fanomezan'Andriamnitra ve?
21. fijo
(
23/10/2007 21:57)
fampiononan tsaina io,fa ny tena marina dia tsy andriamanitra izany no manao antsika fa ny sela ao anaty ao.ka io no nisy fahavoazana
22. prime
(
24/10/2007 10:07)
bosista> tsy dia izay loatra no fandraisako ny lazain'i soanja fa mifameno ireo... ny fanahy dia avy amin'Andriamanitra, ny vatana dia sady asan'Andriamanitra nefa idiran'ny lova (nofo) ihany koa avy amin'ny olombelona... ka io fidiran'ny olombelona amin'ny fiforonan'ny vatana io no feno tsy fahafenoana... ary eo no miditra ny vokatry ny ota dia ilay fahafatesana sy tsy fahatanterahana (fahasamponana hoy ianao)... rehefa mpisotro toaka be, na mpidoroka zava-mahadomelina, na mpijangajanga, na mpanambady mpiray rà aminy (ohatra ireo fa lava ny lisitra), na taranaka olona efa mitondra aretina manokana...ny iray amin'izy mivady dia tsy mahagaga raha misy tsy fahafenoana amin'ny taranany...
Ka tsy Andriamanitra no tsy tanteraka na namorona zavatra tsy tanteraka fa ny olombelona no voaozona noho ilay ota fototra sy ny fitaky Satàna...
"Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany..." Genesisy 1:31
Ny ataon'Andriamanitra rehetra dia sady tsara no tanteraka...
Ka tsy Andriamanitra no tsy tanteraka na namorona zavatra tsy tanteraka fa ny olombelona no voaozona noho ilay ota fototra sy ny fitaky Satàna...
"Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany..." Genesisy 1:31
Ny ataon'Andriamanitra rehetra dia sady tsara no tanteraka...
23. ikaretsaka
(
24/10/2007 18:03)
itariko kely mba hanokafana ilay adihevitra .. andriamanitra no nahary izao tontolo izao.. ary anisan'ny ari tanany ny devoly..
dia ireny ve sady tsara koa no tanteraka... raha ny lojikan'i Prime...
dia ireny ve sady tsara koa no tanteraka... raha ny lojikan'i Prime...
24. fijo
(
24/10/2007 20:44)
izay le finoan alaviko tanteraka.hoe "izay nataon'andriamanitra dia tsara sy tanteraka"raha mihaiky ianoa fa ratsy ny sampona,ary mihaiky koa fa andriamanitra no nahary ny rehetra;dia nahary ny ratsy koa izy izany.
25. prime
(
25/10/2007 11:25)
ikaretsaka:
andriamanitra no nahary izao tontolo izao.. ary anisan'ny ari tanany ny devoly..
dia ireny ve sady tsara koa no tanteraka... raha ny lojikan'i Prime...
- "Andriamanitra no nahary izao tontolo izao" hoy ianao... sady marina izany no notsindriny fa tsara araka ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy manao hoe: "Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany..." Genesisy 1:31
- "ary anisan'ny hary tanany ny devoly"... tsia dia tsia... tsara fantarinao ny atao hoe devoly dia mety hazava aminao ny tsy mahaharin'Andriamanitra ny devoly... tsy ny devoly, tsy i Satàna no noforonin'Andriamanitra fa ny arkanjely sy ny anjely... rehefa mivadika ireo tsy hoe hary tanany fa safidiny... toy ny olona demoniaka ihany... tsy Andriamanitra no namorona olona demoniaka fa olombelona toy ny endriny no noforoniny... (nuances)
- "ireny ve sady tsara koa no tanteraka"... o ry Ika a, na ise aza dia mahavaly izany hoe "moa tsara va ny devoly?"
- "raha ny lojikan'i prime"... tsia tompoko ô, raha ny lojikan'Andriamanitra, ary nambarany rahateo izany araka io voasoratra ao amin'ny bokin'ny genesisy io... fa Andriamanitra sady tsara, no tanteraka, no be voninahitra, no sady fiainana... tsy mpamorona ny ratsy, sy ny "sampona" sy ny tsy tanteraka sy ny fahafatesana Andriamanitra...
fijo:... azo lavina izany no azo tsipahina ihany koa... fa tsy manova an'Andriamanitra sy ny mahaIzy Azy ny tsy finoan'ise...:)
izay le finoan alaviko tanteraka.hoe "izay nataon'andriamanitra dia tsara sy tanteraka"raha mihaiky ianoa fa ratsy ny sampona,ary mihaiky koa fa andriamanitra no nahary ny rehetra;dia nahary ny ratsy koa izy izany.
26. bosista
(
25/10/2007 11:58)
prime>> ka tsy fantatr'Andriamnitra mialoha ve fa hanota Aminy ny devoly,sy hampisy fahoriana eran-tany? nefa mbola nohariany foana.!de izany ve no tsara?
ary ilay andininy nomenao dia ny genesisy 1:31 ary hitan'Andriamnitra izay rehetra nataony,ary indro tsara indrindra izany....efa nisy sampona ve tamin'io fotoana io ka hitan'Andriamnitra fa tsara sa ahoana? satria isika rehetra mahalala fa tsy tsara ny sampona na ny manan-janaka sampona, sa raha sanatria manan-janaka sampona ianao de hitanao fa tsara izany sa @ akory atao tezaina foana fa olombelona?
maninona moa isika no tsy manaiky ny realite?
ary ilay andininy nomenao dia ny genesisy 1:31 ary hitan'Andriamnitra izay rehetra nataony,ary indro tsara indrindra izany....efa nisy sampona ve tamin'io fotoana io ka hitan'Andriamnitra fa tsara sa ahoana? satria isika rehetra mahalala fa tsy tsara ny sampona na ny manan-janaka sampona, sa raha sanatria manan-janaka sampona ianao de hitanao fa tsara izany sa @ akory atao tezaina foana fa olombelona?
maninona moa isika no tsy manaiky ny realite?
27. prime
(
25/10/2007 12:55)
bosista:... Izay no mahaAndriamanitra an'Andriamanitra... Izy tsy manery, fa mananatra ary mampitandrina... raha ireto arkanjely sy anjely lehibe nivadika dia tena zava-doza tokoa satria nahita sy nahafantatra ny fomban'Andriamanitra sy ny voninahiny tany an-danitra... nataon'Andriamanitra tamin'ny voninahitra lehibe indrindra teo amin'ireo arkanjely Satàna tamin'ny fotoanany fa nitsiriritra toerana avo kokoa... ka inona no fahadisoan'Andriamanitra amin'izany? arkanjely tsara tarehy sy be hery sy fahefàna indrindra no noforonin'Andriamanitra ka raha nivadika moa fahadisoan'Andriamanitra ve izany? moa tsy fantany hoy ianao... noho ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ihany koa dia sady nataony toy ny endriny no nataony ho mpanjakan'ny zavaboahary rehetra na aiza na aiza... (ny anjely mbola mpanompo no iantsoana azy fa ny olombelona tena mpanjaka mihitsy) ka raha nanota tao Edena dia inona no tianao ahatongavana? hoe azon'Andriamanitra tsy noforonina ve? sa azon'Andriamanitra nofoanana?... io fahalalahana sy fahafahana avy amin'Andriamanitra io no fahefàna lehibe indrindra sy fanehoam-pitiavana natolony ary nahatokiany ireo noforonina... fa raha mivadika ireo dia samy tompon'andraikitra ny amin'ny safidiny avy...
ka tsy fantatr'Andriamnitra mialoha ve fa hanota Aminy ny devoly,sy hampisy fahoriana eran-tany? nefa mbola nohariany foana.!de izany ve no tsara?
bosista:... ny noforonin'Andriamanitra voalohany dia tanteraka no tsara... tsy misy sampona izany...
ary ilay andininy nomenao dia ny genesisy 1:31 ary hitan'Andriamnitra izay rehetra nataony,ary indro tsara indrindra izany....efa nisy sampona ve tamin'io fotoana io ka hitan'Andriamnitra fa tsara sa ahoana?
bosista:... raha sanatia misy izany dia raisina am-pitiavana ary ankasitrahana an'Andriamanitra satria matoa avelany hisy dia misy antso tiany ambara amin'ireo "tsy sampona"... mila mibebaka ireo ary mila miverina amin'Andriamanitra feno hodioviny aloha ho anisan'ny olom-boavonjy... ary anolorana izany "sampona" izany amin'Izy mpamorona mba hositraniny ka ho voavonjy ihany koa... eo no tena miasa ny fizahan-toetra ny finoana... mazava ho azy fa tezaina ara-tsoratra masina ihany koa ilay "sampona" mba ho vita batisa sy ho sitrana eo amin'Andriamanitra...
satria isika rehetra mahalala fa tsy tsara ny sampona na ny manan-janaka sampona, sa raha sanatria manan-janaka sampona ianao de hitanao fa tsara izany sa @ akory atao tezaina foana fa olombelona?
bosista:... fa iza no tena tsy manaiky ny "réalité"? na ny siansa aza mampiseho fa tsy fahatanterahana ara-pahasalamàna no mahatonga izany... ny finoana manambara fa tsy fahatanterahana ara-panahy sy ara-pifandraisana amin'Andriamanitra no mahatonga izany... ny maro manaiky iry voalohany... ny mpino sady manaiky iry voalohany no mino ity farany ka iza no tena tsy manaiky ny réalité?...
maninona moa isika no tsy manaiky ny realite?
28. fijo
(
25/10/2007 22:08)
kay izy ihany no mamporisika ny olona hanoa zavatra hafa izany ko.inona indray no tadiaviny
29. prime
(
26/10/2007 09:34)
fijo> mampirisika ahoana r'ise? sao dia ilay olona no efa te hanoa zavatra hafa?:)
Diniho sy vakio indray mandeha ny tantara mikasika ilay zanaka adala... Lioka 15:11-32
Diniho sy vakio indray mandeha ny tantara mikasika ilay zanaka adala... Lioka 15:11-32
30. fijo
(
26/10/2007 22:09)
ka maninona no nasiany satana rahaizany fa tsy avy di anofoanany rah anisy e.matoa asiana toaka dia mila mpisotro io
31. prime
(
29/10/2007 12:29)
fijo> tsy iaidiana hevitra izany... vakio tsara ny nambarako io ambony io fa tsy hamerina azy aho fa sao manalava resaka fotsiny... (efa nanontanian'i bosista izany ary efa noezahina novaliana...):)
33. prime
(
05/11/2007 12:54)
fijo> Andriamanitra angaha no nanisy Satàna, izay ilay lazaiko hoe efa voavaly izany...
aho:
tsara fantarinao ny atao hoe devoly dia mety hazava aminao ny tsy mahaharin'Andriamanitra ny devoly... tsy ny devoly, tsy i Satàna no noforonin'Andriamanitra fa ny arkanjely sy ny anjely... rehefa mivadika ireo tsy hoe hary tanany fa safidiny... toy ny olona demoniaka ihany... tsy Andriamanitra no namorona olona demoniaka fa olombelona toy ny endriny no noforoniny... (nuances)
