fanomezan'Andriamnitra ve?

1. bosista ( 19/10/2007 10:12)
ataoko fa isika rehetra efa nahita ireny olona sampona ireny ,ataoko hoe sampona satria izany no filaza azy raha tsy diso aho ary miala tsiny raha toa ka misy ato amin'ny namana,misy ny vehivavy sasany manana nono telo,mihoatran'ny mahazatra,ao ny vehivavy sasany misy filahiany ,ao ny sasany tena hafa be mihintsiny tsy hay lazaina,ka hoy izaho he:fanomezan'Andriamnitra ve ireny sa ahoana?
isika rehetra dia samy mino ny justice de Dieu, fa maninona ary ny olona sasany nataony normal ary ny sasany kosa misy kilema? na koa hoe kilemaina?
ahoana ny hevitry ny finoana sy ny soratra masina mikasika an'io?
novalian'i prime ny 05/11/2007 12:54
2. soanja ( 19/10/2007 11:47)
Raha ny finoako no resahina momba an'io de mazava.

Tsy avy amin'Andriamanitra ny vatantsika fa ny nofo sy ny elements- ny tany no manamboatra mahavoary antsika.
Izay ilay hoe asan'ny nofo sns ka! Io mitaky matetika fahotana sy faharariana sy ny hafa izay tsy mahalafatra antsika.
Tsy finidin'Andriamanitra mihitsy ireny olona manamboatra zaza tsy ampiheverana ireny dia avy eo alana sy vonoina na ampijaliana.

Fa ny fanahy kosa dia nalefany sy omeny ho aina mampiodina antsika eo ampitorotoronina ny zaza ao ankibon-dreny.

Zany hoe iny olona sampona iny dia ao aminy ny fanahy izay avy amin'Andriamanitra rehefa teraka izy ary izy ihany no afaka manondrotra ny tenany eo imason'ny hafa sy Atra na ho zanak'Andriamanitra na tsia.

Tsy zavadehibe ny fahasamponana eo imason'ny mpihavana ao amin'ny Tompo.Satria tsy ny ety ivelany no zavadehibe fa ny ao anaty izay misy Azy Andriamanitra.
3. majesty ( 19/10/2007 12:09)
bosista:misy antony ny mahatonga ny olona ho toy ireny,ary mety misy hatsirambina avy t@ ray aman-dreny mihitsy aza (misy mpahay siansa maromaro ato,inoako fa afaka hanazava an'izay).
Fa raha idirana amin'ny resaka finoana dia Atra mampanantena fa "ovaina ao anatin'ny indray mipi-maso isika,ka ity mety lo ity hitafy ny tsy fahalovana,ary ity mety maty ity hitafy ny tsy fahafatesana" amin'ny fiaviany dia izay ihany koa no fanantenana ho azy ireo.:D
4. tsaramaso ( 19/10/2007 12:36)
fanomezan'Andriamnitra ve ireny sa ahoana?
fanomezan'Andriamnitra ireny !!!!!!
Fa angaha ny tsara ihany ????!!!!!!!
5. diamondra27 ( 19/10/2007 13:35)
ny tantara de we: noharian'Atra isika
de lahy sy vavy
de niaraka
de mamenoa ny tany
de eny anelanelany eny misy didy arahina (loi de la famille sns)
de raha tsy manaraka de sampona
efa we "tsy mety raha olona iray rà no miaraka", fa tsy refa aveo manao filan'ny nofo de Atra no mahazo tsiny.


6. diamondra27 ( 19/10/2007 13:38)
de misy indray ny resaka ara-tsians: trisomie 21, 19, sourd et muet, handicapé physiques sns... de jerijereo any @ internet any fa hitanao we: naninona le olona no lasa toy ireny fa tsy Atra foana no omena tsiny refa misy zavatra ratsy.


7. niryna ( 19/10/2007 18:38)
bosista:

ataoko fa isika rehetra efa nahita ireny olona sampona ireny ,ataoko hoe sampona satria izany no filaza azy raha tsy diso aho ary miala tsiny raha toa ka misy ato amin'ny namana,misy ny vehivavy sasany manana nono telo,mihoatran'ny mahazatra,ao ny vehivavy sasany misy filahiany ,ao ny sasany tena hafa be mihintsiny tsy hay lazaina,ka hoy izaho he:fanomezan'Andriamnitra ve ireny sa ahoana?
isika rehetra dia samy mino ny justice de Dieu, fa maninona ary ny olona sasany nataony normal ary ny sasany kosa misy kilema? na koa hoe kilemaina?
ahoana ny hevitry ny finoana sy ny soratra masina mikasika an'io?
Izy nanao azy no tokony anontanianao.Rehefa tonga ny fiakarany miaraka amin'ireo kristiana namana ,izay miandry an'i kristy,dia transformation vaovao no vatana omena azy ao anatin'ny indray mipi-maso


8. fijo ( 19/10/2007 19:42)
alabala re izao,alabala re izao.hi hi hi hainareo io ka.
raha andriamanitra no manome ireny di atsotra.
na izy ratsy(fanahy)
na izy tsy miraharaha ny olona rehetra.
9. rabilabila ( 19/10/2007 20:10)
=((=((aho dia=))=)) mamaky anareo isany ,spéculations re izao ray olona e!!!:-w:-w
10. fijo ( 19/10/2007 20:16)
tena mafyraha hiala zigla ka
11. Belle ( 19/10/2007 20:25)
euh... tsy haiko alou ny valiny e! heu... inn kay zany zigla!? ... :lol:
12. fijo ( 19/10/2007 20:26)
belle ko akoa ndry izany an,miala bala re izany ry manja beako e
13. Belle ( 19/10/2007 20:32)
euh... misaotra aky fijo a! euh... haiko ihany anie le izy, fa mba manao intéressante ah e!

miala tsiny fa mba ohatran'ny tena te hanala azy izany aho androany e!
14. fijo ( 19/10/2007 20:40)
ndao hifanala azy kely ary e,inona no hoesoriko any amindry
15. Belle ( 19/10/2007 20:42)
euh... misôtra fa elah kou ou ou!... euh... ôka ihany fa lasa HS le izy! :-D
16. fijo ( 19/10/2007 20:48)
ka ataontsika hordevira kely ko
17. bosista ( 20/10/2007 17:08)
niryna>> iza no hanontaniako???
fomba fiteny manko rehefa manana havana sampona ireny dia lazaina hoe:atao ahoana fa izao no nanaovan'Andriamnitra azy! izay no mahatonga ahy manontany!
fa ny soratra masina ve izany tsy misy miresaka an'io ?
18. tsaramaso ( 22/10/2007 12:27)
Efa hoe ENY ry lety a !!!!!! tsssssss
19. prime ( 22/10/2007 12:30)
bosista> miresaka an'io ny soratra masina fa tsara kokoa mihonona amin'ny valiny lazain'i soanja io... manambara tsara ny tsy fahatanterahan'ny olona...
20. bosista ( 23/10/2007 18:44)
voalan'i soanja teo:tsy avy amin'Andriamnitra ny vatantsika.....i soanja izany anisan'ny tsy manaiky fa Andriamnitra no nahary ny vatana,ny tongotra aman-tanana fa nahary ny fanahy fotsiny??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079