Ny fanahy tokoa no olona

1. hery ( 20/09/2007 22:52)
Hitako manjary miitatra be ilay resaka fivavahana sy fiangonana eto amin'ny serasera. Tsara izany fa be tokoa ny liana. Ezahina averimberina ihany anefa ilay fitsipi-dalao. Olona samy nahita fianarana daholo isika, na dia hoe mahay kokoa noho ny tenako ary ianareo.

Ireto ambany ireto dia teny atsipy ho eny am-pon'ny olon-kendry.

- Tsy hitondra mankaiza ny fanaratsiana bontolo na fitsarana ny hafa, indraindra fa zavatra TSY hainao akory. (Eny misy zavatra tsy hainao koa... na dia hoe mety mahay be aza ianao)

- Tsy hampitombo ny fahalalanao na hampihena ny fahalalan'ny hafa koa ny fanambanianao izay fahalalana ananan'ny hafa.

- Ary eo amin'ny resaka fivavahana manokana. Ny tena mpivavaka dia mahalala tsara izay inoany sy ivavahany ary mizara izany amin'ny hafa fotsiny. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny mitsara izay inoan'ny hafa. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny manery ny hafa hanaraka azy.

novalian'i ragany ny 08/10/2007 06:59
2. rabilabila ( 20/09/2007 23:00)
:):?Misaotra amin'ny fahalalàhanao ara-tsaina ,ary misaotra amin'ny famerenana ny fitsipika tokony tandrovan'izay manana "raison".
Fantatrao ary fantatrareo ny firehin-kevitro ,fa ny mampatahotra ahy indrindra dia maro ireo mpiray tanindrazana toa "intégriste-intégral",mampalahelo indraindray ny mahita ilay sasantsasany xénophobes.
Misaotra.
3. tsaramaso ( 20/09/2007 23:16)
Anjaran'iza indray aza ohatra no hiteny amin-dry rabilabila, ry ann, sns fa :
- antikrista ny silamo !!!
- diso lalana ny olona manaraka an'io fivavahana io !!!!!

Rehefa tsy hiteny ny tena mpivavaka, dia hiteny i tsaramaso !!!!!
4. ikaretsaka ( 20/09/2007 23:16)
misaotra an'i hery @ fahalalan-tsaina. dia misaotra @ fampatsiahivina.
5. patrick2002 ( 20/09/2007 23:49)
Ary eo amin'ny resaka fivavahana manokana. Ny tena mpivavaka dia mahalala tsara izay inoany sy ivavahany ary mizara izany amin'ny hafa fotsiny. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny mitsara izay inoan'ny hafa. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny manery ny hafa hanaraka azy.

=D=D=D
Ny olana anie Mr le Directeur dia rehefa miseho mafantatra ny finoanao ianao dia lazainy sasany fa manery azy hiditra any @ finoanao ,na miteny ianao hoe izaho no inoako dia lazainy sasany fa manambany ny azy eh!,
Rehefa mba manontany indray ianao ny finoan'ny sasany dia lazaina fa manaraby :roll::roll:
Manahirana ra-olombelona noharian'Andriamanitra :-w:-w:-w
6. soanja ( 21/09/2007 04:19)
hery:

Hitako manjary miitatra be ilay resaka fivavahana sy fiangonana eto amin'ny serasera. Tsara izany fa be tokoa ny liana. Ezahina averimberina ihany anefa ilay fitsipi-dalao. Olona samy nahita fianarana daholo isika, na dia hoe mahay kokoa noho ny tenako ary ianareo.

Ireto ambany ireto dia teny atsipy ho eny am-pon'ny olon-kendry.

- Tsy hitondra mankaiza ny fanaratsiana bontolo na fitsarana ny hafa, indraindra fa zavatra TSY hainao akory. (Eny misy zavatra tsy hainao koa... na dia hoe mety mahay be aza ianao)

- Tsy hampitombo ny fahalalanao na hampihena ny fahalalan'ny hafa koa ny fanambanianao izay fahalalana ananan'ny hafa.

- Ary eo amin'ny resaka fivavahana manokana. Ny tena mpivavaka dia mahalala tsara izay inoany sy ivavahany ary mizara izany amin'ny hafa fotsiny. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny mitsara izay inoan'ny hafa. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny manery ny hafa hanaraka azy.




Mankasitraka ny fampatsiahivana.


7. bozyboleta ( 21/09/2007 04:55)

Teny atsipy ho an'ny olon-kendry tokoa.
Misaotra ny mpikarakara fa dia samy handray ny tandrifiny.
8. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:19)
ny tsapako:
misy ihany ny manontany, fa ilay anontaniana koa misy ny tsy mety milaza.
ilay nanontany, ka tsy nahazo valiny avy eo, ka milaza ny heviny manokana momba ny fahitany ilay anontaniana, dia lazain'ilay tsy nilaza fa miteniteny foana fa tsy mahay akory!
dia mihodina eo foana!
fa raha aminao: iza no diso?
9. bozyboleta ( 21/09/2007 05:29)
Marina loatra ny hevitr'i Rasily. =D=D=D
10. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:40)
dia misy koa ny manontany dia mahazo valiny, fa sarotra ho azy ilay valiny iny, satria mety handiso ilay inoany na ilay fiheverany, dia ny azy ihany no asesiny dia lasa miteniteny foana izy na mitady fika hamarinan-tena be amin'ny references,ohatra hoe baiboly, mba hanaronana io "tsy fanaikena sy mody hoe fahasarotana" io
11. bozyboleta ( 21/09/2007 06:18)
Ka valy boraingina koa nge ndraindray e!
Fa mihodinkodina eo e!
Ny marina de sarotra ny miady hevitra ty resaka finoana sy fivavahana fa manjary manana fiheverana hoe mifanambany sy mifanaratsy refa tsy mifandresy lahatra.
12. xxx ( 21/09/2007 06:57)

Misy tokoa ny hita miharihary fa manana tanjona : hilaza fa itsy antokom-pivavahana itsy dia tsy mety amiko ka dia hataoko izay rehetra hanakianana azy , tsy miezaka mihaino izay lazain'ny hafa alohan'ny hitenenana fa dia dridran-gilo : valio aloha ity e

Raha samy mba miezaka mihaino ny hafa dia mandalina kely vao miteny dia hilamina kokoa

tsy sehatra natao handresen-dahatra ity raha ny fahazoako azy fa hanehoan-kevitra . Nuance !
13. diamondra27 ( 21/09/2007 06:59)
ny ahy indray ny tsapako dia izao fa asa ianareo na mahatsikaritra sy manao toa ahy.

Tena rapide be ny fisehon'ny dinika vaovao eto @ sehatry ny fivavahana.
Mbola tsy manampotoana firy andalinana sy hamakiana ny dinika mandeha de efa misy hafa voaforina

Somary lente ngamba za fa na dia izany aza ve tsy tokony mba hoe: aleo mba hisy hotsakotsakoina izay mande vao mihinana sakafo hafa indray
Sinon tena misy size tsy andalovana intsony satria manjary mifangaro ilay izy

Ao @ baiboly ao misy miteny hoe: "fa aoka ho mpakato ny teny ianareo fa tsy mpihaino mpanadino fotsiny"

ka raha izay voalaza rehetra eto aloha de tsy arako tsakotsakoina
indraindray izany mba te-hamaly ny tena nefa raha manome teny tsy voahevitra aleo hijanona

Ny tiako lazaina dia: alohan'ny hamaliako eto @ fivavahana dia mangataka foana ny FM aho mba hanazava sy hanoro ahy izay hevitra tiany ampitaina.
Mba tsy ho maimaika rehefa hamaly hevitra.
@ireny andalatsoratra masina omena ireny dia tena mivavaka aho mba ho hitako ilay teny.
etc etc
Dia izay ny tsetratsetra tsy aritro eto

Misaotra anareo rehetra namaky hatr@ farany.
14. ari.malala ( 21/09/2007 07:20)
diamondra27:
Tena rapide be ny fisehon'ny dinika vaovao eto @ sehatry ny fivavahana.
Mbola tsy manampotoana firy andalinana sy hamakiana ny dinika mandeha de efa misy hafa voaforina
tena marina mitns io! za kou mahatsapa an'io teneni'i diams io! manin kay raha mba avela haka souffle alou ny olona hiaina sy handinika izay voalaza zay vao mba mamorona e!
15. xxx ( 21/09/2007 07:39)
ari.malala:

tena marina mitns io! za kou mahatsapa an'io teneni'i diams io! manin kay raha mba avela haka souffle alou ny olona hiaina sy handinika izay voalaza zay vao mba mamorona e!



Manana option koa ianao tsy hamaly fa haka souffle ka
16. pissoa ( 21/09/2007 08:40)
:-D:-D:-D
17. simplex ( 21/09/2007 09:04)
hery:
Hitako manjary miitatra be ilay resaka fivavahana sy fiangonana eto amin'ny serasera. Tsara izany fa be tokoa ny liana. Ezahina averimberina ihany anefa ilay fitsipi-dalao. Olona samy nahita fianarana daholo isika, na dia hoe mahay kokoa noho ny tenako ary ianareo.

Ireto ambany ireto dia teny atsipy ho eny am-pon'ny olon-kendry.

- Tsy hitondra mankaiza ny fanaratsiana bontolo na fitsarana ny hafa, indraindra fa zavatra TSY hainao akory. (Eny misy zavatra tsy hainao koa... na dia hoe mety mahay be aza ianao)

- Tsy hampitombo ny fahalalanao na hampihena ny fahalalan'ny hafa koa ny fanambanianao izay fahalalana ananan'ny hafa.

- Ary eo amin'ny resaka fivavahana manokana. Ny tena mpivavaka dia mahalala tsara izay inoany sy ivavahany ary mizara izany amin'ny hafa fotsiny. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny mitsara izay inoan'ny hafa. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny manery ny hafa hanaraka azy.

ny mahatonga ny tenin'ol iray manohana na mampalahelo dia noho ilay mpihaino (sy mpijery?) manome lanjany izay voalaza.

Zany hoe, fair play fotsiny no tokony ho fomba fihetsika ary tsy tokony handray zavatra tro personnel, indrindra moa fa @ itony forum itony.
18. Mandefitra ( 21/09/2007 10:07)
Le izy aloha ry zareo manalasala toa vozon'akoho.Avela toa hena, hanina toa taolana.
Misy dinika miseho eo, maneho ny hevitrao ianao, ny mahamety na tsia le dinika.Miitatra ho azy ny resaka satria samy miaro ze heveriny ho fahamarinana.
Tsy mamaly enao, lazain'ny sasany hoe mody fanina, mamaly enao, lazan'ny sasany hoe manaratsy ny finoan'ny hafa.
Indraindray koa anefa fitiavana hampahalala ny tena sitrapon'Andriamanitra no manery na de tsy te hanindrona olona aza ny tena.
Ka hoy aho hoe, ataovy voankazo an'ala e, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy, ary aza ny tenako no ariana fa ny teniko.
Na izany aza, mahalalà oniny, fa ny hendry hono mody voky, ny adala manesika ihany.
Misaotra ny mpamaky
19. tsaramaso ( 21/09/2007 11:02)
hahahahaahaha!!!!! tsy mila hendry zany vo mody voky @ voankazo an'ala e !!!!! maninona raha tonga de mitady voankazo an-tsaha ??!!!!
20. kalina80 ( 21/09/2007 11:40)
hery:

Hitako manjary miitatra be ilay resaka fivavahana sy fiangonana eto amin'ny serasera. Tsara izany fa be tokoa ny liana. Ezahina averimberina ihany anefa ilay fitsipi-dalao. Olona samy nahita fianarana daholo isika, na dia hoe mahay kokoa noho ny tenako ary ianareo.

Ireto ambany ireto dia teny atsipy ho eny am-pon'ny olon-kendry.

- Tsy hitondra mankaiza ny fanaratsiana bontolo na fitsarana ny hafa, indraindra fa zavatra TSY hainao akory. (Eny misy zavatra tsy hainao koa... na dia hoe mety mahay be aza ianao)

- Tsy hampitombo ny fahalalanao na hampihena ny fahalalan'ny hafa koa ny fanambanianao izay fahalalana ananan'ny hafa.

- Ary eo amin'ny resaka fivavahana manokana. Ny tena mpivavaka dia mahalala tsara izay inoany sy ivavahany ary mizara izany amin'ny hafa fotsiny. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny mitsara izay inoan'ny hafa. Tsy anjaran'ny tena mpivavaka ny manery ny hafa hanaraka azy.




=D=D=D=D=D=D=D=D=D^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1933