dessins animés amzao fotoana izao

1. ari.malala ( 11/10/2007 12:53)
Tsy haiko nareo raha nahamarika fa ny dessins animés amin'izao fotoana izao de misy mifanoroka ilay mitsôda be reny, d rarànareo tsy hijery anireny v ny zanakareo? ts zany mantsy fa ny zanako refa manao bise ana, d mitady hanao anreny mitsoda b reny d bedesiko alou e...niova tokoa ny fotoana fa taloha ny film misy mifanoroka d censuré ary asina mints hoe hoan'ny zatovo sy ny olon-dehibe, fa ankehitriny kosa na ny dessins animés censés hoan'ny ankizy aza de misy anizao mamoafady rehetra izao, toy ny mifamono, ny mifanoroka sns...:roll: raha misy mpiasan'y haino aman-jery ato, sao d mba tokony asina fandinihina iany ny sary avoaka hojeren'ny ankizy fa manjary manaonao foana ny ankizy? asa aoha e!
novalian'i kofbay ny 12/02/2008 15:43
2. hery ( 11/10/2007 13:25)
Marina io.

Fa rehefa tsy misy mijery ireny film ireny dia ho faty ho azy.

Aleo koa ny ankizy tsy dia zarina mijery tele e. Aleo mijery fialam-boly tsaratsara.

3. boubounezy ( 11/10/2007 17:36)
ari. ka reny filma retra miseo reny ngé na dessin animé na x na refa film efa mandalo @ seatra maro2 toa ny psy, ny fanjakana, droit de publication zay manao verification zay vô azo avôka é! efa vita test otrany kilalao sns...:lol:
4. Herimiafina ( 12/10/2007 03:20)
Ny dessin animé anie tsy natao ho an'ny zaakely fotsiny irery intsony e!

Misy karazan-taonany avy izy ireny fa raha mbola zaza aloha dia ireny "the little bear", "teletubbies" ireny ihany no sahaza azy, na ireny Walt Disney ireny.

Ny Tom et Jerry sy ny Tweetie t Gros minet izao efa tsy tokony jeren'ny zaza intsony.

Misy izao ny 3-D na ireny Manga ireny izay matetika ho an'ny olondehibe daholo, Nana, Full metal alchemist, sns.

Ny ahy ny tena reveko ilay misy fiainana tena fiainana ohatry ny hita eny andalana fa tsy le angano be mampanonofy tsara ireny sy mandiso fanantenana rehefa tena miatrika fiainana amin'izay.

Ity izao misy iray: (tsy azo jeren'ny malemy fanahy).
http://es.youtube.com/watch?v=Ii8UoZXNbJ8

:^):@
5. ari.malala ( 12/10/2007 07:23)
hery:

Marina io.

Fa rehefa tsy misy mijery ireny film ireny dia ho faty ho azy.

Aleo koa ny ankizy tsy dia zarina mijery tele e. Aleo mijery fialam-boly tsaratsara.





fa be mpijery anie le izy e! vao mivoaka d b mpijery...
6. tsaramaso ( 12/10/2007 23:58)
boubounezy:

ari. ka reny filma retra miseo reny ngé na dessin animé na x na refa film efa mandalo @ seatra maro2 toa ny psy, ny fanjakana, droit de publication zay manao verification zay vô azo avôka é! efa vita test otrany kilalao sns...:lol:

tssssss !!!!!! de tsy mahazo mifoka sigara i Mickey sady lasa rasista i tintin fa nicky larson mijery vodina joba no anton-draharah !!!!!!! hahahahahahah !!!! De vahoaka vendrana daolo misesika an'ze afahana azy rehetra io !!!!!! tssssssssss !!!!!
7. naughtyboy ( 13/10/2007 16:30)
misy anle family guy iny oa jereo fa ao @ youtube favy b,mazoto daoly:wink:
8. soanja ( 13/10/2007 22:34)
Miankina amin'ny taonan'ny zaza ny zavatra azony jerena ka.
Raha zaza 6 taona dia tsy manahy na mahita olona mifanoroka aza satria izay no lalan'ny fiainana ka. Izay mifankatia mifanoroka. Miankina amin'ny kolontsaina/fanabeazana tianao voizina amin'ny zanakao anefa.

Fa raha zaza 3 taona kosa no mijery izany dia mila jerena akaiky.

Raha mitady hanoroka anao ny zanakao eo amin'ny vava de aza bedesina izy fa akombony tsara fotsiny ny molotra de teneno refa avy eo hoe " hay ianao nitady smootch!" zany hoe bisous! de izay ihany fa aza atao resabe aminy fa manjary vao maika hanimba azy izany.

Torolalana tena tsara indrindra dia ny fampiasana ny TIVO raha misy any Mada na toeran-kafa. Efa voajerinao daholo ny fandaharana amin'ny tele dia izay efa hitanao sy nosivaninao no atolotrao ny zanakao. Eo ianareo miara mijery azy.
Tokony ho adiny 2 isan-kerinandro raha be indrindra ny tele na film na tele jeren'ny zaza iray.
9. ari.malala ( 15/10/2007 07:44)
Inona le TIVO ry Soanja azafady?
10. soanja ( 15/10/2007 15:29)
ari.malala:

Inona le TIVO ry Soanja azafady?


Io zany dia masinina na fitaovana hafa apetaka amin'ny tele handraisana na mi-record ny film na fandaharana amin'ny tele n'inona n'inona tianao raisina nefa ianao tsy eo fa lasa mandeha miasa na manao zavatra hafa. Programer-na zany le izy de maka na mandray izay nofodianao izy. Rehefa tonga ao an-trano ianao dia mijery izay azo sady mamasy na mamafa izay tsy ilaina sy tianao sivanina na hojerenao tsy misy mpanelingelina toy ny ads na commercials sns.

Fitaovana tsara tokoa io ho an'ny Ray amandreny izay tia mampijery ny zanany ny tele nefa te hanana control na fifehezana ilay zavatra jeren'ny zanakao.
Aty US moa izany dia ny famafana ireny commercials na ads tsy misy ilavana azy ireny, izay asesiky ny mpivarotra sy ny media ao an-tsain'ny zaza dia lasa mitaky an'iny aminao ny zanakao nefa ianao tsy te hividy.

Betsaka koa ny zavabitan'io fitaovana io fa io aloha no tena zavadehibe.

http://www.tivo.com/


11. ari.malala ( 16/10/2007 07:51)
Ah, merci fa mazava tsara.
12. soanja ( 16/10/2007 13:25)
ari.malala:

Ah, merci fa mazava tsara.


:-*:-*:-* Mahereza hatrany.


13. miraymel ( 26/11/2007 05:07)
za ko aloha tena mahita hoe tokony tsy mahazo mandefa itony dessins animés visa A, tony, tsy nino notantarain'ny namana aho tamin'ny voalohany raha tsy ny masoko roa no nahita
sady koa tena misy fiantraikany any amin'ny zaza indrindra indrindra ireny na de itony dessins animés be gafigafy sy be herisetra tony ary
fa zao an! ny vahaolana angamba dia ny manisy soratra indray koa any anaty programme_ana télé, mba manao kely asa ny ray aman_dreny tena tia ny zanany hoe
_ dessins animés visa A
_ dessins animés visa C
_ dessins animés visa B

A: toy ilay nojereko voalazako etsy ambony
B: toy ireny tazz
C: camille la chenille

14. tynah ( 30/11/2007 18:59)
Hitanareo koa ve ilay am Game one iny? "South park " izy zay raha tsy diso aho. Vo miteny ry zalah d teny ratsy be !!!8O8O8O
15. miraymel ( 01/12/2007 06:22)
8O8O8O:!:
16. kofbay ( 12/02/2008 15:43)
jereo anie shrek 1 moa sa 2e! ataovy pause rehefa eo @ charmant manokatra ilay rideau hanavotra ilay sipa, dia ilay loup no matory mamaky boky ao, dia jereo ilay boky vakiany fa hay hoe playpig dia sarina kisoa manao 2pieces sady mandady!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1326