka ahy sns sns...

Inona no atahoranao hitranga ary inona no mahavelom-panantenana anao?

Ny hany mba faniriako dia mba ho demokraty indray no hitondra anay oooooooooooooooooooooo please GOD!!!!!
novalian'i LazaDaddy ny 07/11/2007 23:45
2. Kwasi ( 20/10/2007 15:40)
Efa 90$ izao ny baril -ny petrol. Ho raharaha ny hitranga eto mdkara afaka 3 volana. Hisondrotra izay tsy izy ny lasantsy ---> fitaterana ----> ny vidinjavatra. Ny vola hiditra @ tsirairay (karama) nefa tsy mihetsika.
Ny administration koa anefa mila vola fa tsy ho ampy azy intsony izay miditra aminy dia hamorona izao karazan-ketra isan-karazany izao (ny commune, fokontany). Mety hatr@ fitafiana sy ny kiraro hanaovanao koa aza mety hotombanana hangalana hetra.
Hiova indray ny vola ka hatao vola madinika daholo indray ny hatreo @ 250 ariary. Misy impact psychologique io.
...

farany: mety tsy hanana sipa intsony ny bandy fa tsy ampy intsony ny sosy ampirevena, lol:-D
3. soanja ( 20/10/2007 16:17)
Kwasi> :-D:-D ny mety hoe hetraina ny akanjo ao ambany sikinana.

Ny ahy indray dia hibaribary amizay ny fomba fitakiana fa mila mitaky resources na energy hafa isika hanampiana ny tontolo iainana sy hampiasaina eo amin'ny fiainantsika. Mitaky ny climate change ary tsy hanana choix ny rehetra fa tsy maintsy miatrika na i US be marenina aza.
Ka na ilay tantsaha mahantra any ambanivohitray Tolongoina aza dia hanana ny mahaizy Azy eo anatrehan'ny zao tontolo izao fa manampy amin'ny fiatrehana izany olana izany ary mitady vahaolana. Ho ela velona anie ny zatropha hihihi.

Ankoatra'izay dia hamirapiratra ny asan'ny tsirairay eo amin'ny lafin'ny tekinika momba ny fampisehoana ny mahaIzy azy fa tsy voatery hiankina amin-dra Mass Media intsony sy ny fisolelahana na fanjanahana ankolaka amin'ny manampahefana sy ny manambola sns satria afaka mampiditra ny fahaizana sy ny zavabitany sy ny vaovao ny tsirairay amin'ny alalan'i YouTube, facebook, Myspace, ny wiki, ny podcast, ny blogs sns... Afaka mivelatra izy ireo ary afaka mampiasa ny fahaizany eo na hitan'ny hafa eo ny fahaizany.
Noho izany dia efa azoko antsaina ny hafalian'ireo generation any afara rehetra hahafantatra ny bebeny sy ny dadabeny taloha elabe sy ny mombamomba azy ireo antsary sy antsoratra ary amin'ny feo.

4. soanja ( 20/10/2007 16:20)
Kwasi> Mety ho gaga anao ra resahiko fa mety tsy vola intsony no hanaitra ny sipa amin'izany fotoana izany. :-D:-D:-D:-D
5. xxx ( 20/10/2007 19:12)
zava-nisy efa hatrizay ihany ireo teneninareo ireo nefa, nanan ny heviny koa ny dadabe sy ny bebe niaina tamin'izany.
ankehitriny efa andron'ny tanora ary izao no hitany fa tena tsara aza fa any andro any volana any taona hiha-antitra koa izy ireo ary anisan,ny hanampy trotraka ny mpilaza hoe miha-ratsy ny fiainana. raha mahatsapa ianao fa ratsy ny fiainana dia omany ny retirety fa niha-antitra ianao izay.
6. sipagasy ( 20/10/2007 19:14)
mmhh soanja fa inn hono akia no mety hanaitra ny sipa hihih

fa marina aloha ny nolazainareo e! na ilay miseho azy ho fatratra aza hahita hoe misy izao any afrika ambanin'ny kizo tsy hainy veroka any ka mba hisokatra koa ny masony hahay handray ny zavatra avy any @ tanin'ny firenen-kafa e!
:-*
7. Kwasi ( 21/10/2007 13:04)
xxx> Amiko indray tsy ny fahatsapana faharatsian\'ny fiainana akory no mariky ny fahanterana, fa ny tsy fanekena sy ny tsy fahavononana @ fiovana (changement).

soanja> toa mba liana ny @ izany zavatra hafa mety hanaitra ny sipa zany ny tenanay le. Ny hitako aloha dia mbola ny vola ihany e, ary vao maika aza hanankery bebe kokoa io atsy ho atsy. Fantatro ianao fa concernee be @ ilay environnement, fa izao ange e, raha tsy mbola voky aloha ny kibo tsy mahatsiaro manana andraikitra @ izany ny tsirairay fa anjaran-dry \"Zareo\" izany. Ekeko koa ilay resaka technologie ict, nefa na io koa aza dia ho lasa fitaovana hampilendalenda ny tanora ny fahatsaran\'ny ahimaitso eo ampitan\'ny fefy sy ny @ fitaovana electronika na zavatra hafa mampandrevy azy nefa tsy ho voavidiny akory. Anankiray koa, firifiry moa izao ny isan\'ny tanora mahay informatika nefa mba firy @ ireo fotsiny no mba mieritreritra famoronana, fa raha tsy variana @ site de rencontre ny vhv dia @ jeux ny boaykely. Tsy fataliste aho akory raha mitanisa an\'ireo fa ny tiako ahatongavana dia sarotra @ olona sahirana ny maka RECUL handinihana ny fiainana hany ka tsy mety tafavoaka ao @ ilay rat race izy.
Mba miresadresaka @ ankizy aho dia mba nampiditra ny @ resaka goal setting, ahoana ny fahitanareo ny fiainanareo afaka 10 taona. Ny valiny voalohany dia hoe mbola ho ela izany 10 taona izany razoky fa izany sahady ve no ndeha hoeritraretina. Mila zavatra ampidirina @ education: vision a long terme. Fa na inona na inona litania atao raha tsy tafapaka any @ tsirairay io principe io dia mbola ho spektatera lava eny isika malagasy.
:wink:
8. simplex ( 21/10/2007 13:13)
Ny zavatra fantatra @ 2008:

* JO any sina
* Euro (Foot) any Eoropa
* Fifidianana any Etazonia

=> croissance globale @ 2008,

Indro kely:
* na dia efa nahenan'ny fed aza ny taux d'interet t@ septambra teo dia ahiana mbola hitohy kely ihany ny krizin'ny immobiliers.

* en partie vokatr'io taux d'interet nidina io nefa ny an'ny ECB/bank of England tsy nihetsika, dia mihamatanjaka ny Euro sy pounds . Enfin, misy adihetra be hoe mitombo ny exports an'ny Be kitana any Europa, kanefa koa mety hitombo ny investissements andrizareo any Europa...

* niakatra 90$ ny baril an'ny solika t@ ity herinandro ity.

Long terme:

* soziavan'ny Rosiana ilay plan anti-missile an'i Bush. Mety hisy guerre froide kely manangasanga any...

* Mety hotafihana ihany i Iran, tsy probable alou @ zao fa na izany aza. Hiakatra faran'izay tsy izy ny solika ra vao manambana izany...

* Etat palestinien, ato ho ato

* Manomboka manana lanja politika goavana ireo pays emergents, Sina, Inde, Mexico, Brazil, South Africa.

* Effective ny European Treaty, mihamitambatra i Europa (hanaovana balance politika @ i Be kitana sy ny sinoa)

Ho an'ny gasy:

* tapitra @ debut 2008 ny fifidianana. Milamina ny tany zany.

* Connexion @ Cable fibra optika, fin 2008, ESSAY sy SAFE => boom technolojika/ internet

* Mety tapitra @ 2008 ny delestage.

* Effective tanteraka ny ZLE @ SADC

* Mety fantatra mazava @ 2008 ny gisement petrolier malagasy.

=> mbola fakana bahana ny 2008 hoantsika
fa ra milamina ny tany, 2009-2010 ny decollage, croisons les doigts.:)
9. simplex ( 21/10/2007 13:20)

Kwassi,

ra tsy misy crise politika @ 2012 mety tandrohantsika @ zay ny COI afaka folo taona izany.
Ra tsy hoe @ 2017 indray nga ny crise manaraka :°):)

Ny manaitra ny vhv ve?
ny endrika hita voalohany mazava hoazy (tafiditra ao ny vola),
fa ihany koa ny fahaizana mandona :roll::°);-):@:@
10. xxx ( 21/10/2007 20:53)
xxx> Amiko indray tsy ny fahatsapana faharatsian'ny fiainana akory no mariky ny fahanterana, fa ny tsy fanekena sy ny tsy fahavononana @ fiovana (changement).

Voalaza any ho any fa ny reticence au changement (ny fatahorana fiovana) dia mitombo manaraka ny taona.
11. soanja ( 22/10/2007 04:57)
Zah manokana aloha dia miandrandra fiovana. :lol::lol:
Tsy misy mihatanora izany mihitsy aloha ny olombelona ny fahitako azy hatramin'izay nisian'ny planeta tany.
Ary izay milaza ny fahanterana ho olana dia anisan'ny matahotra izany fotoana izany (psy.) tokoa ho azy manokana. Ny fahaterana mantsy hoe tsy midika hoe useless isika e! Misy isan-karazany ny azo ampiasana ny taona. Aza atao ho obstacle io.
Asa anefa. Amiko raha miala eto aho dia tokony hanana at least an ethical legacy for my generations.
Izaho dia miandrandra hatrany ny ho avy ho tsaratsara kokoa noho izao. Na dia mazava aza fa be ny olana mibahana eo.
Satria mino aho fa smart ny olombelona mahalala izay tokony ataony avy rehefa tafita izay hafatra izay hoe " fahendrena ny miaina ao anaty fifandanjana na balance."

Raha tsy tafita moa izay na too late dia tsy manahy koa fa efa nahavita ny anjarako aho mamonjy ny rangolahy! Peace!:-*:-*

12. soanja ( 22/10/2007 05:14)
Kwasi:

xxx> Amiko indray tsy ny fahatsapana faharatsian\'ny fiainana akory no mariky ny fahanterana, fa ny tsy fanekena sy ny tsy fahavononana @ fiovana (changement).

soanja> toa mba liana ny @ izany zavatra hafa mety hanaitra ny sipa zany ny tenanay le. Ny hitako aloha dia mbola ny vola ihany e, ary vao maika aza hanankery bebe kokoa io atsy ho atsy. Fantatro ianao fa concernee be @ ilay environnement, fa izao ange e, raha tsy mbola voky aloha ny kibo tsy mahatsiaro manana andraikitra @ izany ny tsirairay fa anjaran-dry \"Zareo\" izany. Ekeko koa ilay resaka technologie ict, nefa na io koa aza dia ho lasa fitaovana hampilendalenda ny tanora ny fahatsaran\'ny ahimaitso eo ampitan\'ny fefy sy ny @ fitaovana electronika na zavatra hafa mampandrevy azy nefa tsy ho voavidiny akory. Anankiray koa, firifiry moa izao ny isan\'ny tanora mahay informatika nefa mba firy @ ireo fotsiny no mba mieritreritra famoronana, fa raha tsy variana @ site de rencontre ny vhv dia @ jeux ny boaykely. Tsy fataliste aho akory raha mitanisa an\'ireo fa ny tiako ahatongavana dia sarotra @ olona sahirana ny maka RECUL handinihana ny fiainana hany ka tsy mety tafavoaka ao @ ilay rat race izy.
Mba miresadresaka @ ankizy aho dia mba nampiditra ny @ resaka goal setting, ahoana ny fahitanareo ny fiainanareo afaka 10 taona. Ny valiny voalohany dia hoe mbola ho ela izany 10 taona izany razoky fa izany sahady ve no ndeha hoeritraretina. Mila zavatra ampidirina @ education: vision a long terme. Fa na inona na inona litania atao raha tsy tafapaka any @ tsirairay io principe io dia mbola ho spektatera lava eny isika malagasy.
:wink:


Mazava ny tianao ampitaina Kwasi ka saingy izao anie e.
Ny mahatonga ahy hanoroka na hamihina hazo (I am a tree hugger) dia satria izaho mihitsy no mahatsapa fa ilaiko izany. Mitaky izany ny momba ahy. Adidiko adidinao ny tsy mitsahatra mamoaka ny hevitrao amin'ny alalan'ny activism sns fa tsy hijanona eo akory isika satria mahatra dia akory atao. Midira manao politika hanova zavatra raha ilaintsika izany. Inona avy no fomba hanamboarako ny sain'ny tanora avaizo fa tsy vitan'ny mampiakatra soroka fotsiny ny zavamisy fa tena mila mamoritra tananan'ankanjo mihitsy e. DREAM BIG BABY! DREAM BIG! BUT YOU KNOW WHAT? ACT TOO!
Rehefa toy ireny KWASI ka manana ilay fotoana tsy ampoizina ianao ka miresaka amin'ny tanora dia mijoroa vavolombelona e! Marina io. Tsy resaka baiboly ihany fa izay azo aroso eo hilazanao fa possible ny hi-set-vana goals ary ry Einstein sns nandalo an'io daholo vao tonga teo. Na io RA8 be vola io aza. Matoa izy niteny fa MINOA FOTSINY IHANY dia ny tenany no nampihariny an'io voalohany.
Ka na hafa aza ny menu eo tsy tiantsika na tsy tian'ny hafa dia izy kosa nahatanteraka izay tadiaviny.

Noho izany, afaka atomboka moramora ny fanamboarantsaina ny tanora ary tsy hatao hahakivy satria manabe zany ny mpampianatra no voalohany tokony ho resilient na be fikirizana volaohany.

Sipagasy> Resaka Sipa indray dia vazivazy ny ahy iny raha ny 2008 sy ny 2010 de mbola manompo vola raolombelona. Fa kosa hanomboka amin'ny 2015 dia hilaza aho fa tsy hisy vidiny ny vola na misy ihany fa tsy iny no hibahana voalohany. Manonofy aho angamba fa tsy omeko le sekire hitako aloha an hihihi :-*:-*:-*:-*




13. sarobidy ( 02/11/2007 11:17)
d sami miandry ze hipoaka eo zany e
14. sipagasy ( 02/11/2007 11:58)
tss soanja kosa e!!! za efa saika hanatitra ny ravim-bola any @ banky hoe tsy hampiasa ito intsony zah hihihihihi:-D(l):-D bbizzz mianjy valiny zà aryyy e!
15. LazaDaddy ( 07/11/2007 23:45)
mitsororika ambanin'ny CAD ny USD
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0665