Hivoaka tsy ho ela ny biographie an dRAVALOMANANA

1. niainalynx ( 15/10/2007 05:56)
Tam zoma hariva tao amin'ny invité du Zoma an'ny TVPLUS no nilazan'i Gilbert RAHARIZATOVO fa nanao ny biographie an dRAVALOMANANA izy ka nandritra ny dimy taona be izao no nanaovany ny fanadihadihana ary dia 650 pages no hateviny ! Voalazany ao hono fa tena nianatra RAVALOMANANA ka dia io zany no valiteny ho an dRabaradaka e ! Dia samy miandry ny fivoahan'io boky io zany e !
novalian'i Jeankely ny 23/10/2007 07:00
2. ravatorano ( 15/10/2007 09:35)
ié za ihany koa nahita iny emission an i onitiana realy iny ary i gilbert raharizatovo no vahininy tao
dia ho hita eo marina amin'ny fivoahan'ny boky ny tena votoantony e !
3. LazaDaddy ( 16/10/2007 00:51)
BBC:
From humble beginnings he was educated by missionaries in his village of Imerikasina, 25 kilometres outside Antananarivo. He completed his secondary education in Sweden at a strict Protestant school. Mr Ravalomanana was in his early 20s when he abandoned the academic road to become a businessman.
He started producing home made yogurt which he sold on the streets of Antananarivo off the back of his bicycle, with the help of his wife Lalao.
Less than two years later, assisted by the Protestant Church, of which today he is the vice president, Mr Ravalomanana managed to secure a loan from the World Bank to purchase his first factory.
http://news.bbc.co.uk/1/hi/world/africa/1866530.stm

4. LazaDaddy ( 16/10/2007 00:56)
niainalynx:
Voalazany ao hono fa tena nianatra RAVALOMANANA
BBC sy ny gazety vahiny rehetra:
secondary education
5. niainalynx ( 16/10/2007 06:54)
Dia ho hita eo ny tena marina e ! Wait and see
6. fijo ( 16/10/2007 20:34)
le nianatra anie tsy voetry hoe universite na kolejy be ,fa nianatra aloha de izay
7. Jeankely ( 17/10/2007 01:23)
Saika fandalinana tsy dia misy fotony no andanian'ny manana fahafahana mandalina ny androny. Raha nandia fianarana avo na zara raha nianatra na tsy nianatra mihintsy dia mampiova inona ho an'ny FAMPANDROSOANA AN'I MADAGASIKARA? Mifanaraka @ fotoana ilaina azy ve ilay boky na fandalinana? Afaka esorina @ toerany ve izy raha tsy nianatra fa misy izany ve ny Demokrasia sy ny fifidianana? Raha mahaibe ve izy dia hitombo ny fitivan'ny olona azy na lasa tia azy ny mpanohitra? Fa inona no atao hoe R&D ho an'ny Malagasy? Tena manampahaizana avolenta tokoa ve ny Malagasy rehetra na ny lasa andafy na ny eo antoerana sa ny FANDANIANA ANDRO VAHOAKA NO BETSAKA? Raha zaraim-potsiny ilay boky dia FANDRETANA AFO, raha amidy TSISY MPIVIDY.
8. LazaDaddy ( 17/10/2007 01:36)
Jeankely> raha toa ny mpitondra ka mpandainga dia misy fiantraikany lehibe mihitsy amin'ny fiainan'ny firenena iray.
9. Jeankely ( 17/10/2007 01:41)
Ny fantatro dia tsy mifantoka @ tena olana sy vahaolana ho an'ny firenena ny MPANDALINA NA MPANOHITRA NA TSIA fa saika zavatra mandany andro no imasoana fatratra. Izay no mahatonga ny olona tsy mifidy ary efa nolazaiko ombieny ombieny fa aza esorina sy ampifanalavirina @ mpitondra ny vahoaka fa vao mainka manalava ny dia ahatongana @'izany ffampandrosoana izany.
10. fijo ( 17/10/2007 20:43)
ilay finiavana mihintsy ngamba no tsy ampy na tsy misy ka mahatonga antsika mbola ho toa izao ka
11. Jeankely ( 18/10/2007 01:51)
Ireo izay manana fahafahana mandalina ary mahazo fahafahana mamosaka ny heviny dia mampihomehy ary mampalahelo indraindray satria zavatra tsy misy fintraikany firy @'ny ho avin'i Madagasikara no dradradradraina fatratra. Izay no tsy mampivoatra ny firenenena. Raha misy zavatra mivoaka izay misy lanjany dia any milentika tsisy mpijery fa ny zavapoana no malaza. Ny vahoaka koa angamba variana ka ny zava-poana no ekeny ho tonga sy afafy ho azy. Raha manana fahalalana avo ny maro dia ho vizana tanteraka ny mpanao fandalinana tsy mankaiza ho an'ny firenena. Aza gaga raha mandrosobe ny firenena hafa satria zavatra sarobidy no avoakan'ny mpandalina.
12. dibbah ( 18/10/2007 03:31)
nianatra nanao yaourt sy nitaingina bisikileta
13. Jeankely ( 18/10/2007 07:25)
Nefa tsy vitanao ny vitany. Ny anao milalao vod.
14. fijo ( 18/10/2007 19:29)
dibbah,mety izay no nianarany,fa le vitany ve aiza raha hoarina amin'ny an'ise nianatra be?izay aloha jerena
15. Jeankely ( 19/10/2007 04:39)
Tsy mbola nijery fanaovana Yaourt eran'izao tontolo izao Ry-dibbah ka tsy mahalala fa miasa ao daholo ny rehetra. Fa angaha yaourt kely ahodina ao antrano io ry Dibbah? Tsy mino aho fa mahay resaka Conditionnement sy ny namany Dibbah. Tena nianatra ve Dibbah sa miteniteny foana.=))=))=))
16. Herimiafina ( 19/10/2007 05:03)
F'angaha tena lasa olana be mihintsy ilay hoe inona no fianarana nataon'ny prezida Ravalomanana e? Sao dia mba tena faux-probleme fa tokony ho zavatra hafa no hamakiana loha klé? anjekaky oo:{:{
:^):@
17. Jeankely ( 19/10/2007 05:14)
Tsy efa voalazako io ambony io ve fa ny zavatra tsy misy ilaina azy no andanian'ny afaka mandalina sy maneho ny fandalinany andro e? Izany no atao hoe Faux-Probleme sa inona indray e?
18. LazaDaddy ( 19/10/2007 05:26)
Herimiafina> faux probleme tokoa raha entina @ izay lafiny izay ilay resaka. Ny tena vrai probleme dia hoe: "tsy misy raha manjary rehefa rain'ny mpandainga no mitantana"
19. Jeankely ( 19/10/2007 05:38)
Dia atao ahoana raha rain'ny mpandainga no voafidy ho filoha. Fa naninona no nirahinao sy notaominao hifidy azy ny olona avy eo lazainao fa rain'ny mpandainga. Aleo samy hifangaro eo fa FILOHAM-PIRENENA IO na ahoana na ahoana. Alohan'ny zava-drehetra dia mba taiza ny Rain'ny fahamarinana sa tsisy ka lasa izy no lany? Nisy fakana fitondrana t@'ny basy ve tao sa fifidianana? Izay vendrana taraiky ny fiasan'ny lohany ary tsy mifanaraka ny fotoana ilaina azy ny zavatra avoakany. Mpitsabo tonga aorian'ny fahafatesana hoy ny sasany.
20. fijo ( 19/10/2007 21:51)
herimiafina,marina ny an'ise.ny olan adi ahoe ,nahoana no tsy mbola hita ihany ny vahaolana???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0501