Ry atody plastika : mivavaha ho anay

1. tsaramaso ( 17/09/2007 14:37)
http://www.edicom.ch/fr/news/insolite/1192_4282374.html
hahahahaaahaha !!!!! vavakômatika !!!
novalian'i fijo ny 21/09/2007 21:14
2. hery ( 17/09/2007 15:05)
Zavatra telo no mety ho nitranga:

1. maika be i tsaramaso nahita an ilay sary dia tonga dia nanoratra teto fa tsy namaky

2. namaky ihany i tsaramaso fa tsy hainy ny dikan ilay lahatsoratra satria teny frantsay dia noboriboriany tahaka ilay atody fotsiny eo amin ny sary

3. namaky sy nahazo i tsaramaso fa mahafinaritra azy ny mandefa hafatra tahatahaka izao eto asa amin izay angamba mba malazalaza sns.

:-)
3. Fiffi ( 17/09/2007 15:08)
mbola bdb ny zavatra tsy hain'tsaramaso.....sao de tokony hanatrika ny "rosaire" kalou vao milaza zavatra ? :roll:
4. ikaretsaka ( 17/09/2007 15:20)
mba "tsara maso" ihany fa tsy nijery tsara t@ iny:P
5. Fiffi ( 17/09/2007 15:25)
6. pissoa ( 17/09/2007 17:32)
Mahafinaritra ny mahita fiangonana miezaka mampiasa ny teknolojia hanampiana ny Kristianina amin'ny vavaka sy ny fomba hanatonany an'Andriamanitra.

Mahereza hatrany mampiasa ny coco hifanampian'ny Kristianina e ... :wink:
7. simplex ( 17/09/2007 17:47)
fa eto d mipetraka ihany ilay etika filozofika hoe hatraiza ny herin'ny teknolojia hisolo ny olombelona:?:
siora alou fa manampy bedabe le izy fa poinsa kou fa afaka fotoana vitsivitsy maromaro d le matosy irery sisa no mivavaka fa le ol variana/sahirana manao zavatra hafa :P eritrereto nge zany hoe masinina kely sisa no manao ny vavaka tokony hataon'ny ol e. Misena mintsy ngambany. Tonga d alefa fotsiny ao d kopy A/tra hoe izay le tian'lery holazaina tamiko :-w:°):)

mety hahalafo firy zao ra @ gasy no amidy io? :D
8. pissoa ( 17/09/2007 17:59)
:-D:-D:-D

Nisy resaka teto indray mandeha teto indray mandeha hoe manaraka fivavahana amin'ny tele fa tsy mandeha mivavaka. Mehezan'Andriamanitra fotsiny lah fa le matosy rery asaina mipentsona eo :-D:-D:-D Ny fitaovana rehetra misy sy mbola hisy dia natao hanampy antsika fa tsy natao hisolo tena antsika. Araka ny voalaza ao amin'ilay article izao dia hoe
Il permet aux personnes âgées et aux handicapés de réciter le rosaire tous les jours de la semaine sans avoir à se rendre à l'église
9. Fiffi ( 17/09/2007 20:18)
de soahiany aza fa mba misy an'io.....
10. tsaramaso ( 18/09/2007 07:29)
hahahahaaahaha!!!! nitranga daoly ze mety nitranga !!!
11. Fiffi ( 18/09/2007 08:46)
tsaramaso:

hahahahaaahaha!!!! nitranga daoly ze mety nitranga !!!
de nitranga koh ny tsaramaso...:-D:-D


12. boubounezy ( 18/09/2007 09:30)
simpleeeex manampatsinay:-D:-D:-D=))=))=))
13. niryna ( 18/09/2007 10:58)
simplex:

fa eto d mipetraka ihany ilay etika filozofika hoe hatraiza ny herin'ny teknolojia hisolo ny olombelona:?:
siora alou fa manampy bedabe le izy fa poinsa kou fa afaka fotoana vitsivitsy maromaro d le matosy irery sisa no mivavaka fa le ol variana/sahirana manao zavatra hafa :P eritrereto nge zany hoe masinina kely sisa no manao ny vavaka tokony hataon'ny ol e. Misena mintsy ngambany. Tonga d alefa fotsiny ao d kopy A/tra hoe izay le tian'lery holazaina tamiko :-w:°):)

mety hahalafo firy zao ra @ gasy no amidy io? :D




:roll:=))=))
14. niryna ( 18/09/2007 11:00)
1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4 Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:

5 Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:

7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Sal 115:1-8

Dia io farany io no hafatry ny Tompo ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Hafany io an.
15. tywa68 ( 18/09/2007 11:03)
tsaramaso : tsy mampiomehy :roll:
16. niryna ( 18/09/2007 11:15)
1 Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianareo ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.

2 Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;

3 tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.

4 Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin'ny afo.

5 Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy hianareo tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo hianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra -- ka hoy Izy:

6 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.

9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,


10 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

11 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao;[Na: Aza manonona ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao ho enti-mandainga.] fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Deot 5:2-11
17. pissoa ( 18/09/2007 16:09)
:-D:-D:-D
18. fijo ( 18/09/2007 20:35)
inona aloha no nisy tao fa tsy hitako???
19. pissoa ( 18/09/2007 20:40)
:-D:-D:-D

atody mazika ngambany fa toa nanjavona le izy :-D
20. fijo ( 18/09/2007 20:50)
hay tsy za irery no tsy nahita .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0782