MBA NIANATRA TAIZA ITY RAVALOMANANA ITY E

1. rabaradaka ( 21/09/2007 05:32)
Sombitsombiny tamin’ilay article navoakan-drabaradaka an-gazety tamin’ny Jona 2007

Tamin’ireo Filohan’ny Repoblika rehetra nandalo na tamin’ny repoblika voalohany izany na tamin’ny andron’ny repoblika demokratika Malagasy ka mandraka ankehitriny dia fantatra amin’ny antsipirihina ny momba ireo Filoham-pirenena ireo. Tsy ny teto amintsika ihany fa raha zohina ny tantaran’ny Filoham-pirenena any amin’ireo firenen-dehibe na firenena mahantra dia abaribary mihitsy ny mombamomba ny olona iray ho fidiana ho Filoham-pirenena.

Fa ny zavatra nahatonga saina dia tsy mba nisy nahafantatra mihitsy ny momba an’Atoa Marc RAVALOMANANA na fony izy Ben’ny tanànan’Antananarivo na tamin’izy niditra nifaninana ho Filoham-pirenena. Tsy mba hita izay hoe momba ny tenany na ny curriculum vitae araka ny mahazatra antsika.

Tamin’ny taona 2001 raha nifaninana ho Filoham-pirenena izy dia nolazaina fotsiny ny daty sy toerana nahaterahana, ny ankohonana ary ny maha-PDG an’ny TIKO azy, fa tsy mba naseho ho fantatry ny olona mihitsy ny fari-pianarana sy ny fari-pahaizana mifanaraka aminy. Ny hany mba hoe nambara dia ny hoe nanao fianarana ambony mikasika ny haitaon’ny fanodinam-bokatra ho sakafo (agroalimentaire) tany Allemagne. Raha ny fahalalana izany fianarana izany dia vitan’ny fiofanana tsotsotra fotsiny fa tsy nisy diplaoma ambony niaraka taminy ary am-bolana vitsivitsy ihany koa.

Nony tonga ny taona 2006 dia mbola niandry ihany ny olona hoe mba inona tokoa moa no fari-pahaizana ananan’Atoa Marc RAVALOMANANA fa toa mividy omby anaty ambiaty fotsiny ny vahoaka. Ireo mpifaninana dia fantatra amin’ny antsipirihiny, tao ny manana MBA, ny injeniera, ny doctorat, ny diplaoma ambony isan-karazany. Ny hany fantatra sy naseho momba an’Atoa Marc RAVALOMANANA dia ny hoe izy no Filoha teo aloha ary izy no namorona ny MAP, izay fotsiny.

Raha manjohy ny zava-misy iainana ankehitriny mantsy dia mampanontany tena hoe manana faripahaizana inona tokoa ny Filohan’ny Repoblika satria raha haka ohatra akaiky sy tsotra dia ny manjo ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony manerana ny faritany : raha olona nandia fianarana ambaratonga ambony ny Filoha Marc RAVALOMANANA dia nanao ny ainy tsy ho zavatra namaha haingana ny olana amin’ny tsy fisian’ny jiro sy ny fahasahiranana amin’ny fahataran’ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ; saingy ny zava-misy dia tsy asiany teny na dia indraim-bava aza.

……..

RABARADAKA
2. meva2 ( 21/09/2007 06:52)

Raha mandinika ianao dia nabaribary tokoa ny fahaizana sy diploman'ireo filoha sasany teo aloha ary tsikaritry ny tsirairay, neken'ny daholobe fa olona nahavita fianarana ambony. Izany anefa tsy nahasakana ny malagasy maro : zaza, ankizy, ho maty noana.
3. tokianaele ( 21/09/2007 06:59)
ary enao manontany inona no mba fahaizanao,voafidy presidan izy ireo nandrotsaka azy sy nanohina azy ve hoy ianao dia olona tsy mahalala azy daholo sy ny fari-pahaizany
4. hery ( 21/09/2007 07:47)
Mety tsy nianatra akory izy... fa toa hita hatramin'izay tokoa fa toa ny filoha manam-pahaizana no tena mpanambaka be (Nisy Capitaine de frégate teo, nidy Dokotera Profesora sns...)

Aleo indray mba hanandrana ny tsy nianatra e :-)
5. xxx ( 21/09/2007 08:02)
Rehefa vitany ara-dalàna ny fitantanana moa,inona no olana amin'izany,f'angaha koa ry rabaradaka tsy maintsy dradradradraina ho ren-tany aman-danitra ny zavatra nataony sy nodiaviny a?

MINOA FOTSINY IHANY
6. pissoa ( 21/09/2007 08:03)
Tsy nianatra leiry angamba fa nahay be ho azy tao ambony birao tao hoe legalizena daholo fotsiny ny fanambakana kanooo :°)
7. essera ( 21/09/2007 08:36)
Hoy meva2 sy nilahabary

Mbola tsy leo an'ireny Amiraly, Profesora, ireny iany v nareo e.

Zay efa nasainy nilaabary 150 gr isan'olona isan'andro.



8. mirabela ( 21/09/2007 08:51)
za ndray naheno tam vaovao hoe nanao etude mikasik ny agro tany amérika iz, d ngab manana master kosa iz farafahakeliny e.:)
sady ny ol ngeh refa discret matetika efficace fona e, zao ny preuv, ts votery apideraina ny diploma anananana fa nefa compétent mitantana firenena 1.
8)8)
9. Rafotsy ( 21/09/2007 09:23)
mirabela:

za ndray naheno tam vaovao hoe nanao etude mikasik ny agro tany amérika iz, d ngab manana master kosa iz farafahakeliny e.:)
sady ny ol ngeh refa discret matetika efficace fona e, zao ny preuv, ts votery apideraina ny diploma anananana fa nefa compétent mitantana firenena 1.
8)8)


Zah koa aloha naharé an'io , fa formation professionnelle no nataony ary manana titre ingenieur izy raha ampiarina @ ilay AVE aty Andafy !
Na izany na tsy izany ( zah tsy pro Ravalo akory a ) , voany daholo aloha izay manampahaizana rehetra satria izy no anisany ny manankarena ! Ka raha nanao fianarana inona moa ny tanjona ? Tsy efa totosany ve io ?
10. mirabel ( 21/09/2007 09:25)
amiko dia ny asa vita no ifampitsarana sa ahoana hoy ianareo ??
11. menalamba ( 21/09/2007 09:35)
Mba lazao anay eto aloha hoe aiza no misy firenena eto an-tany ka voasoratra ao anaty lalam-panorenany fa tsy maintsy manam-pahaizana sy diplaoma midongona be vao afaka mirotsaka ho filoham-pirenena?Ary ao anatin'ny lalam-panorenana Malagasy koa ve io?Raha tsia ny valiny dia tsy tokony hasiana ady hevitra akory ny resakao izany:roll:
12. Kwasi ( 21/09/2007 12:03)
Raha ny fahafantarako azy dia tany @ sekolin'ny Fiainana, izay tsy mba mila diploma taratasy aderadera na anaovana angoantenda etsy sy eroa.

raha olona nandia fianarana ambaratonga ambony ny Filoha Marc RAVALOMANANA dia nanao ny ainy tsy ho zavatra namaha haingana ny olana amin’ny tsy fisian’ny jiro sy ny fahasahiranana amin’ny fahataran’ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ; saingy ny zava-misy dia tsy asiany teny na dia indraim-bava aza.


Fa iza t@ ireo be diploma kay no tena nanao ny ainy tsy ho zavatra ?
13. dadie ( 21/09/2007 15:57)
aza ny diploma ananany no jerena fa ny harembe azony hatrizay , jereo ny oul mahay manana diploma bdb misy tsy aman'asa akoriny nefa izy am ronono sy ny omby 1 no nanomboany ny harenany chapo Ra8 an ,hany ka misy azy daolo ny varotra leibe rehetra ao tana , TIKO TIKO TIKO ?minoa fotsiny iany marina
14. ikaretsaka ( 21/09/2007 16:28)
misy hiran'i sareraka izay manao hoe,
"nomenao avaram-pi(anarana), tsy mahalala akory ny vahoakany na holalaoviko @ saokany... Dera sy laza anie ho anao"
15. dadie ( 21/09/2007 17:42)
"nomenao avaram-pi(anarana), tsy mahalala akory ny vahoakany na holalaoviko @ saokany...

marina io ko
16. soanja ( 22/09/2007 00:53)
Tsy ny baoritra feno soratsoratra mameno sakosy avy aty andafy na any Mada no zava-dehibe rehefa hitondra firenana/vahoaka fa ny fahaizana MIHAINO ny hetahetam-bahoaka ary manantanteraka izany AMIM-PAHENDRENA.
Tsy tsinotsinoavina anefa ny fahaizana amim-pahalalana fa ampiasaina kosa AMIM-PAHENDRENA hatrany! :-*:-*
17. Herimiafina ( 22/09/2007 16:56)
MBA NIANATRA TAIZA ITY RAVALOMANANA ITY E


Sweden "Techologie laitière" BSc. :@
18. mandrindra ( 23/09/2007 07:29)
tany ampianarana, teny ambony dabilio, nijery solaitrabe, tao andakilasy, tao antsekoly, ....
19. Fiffi ( 23/09/2007 19:04)
tao an-tsekoly.....
20. apache ( 27/09/2007 11:22)
...de t@ 8 foana nedala vao mi-pointe tao an-dakilasy dia nataon'ny namany hoe "Ravalo" fa taloha hono i "alain" no tena anarany.:lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3628